Inona no idiran'ny mpianatra eny am Lycée am grève ?

1. essera ( 31/03/2009 04:19)
Salama ry namana isany,

Mba mapametra-panontaniana ihany hoe nahoana moa no ampidirina amin'ny resaka grève ny mpianatra eny amin'ny lycée. Ny ankizy amin'ny lycée izany am ankapobeny dia latsaky ny 18 taona.

Sao dia diso be ianao andriamatoa mpitarika DREN mampikatso ny fianaran'ny ankizy. Fanabeazana sa fampikatsoana no ataonao. Aiza ho aiza ny déontologie-n'ny mpampianatra sa tonga dia tany amin'ny laingony ianao fa tsy niaina tamin'ny fampianarana. Ny mpiasam-panjakana hafa, tsy maninona amiko raha taritinao hi-grevy satria tsy misy examen henjehiny eo no lehibe mahalala ny ataony izy.

Izay ange no maharatsy an'ity poste politique ity e. Aleo rangah ny samy lehibe no mifampitady fa aza ampidirina ny ankizy kely ary na TGV io na TIM.
novalian'i xxx ny 31/03/2009 10:11
2. soanja ( 31/03/2009 04:27)
essera:

Manohana tanteraka ny hevitrao! Aza korontanina amin'izany adilahy politika izany ny ankizy, ny fiainany andavanandro aza efa tsy eran'ny ainy!

Mifona aminareo tia mampidina olona andalambe re! Ambilao aja reo!

3. sitlo ( 31/03/2009 04:47)
Esory TGV dia milamina io eh! Misy antony ange io ry reto eh!

Nahoana ianareo no tsy nifona tamin'ny mpandoro tanàna nandrava ny sekoly?

Nahoana ianareo no mody fanina tamin'i TGV nanova ny programam-pampianarana eny afovoan'ny taonam-pampianarana?
4. essera ( 31/03/2009 05:01)
sitlo:
Esory TGV dia milamina io eh! Misy antony ange io ry reto eh!
Nahoana ianareo no tsy nifona tamin'ny mpandoro tanàna nandrava ny sekoly?
Nahoana ianareo no mody fanina tamin'i TGV nanova ny programam-pampianarana eny afovoan'ny taonam-pampianarana?

Nareo ange no ampieson'ny dadanareo nasainy niandry teo Iavoloha dia tsy kôpy mihitsy hoe izy aza efa lasa. Ts marina ? Dia avy eo izy à distance no mi-commander anareo sisa hoe : "aza manaiky lembenana". Zah zao efa niandry azy tam sabotsy. Miandrasa mihitsy aloha an'ilay retour triomphal (plagiat am ratsiraka io). Raha hisy ...

Ny politika mantsy no somary tsy zakan'ny lohan'ny sasany eto amin'ny firenena :
ny mpianatra no resahintsika hoe midradradradra ianao imasombahoaka tsy henatra tsy tahotra : "MPIANATRA = FITAOVANA POLITIKA".

Ary ity no tadidio : ny zanaky ireo debadeba mitarika ange tsy ho lasibatry ny tsy fahavitana taom-pianarana mihitsy akory fa ianao no taraiky eo. Na mianatra any amin'ny lycée aza oh dia efa manaraka cours particulier. Efa tafita izy vao eo ianao gaga hoe niaraka ihany nefa nahoana aho no toy izao.

Fantatry sitlo aloh ve hoe inona ilay novaina ? Valin'izay aloha dia 7 taona ny fanabeazana fototra raha 5 izy teo aloha. Dimy taona aza rangah ty mbola misy tsy mahatody ny mpianatra eny na dia eto andrenivohitra aza.
5. sadeky ( 31/03/2009 05:03)
koa raha tsy ekeny kosa ary io fitondrana io dia ahoana,tsy mahazo maneho ny heviny ve ry zareo ary taiza ianareo be menomenona ireo rehefa t@ andron'i tgv navoaka force sy norahonana mihitsy azy teny ceg antanimena
6. Mandefitra ( 31/03/2009 05:10)
essera:
Fantatry sitlo aloh ve hoe inona ilay novaina ? Valin'izay aloha dia 7 taona ny fanabeazana fototra raha 5 izy teo aloha. Dimy taona aza rangah ty mbola misy tsy mahatody ny mpianatra eny na dia eto andrenivohitra aza.

