Eisy e ry Rasendrahasina!!!

1. ronaldo09 ( 01/04/2009 12:13)
Taitra sy gaga tokoa ireo mpanara-baovao nandre ny teny nataon’ny filoham-piangonana kristiana iray tamin’ny alahady lasa teo. Tsy ny tenany moa no tonga teny an-toerana fa taratasy nampitondrainy no novakina nandritra ny fanompoam-pivavahana.
Tsy afaka nanatrika izany hono izy satria tsy dia salama loatra ary manahy fa toa hoe misy mifofo ny ainy. Nahataitra sy nahagaga ny zava-boalazany tao, nefa koa nampalahelo satria toa mifono fandrangitana ny mpivavaka hankahala sokajin’olona samifaha. Tsaroan’ny mpanara-baovao fa nandainga ity lehibena fiangonana ity, mikasika ny nanjo azy teny amin’ny Capsat tamin’ny andron’ny talata 17 marsa lasa teo. Na dia tsy mazava tsara aza ny antony nahatonga azy sy ny masoivohon’ny Amerikana ary ilay iraky ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana hatramin’izao, dia azo antoka fa nisy ambadika hafahafa tao, ary tsikaritr’ireo miaramilan’ny Capsat izany ka nahatonga azy ireo hitana azy nandritra ny ora vitsivitsy.
Maro ireo mpamaky ity gazety ity no nanome tsiny anay noho ny teny – soratra no marimarina kokoa - hentitra sy somary nasiaka mikasika ny tati-bolana nataon’io lehibena fiangonana io. Nolazainay fa matoa izy manao izany, dia misy antony tsy mazava ao ary mifono hevitra politika maloto izy io. Voaporofo tamin’ny alahady teo izany, satria mbola nanendrikendrika indray ity pasitera ity. Tsy voalaza mazava kosa aloha ny sokajin’olona tiany hotenenina tamin’io fotoana io. Mampihoron-koditra ny zava-niseho sy voalaza tetsy Mahamasina. Tsy vitan’ny hoe nanonontonona ny anaran’ny mpitondra fivavahana kristiana hafa fa nambara ampahibemaso mihitsy fa hisy hanenjika hono ny mpino protestanta. Tonga ao an-tsaina avy hatrany ny zava-nitranga tamin’ny faha mpanjaka, tamin’ny nanenjehana ireo misionera vahiny nisava ny lalan’ny fanjanahantany sy ireo Malagasy voatarika hikomy amin’ny fitondrana ara-dalàna, dia ny fanjakan’ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany. Raha tena dinihina tsara izay voalaza teny Mahamasina, dia misy ny famporisihana ny samy Malagasy hiady an-trano ary hifanandrina ny samy mpino kristiana. Izany no nitranga ary soa ihany fa tsy noraran’ny mpitondra eo anivon’ny fitondrana tetezamita io fanompoam-pivavahana io na dia natao tamina fotoana manan-tantara izay tsy nasian-teny akory aza. Nefa mailaka ery ity finoana kristiana iray ity mampifangaro ny ankoho amam-borona rehefa mampetipety ny fiainan’ny filoha lefitra ao aminy izany. Izany hoe tonga dia niampanga ny fitondrana ankehitriny ho mpanenjika ny mpino protestanta ry zareo, ary ny katolika kosa dia tondroiny ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpitondra.
Raha zohina ilay trangan-javatra, dia tsy nahataitra ary tsy nahagaga ny zava-nitranga teny Mahamasina tamin’ny alahady teo. Hita taratra tokoa ny foto-pisainan’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Fjkm hatramin’ny 2002 ka mibaribary ankehitriny.

répondu par fijo le 01/04/2009 20:47
2. Mirananirina ( 01/04/2009 12:21)
8O 8O 8O
Io anie efa ny international mihitsy e:Président=Chrétien catholique;tokony tsy hahagaga intsony.
3. penguin ( 01/04/2009 12:23)
Ho an'elah sy ny naman'elah dia mendrika ny nisintonan'ilay miaramila iny ny lehiben'ny FJKM tamin'ny vozon'akanjony ary nanosinosehiny azy. Ny hita maso ary naverimberin'ny TVPlus aza sahala ireny koa inona no mahagaga amin'izay ratsy tsy tratran'ny mpaka sarin'ny fahitalavitra. Tsy ny rain'elah no azo sahala ireny ka be resaka elah. miaramila tsisy varany ireo CAPSAT ireo aminay ary mbola ho avy ny anjarany. Aza adino fa ny basy sy tafondro no mahasamihafa fa raha mifanehitra amin'ny olona ireo mitsoaka. Porofon'izany dia lasa manao akanjon'olon-tsotra ireo amin'izao fotoana izao. Kodiaran-tsarety io ry nama f'aza faly amin'ny tsy mety a.
4. andrywui ( 01/04/2009 13:02)
Ref mandranitr adimpoko zan ry Penguin ry rasendra de mendrik azy ny ho vonoina in-telo mitsy aza a!!! malagasy firy tapitris no tadiaviny hifanatoka antsy amin'ny heviny !! zay no tena maha hafahafa fisainana ireto milaza azy ho kristiannn ireto nefa mpangalatra akokod d;.;;;.;;
5. bozyboleta ( 01/04/2009 13:03)
Io resaka Pasitera sy FJKM io foana no roritina lava eo. Dia izay lahatsoratra soratan'ny mpanao gazety efa maty fanahy retraretra ty no tanisaina. 8O

Efa tsy miafina ny habibiana nataon'ny capsat ary nisy koa olon-tsotra nidaroka an'i Pasitera teny imasom-bahoaka teny Antanimena, ka tokony hahagaga ve ny mety mbola habibiana natao azy tany @ takona tany?
Samy manana ny andriamaniny fa ny Andriamanitra ivavahan'ny Fiangonana FJKM no mahalala ny natao an'i Pasitera.

