iza notena tia tanindrazana?

1. nalison ( 30/03/2009 13:44)
tena hontsa ny fo nahita ity Zokiolona iray natao fanadihadina tao @ TVM ny alahady 29mars2009.
Nanontany tena hoe iza no tena tia tanindrazana?
Raha nanontany azy ny mpanao gazety dia nanizingizina izy fa ny frantsay no
namono ny malagasy tia tanindrazana .
Mbola voalaza tao ihany koa fa ny PADESM no fototry ny famonoana ny malagasy tamin\'izany satria rehefa nanontanian\'ny frantsay ny hevitr\'ireo tao anatin\'ny PADESM hoy izy dia ny hoe \"VONOY\".Ary mbola voalazany tao koa moa fa hoe ireo fikambanana io koa dia nakahala MERINA.
Raha nanontaniana moa izy amin\'ny fiaraha-miasa amin-ny frantsay dia nilaza izy fa lafrantsa dia tia tena diso tafahoatra.Ny tombotsoany ihany no jereny
Ary ny firenena voazak\'i lafrantsa hoy izy dia mahantra foana noho io antony eo ambony io.
Malahelo tokoa ny tena raha nahita ity reportage ity fa nitomany ilay Zokiolona no sady nitantara.
Raha nanaraka ny tantara teto amin\'ity firenana ity anefa isika dia toa olon\'ny FRANTSAY no nifandimby nitondra teto ankoatra an\'i RAVALOMANANA MARC.
Tsy vitan\'ny hoe olon\'ny frantsay fa ireo PADESM sy ny tarananany no nifandimby nitondra dia lasa ny saina hoe IZA NO TENA TIA TANINDRAZANA ETO.
Amin\'izao fotoana izao manko dia miverina eto indray ny resaka lafrantsa
satria dia olona nationalité francaise no mihevitra azy ts ho refesimandidy eto amin\'ny firenena dia i TGV .Mbola ao koa anefa ireo PADESM sy ny tananany mila seza
ohatra : ANDRIAMANJATO RICHARD SY NY TARANANY
ZAFY ALBERT
SNS.....
2. milamm ( 30/03/2009 14:11)
marna ny kozi ny RAR io
http://www.dabio.net/Nouveau-Putsch-francais-dans-les-iles-de-l-Ocean-Indien_a5047.html
3. vaotonga ( 30/03/2009 23:36)
Za aloha tsy momba n'iza n'iza fa milaza ny zavatra marina sy voaporofo.Ny voalazan'io Zokiolona io dia marina ary ny Firenena rehetra dia mahalala fa izay nozanahan'ny Frantsay dia tsy mahita andro mihiratra.Aty Australie aho manoratra sy mamaly io.Ary aty ohatra dia mahalala tsara io toetra ratsin'ny Frantsay io.Dia nitanisa Firenena maromaro tamiko ry zareo toy:Vietnam,Laos,Congo,Madagascar sns.......Hoe fadiranovana izy ireo noho ny vokatry ny fanjanahantany ary ny fanjanahana vaovao mbola misy hatramin'izao ataon'ny Frantsay.Ka miharihary sahala @ vay ankandrina ary izao ny toetra ratsin'ny Frantsay satria iarahan'ny rehetra mahalala.Koa raha izany,iza ihany no mbola sahy hiantso azy ho"RENY MALALA".Angamba izay nahazo tombotsoa no sahy miantso azy an'izany fa izay nahatsapa ny fampijaliana naterany ary mbola hokotrehany ho tanterahany dia hiantso azy kosa ho "RENY MANDOZA SY TSY VALAHARA"


milamm:

marna ny kozi ny RAR io
http://www.dabio.net/Nouveau-Putsch-francais-dans-les-iles-de-l-Ocean-Indien_a5047.html