Ko maninn moa ry essera raha atao 2 taona zany ny primaire mba ho todin ny gasy?
Mampihomehy be lay fanehoan-kevitra.
Fa mporisihana ny mpianatra hianatra ny hanaovana ny fampianarana @ teny gasy, sy hanitarana ny primaire ho 7 taona.
Satria na ny mpampianatra na ny mpianatra samy tsy mahafehy ny teny vahiny, sady rahateo ny boky sy ny fitaovana ilaina tsy ampy.
Ny ankizy eny ambanivohitra dia ny EPP no manakaiky azy.
Raisiko ohatra tsotra : eo Ankona izy no mipetraka, eny ambohimanarivo ny EPP (1km miala eo ankona). Ny CEG kosa eny Talata ny volon'ondry (3Km miala eo ankona).
Vita ihany ny eo ambohimanarivo (EPP), fa vao mianika eny talata dia sady reraka no noana hany ka tsy mazoto hanohy ntsony ny mpianatra fa lavitra ny toem-pianarana.

Asa raha mba takatry ny ekipan'i tgv zany na ny lohamboto mahazatra azy hatrizay no handinihanan y fiainam-pirenena.
7. sitlo ( 31/03/2009 05:17)
Izaho ange mba gaga ry sadeky eh.

Avadika any amin'ny resaka zanaky ny mahitahita ilay izy fa ny tena fototry ny olana odiana tsy hita. Ny zanaky ny mahitahita ve hoy essera: mandoro ny fananam-bahoaka rehefa mba tia hitondra.

Fantatro mazava tsara ny novaina fa mbola tsy nahita mihitsy aho teto an-tany hoe teny anelanelan'ny taom-pianarana no nanovana ny drafim-pampianarana.

katolika
8. essera ( 31/03/2009 05:35)
Mandefitra,

Ko maninn moa ry essera raha atao 2 taona zany ny primaire mba ho todin ny gasy?
Mampihomehy be lay fanehoan-kevitra.

Boraingina be ange le valin-teninao. 2 taona izao aty amin'ny ville jardin d'enfant. Dia iza isika no tena mapmé ?

Dia ianao ihany koa dia efa mamaly an'ilay izy hoe : rehefa lavitra ny toerana ianarana ary mbola miampy taona maro dia inona intsony no ho vitany eo. Na baoritra iray aza tsy hananany.

Dia ity iray : fanagasiana fampianarana. tamin'ny fotoana nianarana tamn secondaire, aiza ny valeur-n'ilay vocabulaire "takamoa, valam-pamaritana, etc...". Fanagasiana bêtement ilay izy fa mba mijereva ianao tsora-bitsika dia hitanao hoe be dia be lavitra ny voam-bolana malagasy tsy voafehintsika no enjehina.

Dia jereo tsara koa fa ny zanakao eo ho eo sy ny sahirana no mbola vizaniny amin'ny rafi-pampianarana apetrany fa ny azy alefany any am collège de france sy lyfr. tadidio ange izay e ?

Tsy adala ny katolika tsy nanaiky tonga dia nampihatra an'ilay izy fa oe andramo aloha dia ho hita eo. Fanimbana ankizy io fa hita eo ilay nanaovana fanandramana (sekolim-panjakana maromaro lasa laboratoire avec des enfants cobayes).
9. sitlo ( 31/03/2009 05:51)
katolika

Dory ny tanàna fa mitady hanandratra ny maha-malagasy indray ny malagasy eh!
10. Mandefitra ( 31/03/2009 05:54)
essera:
Dia ianao ihany koa dia efa mamaly an'ilay izy hoe : rehefa lavitra ny toerana ianarana ary mbola miampy taona maro dia inona intsony no ho vitany eo. Na baoritra iray aza tsy hananany.

