Toetra ny poerapoera fa tsy aretina.

1. soanja ( 02/04/2009 02:27)
Toetra toy ny toetra rehetra ananan'ny olombelona ny poerapoera, toy ny hoe olona menamenatra sy tsy sahy miteny loatra fa tia mandinika sy miresaka any anaty. Samy manana ny mahaizy azy ireo. Tsy misy maharatsy azy velively. Rehefa mampianatra na manabe dia samy omena lanja daholo ireo toetra ananana ireo ary samy mahavita azy daholo sy tsara avoakoa.

Fa raha kosa entina hanimbana sy hanabatiana ny hafa ilay izy dia isan'ny tsy fahaiza-miaina izany. Mila fahaizana mandanjalanja ny fampiasana azy satria mila omena toerana koa ireo izay tsy be teny sy ny hafa maro. Eo no mampiavaka ny poera sy ny mpanararaotra. Rehefa any ampiasana na ao anaty ekipa dia tsara ny mampifangaro ireo olona ireo no sady ampafantarina ny tsirairay ny mampiavaka ny tsirairay, ka raha mahay miaina ny tsirairay dia ireo no tena mahavita zavatra indrindra.

Ahoana no azahoana azy? Matetika dia voa-janahary, fa misy koa anefa dia nokoloin'ny fanabeazana sy ny kolontsaina. Betsaka ny kolontsaina no mitaky anao olona lehibe tao anaty fiarahamonina hampiseho ny mahaizy anao ary iny fahaizana kely iny dia atao izay hamirapiratany sady iavahany amin'ny hafa. Moa ao ny ray aman-dreny mamporisika ny zanany hanana izany toetra izany tamin'ny mbola kely satria nomena fankasitrahana matetika ilay zaza ohatra. Mampisondrotra zaza tokoa izany sady manome vahana azy hahay hampiakatra ny mahaizy azy eo amin'ny firahamonina na mampisongadina, ka raha sanatria misy fandemena mahazo dia ireo no mivoitra voalohany ho mpandresy na miady mafy noho ireto tsy be teny sy menamentra.

Ny olana anefa dia mifandona ny kolontsaina roa samihafa izay mitory ny hoe ny fandeferana sy ny tsy fisehosehoana na tsy fieboeboana dia fahendrena.

Zary ka mahazo soketa na anaran-dratsy ampifandraisina aminy izany olona poerapoera izany. Eo no miseho ny ady. Hita tokoa izany amin'ny olona avy eo ampovoantany sy ny avy any amin'ny koty ohatra matetika. Tsy mitovy ny kolontsaina nibeazana.

Ny fahaizana ny hafa sy ny fifankafantarana no tena zavadehibe. Rehefa misy ireo dia mora kokoa ny mifandray sy ny mifanaja.

Eritreritra mandalo ny ahy iny fa asa izay hevitrareo?

Tadidio anefa fa tsy mitovy ny poera sy ny mpandainga. Io farany io dia aretina tokoa! Be mantsy no zary mampifangaro an'io na ny mpanana ilay toetra na ireo izay mihevitra sy mitazana ny olona poera. Tsipika mifanila ireo fa tsy voatery hifandray. :) Fantaro ny namanao!
2. ari.malala ( 02/04/2009 05:35)
Fa mandreraka b ny miara miaina @ olona poera ndraindray kle! :P
3. RATOVOARY ( 02/04/2009 06:55)
Poerapoera ( na koa werawera hoy ny sasany ) : ny aty anindran-tany no tena mampiasa azy io. Matetika izy io dia efa tsy hita intsony ny hanavahana azy hoe inn marina moa izany olona poera² zany amin'ny mpandainga. Ezahako ampiana fanazavana kely ihany aloha hanamafisana ireo voalazan'i Soanja ireo; ny poerapoera dia fampisehoana fa anananao ilay fahaizana ohatra na koa zavatra iray, tsapanao ny fahatsarany aminao ary taratry ny ety ivelany izany, izay no entina hanararaotana hampisehoana ny hafa fa tena tsara ary tsy ambanin'ny hafa izany. Mandreraka tokoa rehefa sendra ny olona manana toetra tahak'izany, tia sehoseho, tia dokadoka, manindraindra tena izany.
Tadidio anefa fa tsy mitovy ny poera sy ny mpandainga
Marina tokoa io kanefa dia tena afangaron'ny olona, ny mpandainga anie ka ny tsy misy no lazainy e! ny tsy ananany lazainy fa ananany ( ahatsiarovako tovovavy iray izay raha tafaresaka tamiko izy t@ voalohany nahatongavako teto Majunga ka nilaza fa mianatra ao @ ESIGE (université privé iray eto Majunga ) , k'hay izy efa tsy mianatra instony ary classe de 5è izy no nijanona nianatra fa fitia te handainga fotsiny )
Izay ihany no mba kely takatry ny saiko hanazavana azy mino aho fa betsaka ny namana manana hevitra betsaka hanamarinana sy hanazava izay fahazoany azy.
4. fahamarinana ( 02/04/2009 11:29)
:arrow: (hanao hs kely za an !) Zandry Tovo o : ka tara tamin'ise kosa ilay kala ,mba nanantena fa nefa do ! :wink: (l)
5. RATOVOARY ( 02/04/2009 12:23)
Faha> :-D :-D :-D ie, ka tam'zay aho mbola celibany, de mba namonjy ireny braderie ireny. Izy mpankao @le cousin-nay nipetrahako izay.
Fa ny bandy aty no tena poerapoeran'olo, indrindra fa le zana-tany reny.
6. ari.malala ( 02/04/2009 13:51)
hay moa poerapoera werawera iany? misaotra nampahalala ry Ratovoary :)

