gaga ihany aho

1. ari.malala ( 02/04/2009 07:51)
Fa raha tsy diso ny fahalalako, ny grâce presidentielle nomena ireo gadra politika dia tsy manadio ny casier judiciaire ny (azafady @ ila teny vary @anana aloha fa tsy haiko ny filazana ny casier judiciare @ teny gasy :-P) Ry Pety Rakotoniaina toa nahazo sazy e? D nefa toa naverina ho pds n'i Fianarantsoa, d nohobian'ny vahoaka iany koa hoe?? dia mahagaga mintsy ny fitondrana eto amintsika ka! sa za ve no taraiky? Dia mbola vao maika koa avo 10 heny ny hagagako fa i Zafy hono tezitra fa tsy navoaka ikotity! andrekaky ô! :roll: 8O tsitako izay hahatezitra an'i zafy amizany! fa olona firy moa no novonoin'iny kotiti kotitindozany iny! amizay tany @ iny faritra avaratry ny nosy iny avokoa ny habibiana nataon'ilay kotitindozan'i zafy no nitranga d avohay hono i kotity! pfffffff toa le zafy koa no efa manao retour d'âge ka!
novalian'i fijo ny 02/04/2009 21:44
2. sadeky ( 02/04/2009 08:38)
marina mihitsy hoe ny grace presidentielle,tsy afaka manadio ny casier judiciare,raha raisina ohatra fotsiny ny cas coutiti,hoan'ny vahoaka malagasy dia meloka iny sady mpamono olona,tsy hisalasalana,fa raha ohatra kosa misy doute ny fiampangana azy,na le antsoina hoe erreur judiciare,dia averina indray ny fitsarana,ary ny fitsarana ihany no afaka manameloka sy mitsara
3. hery ( 02/04/2009 08:44)
Amin'izao fotoana isian'ny savorovoro constitutionnel izao no ahafahana manao ny zavatra rehetra. Raha vao nekena ny maha ara-dalàna ny nianianan'i Andry Rajoelina, dia tsy maintsy ekena ny zavatra hafa rehetra izay mivoaka ny lalam-panorenana (extra-constitutionnel hono)

Na i Pety aza dia mahalala fa tsy Amnistie no azony fa Grace présidentielle kanefa ny Président nanome grace aza tsy araka ny lalàna dia mihoatra ny lalàna tokony ho izy koa izany ny Grace présidentielle azo... mety mivadika na azo avadika ho amnistie.

Soa ihany fa i Zafy no nangataka ny hamoahana an'i Coutiti fa raha ny ekipan-dRatsiraka dia ho navoaka izy... mazava ho azy mbola zefa ihany i Zafy tamin'iny lafiny iny.
4. ravatorano ( 02/04/2009 08:57)
d maagaga wa e !
sa efa tsy maharotitra intsony ny zava miseho eto
za tena fanina tanteraka mihitsy isaky ny maheno vaovao iray satria tena tsy manaraka lalana misy intsony isika eto fa manao izay saim-patany fotsiny.
Tsy nisy decret na ordonnance na lalana na tsy haiko izay filazana azy nanendrena na namerenana an'Ingahy Rakotoniaina Pety ho Maire Ben'ny tananan'i fianaratsoa indray :?: :?: :?: :?: fa kabary ankalamanjana dia mahafoana ny zon'ireo izay nifidy an'ilay Maire TIM tao :oops:
Ny vahoaka dia mihoby satria izy ve mahalala sa nampianarina izay lalana mifehy ny fanendrena olona eto ,aminy rehefa ny deba be(ny filohan'ny rafitra tetezamita) nomiteny sy manambara dia efa izy zay !
kédanitra leka zozy hotsiny zalahy zay ! :-P
Ny tsy mbola fahazahoana ny amnistie ange no mbola mampihazohazo an dry Pierrot Rajaonarivelo sy ry Tantely Andrianarivo any ivelany any e satria tsy hahafahany manao politika io grace presidentielle io :!:
Ny PDS izany dia misy didy manendry an'izany toa ny natao tami'Ingahy Guy Rivo teto Antananrivo ireny fa tsy hoe ataotao fotsiny.
Iza loatra re no manome toro hevitra an'Ingahy RAjoelina no dia mijabaka amin'ntsy tokony haleha mihitsy ranamana amizao e !
henjana an !
5. Mandefitra ( 02/04/2009 09:04)
Fanjakana loham boto io papa a. Iareto ao aloha fa tsy hisy fiafarany ve.
6. ravatorano ( 02/04/2009 09:10)
araky ny hiran'i Bekoto zany :-P
7. ari.malala ( 02/04/2009 10:05)
Fa raha izao moa izany no hoe averina @ laoniny daolo ny rehetra dia aiza hoaiza ny point de départ?
8. Mandefitra ( 02/04/2009 10:12)
eo @ le hoe
- ra8 prezida
- tgv maire
- pety any tsiafahy
9. ari.malala ( 02/04/2009 11:31)
lol sarotra b zan kle! d ahoana no anadinoana ireny zavanitranga rehetra ireny kle! hahahahaha
10. fijo ( 02/04/2009 21:44)
hihihi ianareo re rankizy.izao misy any mada izao no antsoina hoe firenena rantsan'akondro.samy mandeha amin'izay tiany,fa ary ambany ihany no hiraisana.
ka izao no vokatry ny tolona ko,akory atao fa dia izay eeee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.151