hita hoe na ny mamaky teny aza tsy hainao.
1/Ny EPP no manakiky ny tambanivohitra hoy aho. ny CEG manalavitra azy kokoa.
2/Ary primaire zao ny resaka fa tsy secondaire.
3/Tsy ny fanaovana ny fampianarana @ teny vahiny no hampahay ny tambanivohitra.
Aleo atao @ teny gasy, fa ampidirina any @ primaire ny resaka Fambolena sy Fiompiana.
T@ 3eme zahay ohatra nanao siansa t@ teny gasy, tsy hitako zay olana :
Fanaovana tsato-boly (oh fambolena mangahazo):
- taho tsy antitra tsy tanora loatra
- mirefy 30-40 cm
- mitondra vontsina 3 na 4
- somary atao maranitra ny vodiny hitsatoka @ tany
- @ fotoana mahabe ny tsiron-kazo no hanaovana azy

Efa t@ taona 1986 zany tompoko fa mbola tadidiko h@ izao.
Aiza ilay faharatsiana?
Ny akademiam-pirenena no tokony handinika ny voambolana ampiasaina @ fampianarana fa tsy ny fitondrana.
11. yonikafopl ( 31/03/2009 06:46)
Za kou ry essera de nametraka io fanontaniana io tam le grevin TGV talou reny, we inona no idiran'ny mpianatra teny am CEG Antanimbarinandriana(ahitsio raha diso) ireny tam reny gafin'ny TGV reny????????

Mba azon'i essera valiana ve io fanontaniana io?????

Raha ny fahafantarako azy manko de zao ny mpianatra no te hirotsaka hanao grevy, fa le talou reny ny mpianatra te hianatra fa forcer-na hivoaka higrevy.

KA iza no azo ekena kokoa amreo tranga roa reo???
12. yuka ( 31/03/2009 06:49)
efa tamin'iny volana lasa iny aho no nametra io fanontaniana io,tamin'ny TGV namoaka pianatra teny CEG ANTANIMENA sy ireny savorovoro teny LIFRA reny.
TAONDASA TSY TSARONA VE sa refa ianareo no misioka dia voromanga??
Za koa tsy mankasitra ny hidiran'ny pianatra amin'ny grevy,nefa koa mitsipaka
ny fanendrena olona amin'ireny toerampianarana ireny.
pianatra koa anie ny eny akatso izay nantsoina hanafana ny teny amin'ny 13mai e!
13. xxx ( 31/03/2009 07:01)
teo nisy grevy tam TGV, lazaina fa aza ampidirina amzany ny mpianatra, zao olona tianareo no tiana hotohanana de korontanina ny ankizy? mety amnareo ny migrevy? mba mieritrereta e! fitiavan-tanidrazana ny anareo sa fitiavan-tena?
14. yvaj ( 31/03/2009 07:16)
Aza adinoina fa olompirenena ny mpianatra eny @ lycee an! Misy efa mifidy ireny ary misy efa hifidy ihany koa.
Avelao izy haneho ny heviny malalaka @ zay tiany mitsy, fa ny famefena na ny forcing atao aminy indrindra no vao mainka mahatezitra azy. Tadidiko mitsy io t@ 2002, Terminal za t@ io an. Vita foana ny fianarana zany refa afaka maneho ny safidiny izy, sady tsy zazakely tsony reny na lazaina ary fa latsaky ny 18ans.
Aza hodiana fanina fa misy ankizy tena te hampiseho ny safidiny an, tsy misy noterena mitsy ary zony anie zany e.
15. yuka ( 31/03/2009 07:18)
Aza manao xxx aky fa araka a!
vakio tsara ny voasoratra fa tsy mankasitra izahay,fa kosa gaga tamin'ny TGV namoaka pianatra tsy namoronanareo dinika :D
16. BlackGasy ( 31/03/2009 07:20)
Zao fotsiny eh! rah izaho manokana aleo @ teny gasy tanteraka ny fomba fampianarana marika izany fa manandanja kokoa ny tenindrazan-tsika omeko ohatra ianareo jereo ny Sinoa zay zavatra vokariny ny ingredients sy ny fomba fampiasa azy @ teny sinoa daholo antony fiarovany ny kolotsainy sns...eh noho izany aleo manaja sy mitia ny antsika sad ny antsika aza tsy voafehy koa maika moa fa ny an'ny hafa
Misaotra indrindra dia am-pitiavana be foana... :wink:
17. essera ( 31/03/2009 07:24)
yonikafopl:

