Tsy aritro ty tao amina Ministera (MDAT)
1. saranga
(
02/04/2009 06:55)
Loza rey olona fa ireto mpanao politika AREMA, AKFM, Leader, UNDD, CRN sy ny sisa daholo no mamemo ny couloir-n'ny Ministera rehetra. Dia ny loza koa dia ity : mitady seza daholo ireo donto sy tsy nianatra toa an-dry TGV. Ka inona moa zany fa tsy dia ry sareraka no ho lasa SG na DG any amin'ny ministera
novalian'i Oay ny 02/04/2009 10:18
2. xxx
(
02/04/2009 07:10)
Ka izay anie ilay fanjakan`ny Fozaorana e ! Miverin-dàlana satria hoe " Biby mi-tourne"
3. Oay
(
02/04/2009 07:18)
saranga:
Loza rey olona fa ireto mpanao politika AREMA, AKFM, Leader, UNDD, CRN sy ny sisa daholo no mamemo ny couloir-n'ny Ministera rehetra. Dia ny loza koa dia ity : mitady seza daholo ireo donto sy tsy nianatra toa an-dry TGV. Ka inona moa zany fa tsy dia ry sareraka no ho lasa SG na DG any amin'ny ministera
Tsy hamaly an'i Saranga aho @ zavatra tsy fantatro fa ny momba an'i Rasa (Sareraka) d mba misy holazaina : Mba fantatr'i Saranga ve fa sociologue Rasa ary izy no niady voalohany ny hanokafana ny 3ème cycle voalohany momba an'io taranja io teny @ anjery manontolo teto Madagasikara.
D momba an'i Rasa araka ny fitantaran'ny zokinay d iny angamba no anisan'ny Malagasy nogadraina ara-politika be indrindra satria efa hatramin'ny androndratsiraka izy no voasambotra matetika, d tsarovy fa i Rasa anie no nanampy an'i dadantsika nanala an'i Ratsiraka é!
Fa ny fahitako an'ny olona toa an-dry Rasa ireny d raha vao hitany fa mivadika @ ilay toky nifanomezana ilay mpitarika d avy hatrany Rasa d miala fa tsy mijanona ary tsy mety mikombona intsony vavany.
Izahay d mpihaino ny hiran'i Rasa fa raha ny hirany no henoina d tsoriko fa tadiavin'i lery ho atao paradisa ny tany.
Malahelo anefa za milaza @ Rasa fa mbola ny devoly no tompon'ity tontolo ity!
4. ravatorano
(
02/04/2009 09:31)
marian fa i sareraka dia nandia fianarana tokoa araky ny voalaza ary anisan'ny mpikambana tao amin'ny rouge et expert tamin 'izy mbola mafana vay (mfm)
tsy ny resaka nianatra sy tsia no tena izy fa izao ny fahaizanao mitantana tsara ny ministeranao, ny fahaizanao manaja izany asa sahaninao izany fa raha be diplaoma hanao izay hampanakarena azy fotsiny ka izany fahaizany izany no ho entiny handavaka ny firenena dia tsy ilaina akoriny.
Raha tsy nahita fianarana tsy hanao inon'inona koa aleo tsy mandray fahefana akoriny fa hambotry ihanykoa ny firenena
Ilaina olona tia tanindrazana marina ny firenena amizao ary tena mila olona tena hanarina izany mba tsy hisian'izao korontan-dava izao !
saranga < fa tena misy inona rangahy ty ao amin'ny MRFDAT ao a kaiaka moa efa lasa MDAT izy zao kle ?

5. ari.malala
(
02/04/2009 10:08)
Mba ilaina iany kosa ry zoky ny nianatra fa aiza no dia hoe tys resaka nianatra na tsia no tena izy! aiza kosa kle! dia ho very maina ve ny ampianarana ireo zandry zanaka aty afarantsika raha izany kle! Ny tena idéal dia ny fampiasana ny fahaizana eo am-pela-tanana hanasoavana ny firenena sy ny mpiara belona! saingy indrisy fa toa mitady fanjaitra any anaty mololo raha izany no tadiavia ankehitriny! :-(
6. Oay
(
02/04/2009 10:18)
Ari.malala mba omeo ahy hoe inn avy ny mahasamy hafa ny olona araka ny ambaratonga mpianarana vitany!