Datoa Odon sy ny gadra politika

1. Mandefitra ( 02/04/2009 05:32)
Gadra pôlitika

Nihaona tamin'ny Arsevekan'Antananarivo


Taorian'ny fihaonan'ny gadra pôlitika tamin'ny profesora Zafy Albert, teny Ivandry, dia noraisin'ny Arsevekan'Antananarivo, teny Antanimena, izy ireo. Notsiahivin'ny Monseigneur Odon Razanakolona ny zava-nitranga nandritra ny fanelanelanana, ny sahotaka nisy teny Antanimena, tamin'ny 17 Marsa. Tsy tokony ho nisy iny olana iny, hoy izy, satria efa nivonona ny hanome ny fahefana an'Ing Andry Rajoelina ireo jeneraly 3. Nisy fotoana kely nifandiso fotsiny, hoy ihany izy, ka niteraka iny sahotaka iny ary rehefa nivoaka ny efitrano Ing Andry Rajoelina dia sosotra niaraka taminy koa ny miaramila. Nomarihiny fa noho izy mpahay lalàna no niantsoana an'Ing Norbert Lala Ratsirahonana ka nahatonga azy ho tafiditra tao anatin’ny raharaha.
Ankoatra izay dia nanao antsoavo tamin'ireo gadra pôlitika nahazo famotsoran-keloka hanohana ny fanjakana tetezamita io mpitondra fivavahana io. Mbola tanora saina Ing Andry Rajoelina, araka ny nambarany, ka tsy mahagaga raha votsavotsa amin'ny fitantanana ny raharaham-pirenena.
V.R

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=5827
novalian'i xxx ny 02/04/2009 12:40
2. saranga ( 02/04/2009 06:44)
Zao nama, ity Odon Razanakolona ity miampy an'ny La France no nanimba zavatra be teto. Soa ihany fa efa henon'ny Pape Benoit XVI avokoa ny resaka.
3. xxx ( 02/04/2009 07:38)
Ny olana eto amintsika dia ity fanaovana kiantranoantrano ity dia mbola tena raiki-tapisaka amintsika gasy mihitsy . Ilay hoe kiantranoantrano dia mety avy amin`ireto antony manaraka ireto : Ara-piaviana ( ohatra hoe samy avy any Fianarantsoa ) , arak`antoko politika (ohatra , samy AKFM) , ara-pinoana ( samy katolika tahaka izao ataon`i Odon izao ) , Ara-poko ( ohatra , samy merina ) , ara-bolon-koditra ( mainty na koa fotsy ) . Tsy ny HEVITRA mety HAHASOA ny firenena no mibaiko ny tsirairay fa ny fientanam-po tsy voafehy vokatr`ireo antony voalaza eo ambony ireo , hany ka tsy hitantsika intsony izay tena làlana MARINA tokony HALEHANTSIKA malagasy ( Ilay hoe FIHAVANANA , FIRAISANKINA..sns) fa tsy maintsy misy foana ny DEVOLY KELY mitady FANILIKILIHANA ny HAFA ary tsy mety HIFANDRAY TANANA sy HIFAMELA HELOKA satria TSY MISY NA DIA IRAY AZA AFAKA MITENY FA ANJELY LATSAKA AN-TANY . Tsy hilamina mihitsy izao olana izao raha tsy misy : FIFANDRAISAN-TANANA , FIARAHA-MIDINIKA ARA-KITSI-PO FA TSY HOE HAMETRAKA CONDITIONS SAMIHAFA . Tokony ho tadidy fa tetika nampiasain`ny Mpanjanantany fahiny ireo antony voalaza ireo mba hampisaraka ny malagasy ka noho izany tokony ho tonga saina amin`izany isika rehetra fa tsy hanaiky hampirafesin`ny Politika . Io tsy fisainana io no efa nahavoatondro molotra ireo Mpanao politika eto amintsika dia mbola mitohy foana ihany izany hatramin`izao ka aiza ny FIRENENA no handroso.
4. papala ( 02/04/2009 08:23)
GADRA POLITIKA aho oeeeee......., henoy ange ny resaka nataoníkala rinah rakotomanga E! ohatry ny tsy nanota mihintsy t@andron'ny AREMA? KANEFA DE NANDETIKA NY FIRENENA TANY @ ANTSANA NANGIRIFIRY NY VAHOAKA MALAGASY!
TOKONY HOTSARAINA ETO MADA DAHOLO RENY FA TENA maharikoriko mihintsy ny mijery azy. Eo de hainy ery ny mitsikera an-d8, nefa ny nataon'izy mianakavy mpitondra AREMA t@ MALAGASy aza tena LOZA! mitady hanao taon-dasa tsy tsaroana de tonga de miakatra plateau fotsiny tsotra izao.miseho ho milay be mihintsy.
tsy tadidin'ny MALAGASY angaha ny natao-tenisany : - NANAOVAN-TENISANY AMPIHIMAMBA NY HARENA ANKIBON'NY TANY aondrana natao dévise tany ivelany?,- ny nanangonan-tenisany ny vary gasy nahondrana tany ampita de avy eo ny MalagaSy mody omena vary kisoa mora be?- NY FAMONOANA OLONA ANTAKONANA TSY VOATANISA INTSONY?
8O 8O 8O 8O 8O 8O
5. Oay ( 02/04/2009 11:57)
papala ary tena tezitra be mihintsy nareoa izany an!
Kanefa raha ny fahitako an'ilay demi-dame tsara andilana iny aloha d .... @ ilay zipo somary ambony lohalika kely d tokony tsy ho entim-po be ohatran'izao papala an!
papala tsy hoe entiko midina ilay ady hevitra fa ohatrany hitako hoe mila mitsiky kely fotsiny aloha isika d mandray ny ady hevitra indray.
D tsetsatsetra tsy haritra milay be ny zavatra lazain'ilay XXX eo ambony io ry papala fa maninn ary izy manao XXX d ohatrany mitovy be izany ilay présentation anreo ka mba kozio izy hoe aza menamenatra zany fa raha sipa d milay no ilay manao zipo fohifohy iny raha bandy ndray moa d ny bandy tsy mba ratsy é!
6. xxx ( 02/04/2009 12:40)
Dadatoa Odon a ! mipetra tsara fa aza manaraka ny kely saina toa ny DJ sy ny Mini-zipo fa manala-baraka ny Katolika rehetra .
Fivavahana atao fa io no niantsoan anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0435