Za kou ry essera de nametraka io fanontaniana io tam le grevin TGV talou reny, we inona no idiran'ny mpianatra teny am CEG Antanimbarinandriana(ahitsio raha diso) ireny tam reny gafin'ny TGV reny????????

Mba azon'i essera valiana ve io fanontaniana io?????

Raha ny fahafantarako azy manko de zao ny mpianatra no te hirotsaka hanao grevy, fa le talou reny ny mpianatra te hianatra fa forcer-na hivoaka higrevy.

KA iza no azo ekena kokoa amreo tranga roa reo???

Ary nareo koa sad tsy nihaino vaovao no tsy naheno an'ilay filohan'ny DREN iny nanakatona ny fianarana. Sa zah no diso fihaino. Mety samy hafa koa ny radio nohenointsika fa tamin'ny fahitalavitra izy mantsy miaraka amin'ny sary mihitsy ilay feo.
:-D :-D :-D
Hoy izy hoe : GREVE GENERALE : tsy miasa ny mpiasam-panjakana, akatony ny sekoly rehetra.

Firy isan-jato no nanaraka ? Aza mianatra sy miasa ihany e.

Migrevé mafy
Migrevé tsara
Migrevé miaraka

Ny anay efa vita leroa.

18. mion ( 31/03/2009 07:25)
ny maha samy hafa azy dia ity ry fohy fisainana isany:

  1. ny an'i TGV dia noterena ny mpianatra mba hitokona hanaraka azy
  2. ny @ zao fotoana izao dia ny mpianatra no maneho safidy hanohana ny ara-dalàna.

Zany no atao hoe mpianatra nianatra, tsy toa ireo tsy nianatra, tsara taiza : mahalala ny tsara sy ny ratsy, mahay manavaka ny crevette sy ny fozaorana.
vao nahay namindra de mahalala ny hasin'ny tanindrazana : ampy izay ny fanjanahan-tany

Ka raha misy zaza mangataka crevette ve de fozaorana no omena azy. sanatria

:°)
19. mion ( 31/03/2009 07:32)

20. xxx ( 31/03/2009 10:11)
Za t@ za nianatra teny @ lycée LMA dia na ny dabilio nianarako aza efa tena raneny be mitsy; ny fitaovana any @ labo zara ra nisy; ny mpampianatra no niezaka nitondra izay mba itany fa ilaina @ fampianrana ataony; Ankehitriny raha nandalo teo @ io sekoly io za dia gaga sy talanjona fa sady vita tsara no harifomba ny toeram-pianarana; ezaka nataon'ny fitondrana izany mba ho modely amin'ireo sekoly hafa, Mahatsapa izany ireo mpianatra ka mba te haneho ny heviny ho fisaorana sy fanoherana ny tsy rariny. Aleo izy handray andraikitra dieny izao mba tsy ho mpianatra tsy maharaka n'inn n'inn refaveo.
Misy manam-pahaizana efa natokna ary nikaon-doha napetraka handinika ny rafitra fampianarana eto Madagasikara ka tsy tokony ho tsabahan'ny fitondrana izay tsy ara-dalàna io akory; ary izao no fantaronareo TGViste: i Andry TGV anie ka manana nationalité Frantsay e!!!! ny maha gasy azy aza tsy tiany! Mila sainina tsara zany a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079