Ny Gadra afaka averina miasa atao PDS hoy TGVendrana

1. penguin ( 02/04/2009 13:11)
Tsy hay na PDS na Maire fa Maire i Pety no nogadraina noho izany averina maka ny andraikiny izy hoy andry tgvendrana. Maninona moa no tsy avy dia ravana ireo BIANCO sy ny hafa izay nanao fanadiadiana diso nanagadrana an'i Rolland Ratsiraka na Pety sns ireo ? Nilaza koa andry tgvendrana fa olon-tokana no manana orin'asa afaka hifanehitra amin'ny fifaninanana ka tsy ahasoa ny orin'asa Malagasy ny fidirana @'ny SADC. Mbola SADC aza izany koa inona no hilazana fa mahavita azy indray koa ny mpamokatra Malagasy ? Nolazain'ity DJ tgvendrana koa fa ny lehiben'ny EDBM dia avy SG-n'ny SADC ka tsy mahagaga raha io no nahamaika an'i RA8, koa maninona no tsy ravana koa izany EDBM izany ? Nahazo karazana maripankasitrahana i Ra8 ary voakiana ny tsy maha alehany azy KOA ETO DIA AHAZO NY FARANY AMBONY INDRINDRA KOA NY TGVENDRANA SATRIA AHATAFIDINA NY VIDIM-PIAINANA TSY MAMPITOMBO VOKATRA (productivité). Miandry izany tokoa ny maro ary ho sehatra hianaran'ny rehetra i Madagasikara izay osa ny orin'asany fa hidina ny vidim-piainana ary tsy hijaly ny vahoaka sahirana.
2. essera ( 02/04/2009 13:16)
Vao niteny BIANCO penguin d tonga d miorokoditra a fa ohatran'ny oe zavatra avy any sovietika izany. Tsara ny initiative nanaovana an'io fa lasa ohatran'ny mahazatra hoe : fitaovam-piadiana efa pré-programmé dia izay tiana hopotehina no mihinana
3. tsoraka ( 02/04/2009 13:26)
Voaporofonareo mpanohana ity tetezamita ity izany fa olo-masina ireo nopotehina koa inona moa no tsy handravana ireo na hanoloana haingana ny tompon'andraikitra handeha amin'ny tokony ho asany. Aminareo dia tsisy vola voahodina teto madagasikara ary tsisy izany fanaovana asa antsirambina izany fa nandeha tsara avokoa ny an'ireny avy gadra ireny fa ireo tsy nigadra no tena mpanao ny ratsy. Ka napetraka hiasa hanenjika koa aza ve ny gadra omena andraikitry ny PDS eto Fianarantsoa.
4. ra8enforce ( 02/04/2009 14:10)
aleo hiasa ny gadra afaka e fa tokony tsy omena karamana manao asa anterivozona hihih
5. rasobakobako ( 02/04/2009 14:34)
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. Matio 16:25

Aleo aloha hanapatra ny aratsiany izay mbola mazoto fa mbola ho avy ny fotoana ahalevona azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1611