6. mmmhh ( 01/04/2009 13:35)
Ny antony nandehananany tany USA dia noho ny toe-pahasalamany sy noho ny ainy misy mifofo,
Dia manontany tena aho hoe, tena PASITERA marina ve ity zalahy ty? rah mba nilaza fotsiny izy hoe mitsabo tena dia tsy nahataitra ahy, fa hoe satria misy mifofo ny ainy?
F'angaha tsy mahatoky ny Andriamanitra hivavahany izy? f'angaha tsy mahatoky izy fa afaka miaro azy @ fahavalo ny Andriamaniny? Koa nandeha nilefa?
Tsy hainy angaha le hira hoe....

Raha Jehovah no mpiandry
Tsy mba misy iazy mampahory
Ahi-maitso no andriako ranon'aina ho sotroiko

Ny fanahiko ho velominy
Miasa Izy tsy mba matory
Lala-marina hitondrany tsy ho foiko

7. ngoiha ( 01/04/2009 13:43)
Aza avadika le resaka ry le wi VENDRAN'TY A .Fantatrareo mpamomo ol ireo fa FJKM mitovy am-Dr8 DE NATAO AN'IRENY.TSOTRA FOTSINY L'TY E,AN'LAH NY ALLEZ FA ANDRASANAY NY RETOUR
MAZAVA.
Navoaka mihitsy ry GADRA LAVA MBA HANAMPY AMIN'NY FANDROBANA SY NY RAMATAHORA.TENENO I PETIN'LAH FA RAHA MBOLA TANANARIVO POMBA AN-DRAB L'TY TSY MATAHOTRA AN'RENY A.ZE GADRA LAVA ARY NY MBO M'SEHO BOBY EO.DE AROVY TSARA KOU NY AMBOHIJATOVON'LAH ALAIVO NY CAPVENDRANA FA RAHA NY TIM ANDRIAMANITRA MIARO AZY
OK
8. ngoiha ( 01/04/2009 13:50)
Aza avadika le resaka ry le wi VENDRAN'TY A .Fantatrareo mpamomo ol ireo fa FJKM mitovy am-Dr8 DE NATAO AN'IRENY.TSOTRA FOTSINY L'TY E,AN'LAH NY ALLEZ FA ANDRASANAY NY RETOUR
MAZAVA.
Navoaka mihitsy ry GADRA LAVA MBA HANAMPY AMIN'NY FANDROBANA SY NY RAMATAHORA.TENENO I PETIN'LAH FA RAHA MBOLA TANANARIVO POMBA AN-DRAB L'TY TSY MATAHOTRA AN'RENY A.ZE GADRA LAVA ARY NY MBO M'SEHO BOBY EO.DE AROVY TSARA KOU NY AMBOHIJATOVON'LAH ALAIVO NY CAPVENDRANA FA RAHA NY TIM ANDRIAMANITRA MIARO AZY
OK
9. rasobakobako ( 01/04/2009 14:30)
34 Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.

35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;

36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.

37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany* ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na: taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany]

38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.

39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.

40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
10. xxx ( 01/04/2009 14:57)
tamy koa ty ronaldo vendrana :-D :-D tsy mahay politika akory be resaka fotsiny :roll: :roll: zay hidirany ny arariary any positena no ataovy fa tsy lozana mitata otrany chinoa very etena :-D :-D :-D
11. andrywui ( 01/04/2009 15:18)
Ha ha ha !! hay ve velona tao elah ngohia !! ahoana les !! ary toa vao tonga elah de avo vava be !! nefa ary elah efa sisampaty tsy hita amambolana tany tsy nis nteny !! de ahoana les ngohia ! salama tsara xve ? REHEFA MITADY HAMPIADY FOKO ZANY NA HAMPIADY FINOANA RASENDRAHASINA AN DE TSY MAINTSY HO AMBOARINA IHANY IZY ZANY KA AZAFADY OOOOOOOOO
12. ra8enforce ( 01/04/2009 16:13)
NY FAMPIADIANA FOKO IO FITAOVANA HAMPIASAINA FOANA ETO MADAGASCAR RAHA VAO MAHATSIARO TENA HO RESY,NA NY PRO TGV EFA NANAO FONY RA8 TEO @ POUVOIR,IZAO INDRAY DIA NY TIM SY NY PRO LEGALISTE.TOKONY TSY ATAO MAHAGAGA IZANY,ALEFA AIZA NAREO MPOMBA AN I RA8 FA MBOLA AO VE SA EFA RERAKA E :* :* :*
13. fijo ( 01/04/2009 20:47)
efa miroso amin'ny ady an trano anie isika izao e.ary ny frantsay sy ry andry no mitarika izany,ka inona indray no mbola ilazana fa "mandrangitra ny samy gasy hiady an trano ilay pasitera"????i odon no nitarika aizany,ary tena loza nataon'i odon,dia ny samy katolika no misavorovoro izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0412