Za refa tafaresaka @ oul poerapoera d memezako ftsn! ts mamaly a fa memezako ftsn ko in kou mo no hoteneniko eo :°)
7. sygah ( 02/04/2009 15:00)
ka ilay poerapoera io miitovy @ dehadehaka ihany, de avy eo lasa hamatisakambo be fahatany fotsiny , ka mahatsiaro tantara iray zay ah fa tena nisy an! tena poerapoera be mintsy ty bandy ty, ary efa fantatry ny reetra mintsy ny toetrany eo antanana eo, ka izy any @ province any no mipetraka, sendra nande niakatra tany @ ville tany ono izy ka nande avion aller retour, mazava hoazy fa tsy nisy nahita anzany, nony tonga tany @ tanana de tsy hita we ahoana no hankalazana we nande roplanina anie, nande tany @ tony radio FM tony izy ka nandefa hafatra sy hira tony ho any tenany ihany io an! we ty hira ty de hatolotra ho ani Ralay mipetraka ao @ zao sy zao de notononiny mintsy ny adresy mazava, de ny pandefa dia ilay olona niray roplanina taminao ihany, nefa leiry ihany no nandefa anio hafatra io :lol: ka ny namantarana anzany nivoaka ihany le resaka efa taty aoriana
8. fahamarinana ( 02/04/2009 15:36)
:arrow: :-D :-D mahita tantaraina nama nareo ato kah !
ari : za akia mba tiako ny miheno olona mi-poerapoera koa a ,na ny mpandainga aza !! Ilay maheno azy manao recits be mahafinaritra iny mihintsy no hitiavako azy fa aza mba tratrako aloha fa tena tsongaiko teny par teny amin'izay ! Eo ilay plaisir-ko personnel,sadique-ndozatra mihintsy anie sady somary be memoires zay indrindra raha zvtr tsy tokony ho tsaroana akory ! :) (l)
9. ikaretsaka ( 02/04/2009 17:15)
TDM izany le poerapoera raha azoko tsara
10. soanja ( 03/04/2009 01:50)
Ny Amerikanina no tena be poerapoera ary tena ao anaty kolontsaina sy fanabeazana mihitsy ilay izy mba hampiakatra ny self esteem ny zaza. Big mouth and smell good!

Tena io fanaon'i Ari.malala io no tena fanaovana azy. Mihomehy fotsiny sady manohy ny zavatra izay atao. Tsy azo atao ny mifosa azy amin'ny hafa.

Ao ampianarana izany dia misy mpianatra iray tena tia miresaka ny vady aman-janany dia hoe mahay ny zanako, ny vadiko tena ataoko mahalala ahy raha vao tsy mihaino ahy, tsotra be izy sady be fitiavana be mihitsy, ny alikako sy ny sakako dia tena faran'izay tsara tarehy sady mampihaiky volana ny maro sns... dia izy foana no mandray fitenenana. Ny ankizy mihomehy fotsiny sady mihaino azy tsara ihany. Indray andro izay dia hoy ilay zavavy iray maika ny hody izay tao hoe raha mba tsy miresaka ny vady aman-janakao ianao androany dia mety ravan'ny mpampianatra aloha isika na mba vita aloha izay tokony atao. Faly be mihitsy aho satria izao no navaliny fa tsy mba tezitra izy hoe misy zavatra iray fotsiny mba tiako tantaraina, avelanareo ve zah? dia tsy haka fitenenana be loatra aho androany. Dia izay tokoa no nataony, nanao poera ny vadiny indray maka izy dia nilamina ny rehetra.

