Very olomanga ny ady totohondry malagasy

1. ravatorano ( 31/03/2009 05:51)
Nodimandry i Harvel

Misaona ny tontolon'ny mpanao fanatanjahantena malagasy fa tsy ny taranja ady totohondry ihany. Nantsoin'Andriamanitra hody any aminy tamin'ny alahady tolakandro teo Atoa Randriamahafadrahona Harvel Marcellin, Filohan'ny federasiona malagasin’ny Ady totohondry, rehefa nivahiny teto an-tany nandritra ny 73 taona. An-taonany maromaro no nolazoin'ny aretina teo am-pandriana izy. Voatery nafindrany tamin'Atoa Rabarisoa Hery Mamy ny fitantanana ny federasiona. Na dia tsy tafarina teo am-pandriana aza ny tenany, dia nanaraka akaiky hatrany ny fomba fitantanana an'ity taranja ity. Araka ny fanamarihana nataon'ny Filoha vaovao tamin'ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety, dia nalain-kevitra hatrany Atoa Harvel Marcellin tamin'izay tetikasa raisina, hanatsarana ny ady totohondry. Izany no natao dia ho fandalan-dry zareo ny maha tomponandraikitra voalohany azy an'ity taranja nandaniany ny androm-piainany ity. Tsy ny federasiona teto amin'ny firenena ihany no notantanany fa hatramin'ny faritra faha-7, ary mbola nisahana toerana ambony ihany koa izy tamina fikambanana iraisampirenena misahana ny ady totohondry. Ny hany nampiavaka an'i Harvel tamin'ny mpitantana federasiona dia ny fahitsiam-pitenenana nataony, ary ny fahaizany miara-miasa tamin'ny mpanao gazety sy ny fifandraisana aman'olona. Fomba fiteniny: « Rehefa tsy mahazaka tsikera tsy tokony hitantana federasiona ». Handrasana etsy Anjanahary (Cité Harvel) ny nofo mangatsiakany, ary halevina amin'ny zoma izao. Izahay eto amin'ny Gazetiko dia mitondra fampiononana ho an'ny fianakaviany.
a.r
gazetiko
31/03/2009

mirary fiononana ho an'ny fianakaviany.
Nahavita betsaka tokoa raha Itpklh teo amin'ny sehatry ny ady totohondry ary tsisy madilana ho tetenina intsony ny voalaza etsy ambony !
novalian'i endrika01 ny 01/06/2009 10:36
2. endrika01 ( 01/06/2009 10:36)
ravatorano:

Nodimandry i Harvel

Misaona ny tontolon'ny mpanao fanatanjahantena malagasy fa tsy ny taranja ady totohondry ihany. Nantsoin'Andriamanitra hody any aminy tamin'ny alahady tolakandro teo Atoa Randriamahafadrahona Harvel Marcellin, Filohan'ny federasiona malagasin'ny Ady totohondry, rehefa nivahiny teto an-tany nandritra ny 73 taona. An-taonany maromaro no nolazoin'ny aretina teo am-pandriana izy. Voatery nafindrany tamin'Atoa Rabarisoa Hery Mamy ny fitantanana ny federasiona. Na dia tsy tafarina teo am-pandriana aza ny tenany, dia nanaraka akaiky hatrany ny fomba fitantanana an'ity taranja ity. Araka ny fanamarihana nataon'ny Filoha vaovao tamin'ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety, dia nalain-kevitra hatrany Atoa Harvel Marcellin tamin'izay tetikasa raisina, hanatsarana ny ady totohondry. Izany no natao dia ho fandalan-dry zareo ny maha tomponandraikitra voalohany azy an'ity taranja nandaniany ny androm-piainany ity. Tsy ny federasiona teto amin'ny firenena ihany no notantanany fa hatramin'ny faritra faha-7, ary mbola nisahana toerana ambony ihany koa izy tamina fikambanana iraisampirenena misahana ny ady totohondry. Ny hany nampiavaka an'i Harvel tamin'ny mpitantana federasiona dia ny fahitsiam-pitenenana nataony, ary ny fahaizany miara-miasa tamin'ny mpanao gazety sy ny fifandraisana aman'olona. Fomba fiteniny: >. Handrasana etsy Anjanahary (Cité ˆarvel) ny nofo mangatsiakany, ary halevina amin'ny zoma izao. Izahay eto amin'ny Gazetiko dia mitondra fampiononana ho an'ny fianakaviany.
a.r
gazetiko
31/03/2009

mirary fiononana ho an'ny fianakaviany.
Nahavita betsaka tokoa raha Itpklh teo amin'ny sehatry ny ady totohondry ary tsisy madilana ho tetenina intsony ny voalaza etsy ambony !




Dia manantena ireo nametrahany andraikitra mba hanandratra ambony ny ezaka efa nataony!:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1353