Filana ho an'ireo olona ireo ny manao izany toetra somary sehoseho izany, toy ny olona iray mila miafina kely rehefa misy mijery na mody tsy mijery rehefa itenenana. Mahasalama azy izany ary tena ilain'ny firenena koa ny olona toy izany na dia somary manahirana ny mizatra azy ireo.
11. Mirananirina ( 04/04/2009 09:02)
de mipoerapoera daholo izany isika rehefa ataoko ny fandinihina :(
12. xxx ( 06/04/2009 11:28)
Le izy mety ho fiaraha-monina na fomba nitaizana no mahatonga an'le izy, rah mandinika nareo dia olona avy any Avaratra no tena betsaka no mipoera,
ny ankamaroan'ny olona avy any Avaratra na ry zareo aza miaiky any zany, ny namako avy any aloha de mahatsapa hoa mipoera zareo e, (Antalaha, Mananara, Ambaja, Diego .....)
Be dia be ny olona namako avy any, fa efa ohatran'ny efa mahazatra an-dry zareo ilay izy,
Fa ny maha-samihafa azy @ olona poera sasany dia ry zareo mipoera @ zavatra hananany sy ataony, zany hoe tena misy le izy,

13. soanja ( 07/04/2009 05:12)
xxx:

Le izy mety ho fiaraha-monina na fomba nitaizana no mahatonga an'le izy, rah mandinika nareo dia olona avy any Avaratra no tena betsaka no mipoera,
ny ankamaroan'ny olona avy any Avaratra na ry zareo aza miaiky any zany, ny namako avy any aloha de mahatsapa hoa mipoera zareo e, (Antalaha, Mananara, Ambaja, Diego .....)
Be dia be ny olona namako avy any, fa efa ohatran'ny efa mahazatra an-dry zareo ilay izy,
Fa ny maha-samihafa azy @ olona poera sasany dia ry zareo mipoera @ zavatra hananany sy ataony, zany hoe tena misy le izy,




Marina izany. Matetika dia olona tia mampiseho/ mampivoitra ny mahaizy azy tokoa ny olona avy any avaratra ary novoizina ao anaty kolontsainy izany.

Tadidiko tokoa ny fahazazako fa ny fipetrahana an-tokotany, miresaka sy mihaino ny antsoina hoe " lahoeka" amin'ny andro diavolana no isan'ny nahafinaritra ahy tokoa. Io lahoeka io aloha aleo hazava fa tena laingabe daholo tokoa saingy raha hainao ny mampita izany sy mampifalifaly ary manala hamohamo ny hafa mihaino anao eo dia efa anananao izay ny talenta!

:D

Efa lehibebe ilay zaza na ilay ankizy vao mahalala hoe ny tsy ny lainga intsony akory no azo avoitra fa na dia ilay kely ananana aza! Kolontsaina daholo tokoa izany! Mahaiza mifankatia na samihafa aza! :-* :-* :-* :-*
14. ari.malala ( 07/04/2009 05:43)
faha, ndry ty an! tsongoina teny par teny mitns hihihih otran hitako le oul menatra brefaveo! lol

Fa ndremande tamindry zandrinay mbola mpianatra de nisy namandry zareo zany hono poerapoera kou zany, de miresaka ao ampianarana le zala hoe manana magnetoscope (tamizany mbola tsis lecteur cd sy dvd otran'ny amizao) d hoe manana magnetoscope 4 sy télé 2 izy d nimeme daolo ny ankizy hoe d aiza no miditra ny 2 de hoe 2 isaky ny télé :roll: :roll: :-D:-D :-D d misy namandry zareo koa zany ray tanàna amle bandy poerapoera io, de manana tômôbil le raika, de miaraka amindry zareo foana i poerapoera, ka ndremande narary le ankizy manana tômôbil io, d ts nande nianatra moa zany mazava lotra, fa i poerapoera niaraka t@ dadan'ilay ankizy iany fa hoe lalany iany de apetraka eo ampianarana, de tsy haiko moa hoe nanin fa tara izy, de zao no teniny t@ mpiara mianatra nony recréation hoe lozan'ilay chauffeur ts haiko zay nataony ve lesy d tara a tam maraina! nony avy eo nianatra amizay le ankizy narary d notantarain'ny namany azy ny vavan'i poerapoera, fa eo imason'ny ankizy rehetra no tonga de novasohany hoe ts ilaina miaraka aminay tsony elà fa manin anlà dadanay no ataon là chauffeur! elà mba iantrana ndra no manao anizany! fa nisitrisitrika! non ampitso tokoa nandrasan'ny ankizy rehetra, iny fa nandeha tongotra hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1965