4. Oay ( 31/03/2009 08:52)
Miarahaba ary é!
Ho ahy indray d toa izao ny fahitako azy:
1°Na iza aloha na iza mpanjanatany d matoa izy mandeha manjanaka d mangalatra izay ary rehefa tonga any @ izay alehany izy d tsy maintsy misy vono olona ao.Raha tsy diso za ohatra d vao t@ herintaona ohatra ny Australien vao nireconnaître ny nataony t@ aborigène.
2°Ny mahasamy hafa ny frantsay sy ny mpanjanaka hafa d ny frantsay ny ataony d maka ny haren'ilay tany d miverina mipetraka any aminy izy noho izany d tsy mivaky loha loatra @ izay hampandrosoana an'ilay tany ny frantsay fa ilay farany kely indrindra no ataony ahafahany mamoaka izay ahitany tombotsoa d ampy azy.Fa ny anglisy sy ny sisa kosa d tsy ampy azy ireo ny fakana ny harenan'ilay firenena fa d alainy hatramin'ny tany d nanorimponena teo @ ilay tany ry zareo d lasany ilay tany ka d ataony izay hahatsara anazy satria miaina ao @ ilay tany izy ireo:ohatra USA, Brésil, Australie sns.
3°Ny olana ho an'ny Malagasy d tsotra:"Kely saina sy sarotahotra ny Malagasy rehefa manoloana vahiny" manao béniouioui tsy misy sahy mifamaly, jereo anie é fa malaza tsara taiza mihintsy ny Malagasy é!
4°Tsy tia ny taniny ihany koa ny gasy ka izay mba lasa eo @ toerana d ny mahamaika anazy d ny hametraka izay ananany any ivelany d izay no mampangalatra anazy
Noho izany d mazava hoazy raha afaka manararaotra ny frantsay satria Mpitondra kely aina tsy sahy mamaly ny manoloana anazy.
5. milamm ( 31/03/2009 14:23)
d in no vahaolana mazava azo atolotra sy ialàna @ izao romoromo izao sy valin-kafatra itan'i Oay tokony omena ny frantsay,fa m'lay isika malagasy
6. itaramasoandro ( 01/04/2009 05:05)
Ny maha samihafa ny frantsay sy ny mpanjanaka hafa d ny frantsay ny ataony d maka ny haren'ilay tany d miverina mipetraka any aminy izy noho izany d tsy mivaky loha loatra @ izay hampandrosoana an'ilay tany ny frantsay fa ilay farany kely indrindra no ataony ahafahany mamoaka izay ahitany tombotsoa d ampy


rehefa mpanjanaka, na frantsay, na anglisy, na espaniola, na holandesa, na italiana fa ireo moa no tena nandripaka ny haren-tany, saina ary fombafomban'ny olona nozanahany, dia nanitsakitsaka ny zon'ny mponina tompon-tany avokoa: nitondra basy aman-tafondro tao @ mponina tsy nahalala afa tsy lefona sy fitaovana madinika.

nanaraka azy ireo ary ireo malagasy revo t@ fahamaroany sy ny heriny ka dia namadika ny tanindrazany. Olona vaovao tanteraka tokoa, tahakan'ny nolazain'i nalison, no hilain'ny malagasy hitondra azy. Olona tahakan-dry obama, nivoaka t@ kilasin'ny olon-tsotra, tsisy fifampiraharahiana @ ry zareo mpitondra rehetra teo aloha.

io ihany no mety hanova ny "mpilalaoan-tsehatra" eto @ntsika fa tsy dinaozaoro na zanaka dinaozaoro lava izao. Ao aorianan'io olombaovao io kosa anefa dia tandremana ny hisian'ny zokiolona na taranak'ireo mandala ny entin-paharazana fa io no mampiavaka antsika. Eny tokoa, "milay ny malagasy" ;-)

itaramasoandro 8)


7. Oay ( 01/04/2009 17:03)
Misy zavatra tsara lazaina kely momba ny admnistration Obama, rehefa jerena tsara izy io d ireo olona niaraka t@ Bill Clinton no maro an'isa ao.Tsetsatsetra tsy aritra iny.
Inona no vahaolana ho an'ny Malagasy.
1°Tokony hisy Malagasy iray hotonga saina ka hijoro sy tsy hikosomaso manoloana an'ireo goaika antitra sy ny taranany ireo.Tadidio fa tao @ fianakavian'ny mpanjaka ihany matetika no nisy namadika ny mpanjaka.
2°Ny Malagasy nianatra d tokony hahay hampifandraika izay nianarany @ zava-misy sy toetsaina eto Madagasikara.
Ny hitako mantsy d mafy be ny Malagasy raha hangalatahaka sy hanao tsianjery fa ohatrany sahirana eo @ famoronana.
3°Tokony ho fantatrin'ny Malagasy nandrato fianarana tany ivelany fa i Madagasikara d aty afrika fa tsy any andrefana any ka ny fomba fijery sy ny fomba fanao d tsy mitovy, raha fitinina d tokony hofatatrin'ny Malagasy nandrato fianarana fa aty Madagsikara isika fa tsy any europa na USA.
4°Momba ny fiarahamonina indray d isika Malagasy d tia miaramiaina miaraka (vie communautaire) ao antin'izany ny filaharana (hiérarchie) ka io modely io d tokony atao izay hamerenena ny hasiny.Satria manomboka manana olana isika eo @ maha isika antsika (problème identitaire).
Izany rehetra izany d andraikitrin'ny FANABEAZANA.
Ka amiko d mila dedaka @ mahamalagasy anazy aloha ny Malagasy io ny fanetsika mahomby indrindra.
8. itaramasoandro ( 02/04/2009 04:06)
Tsy misy ny te ampitovy ny malagasy sy ny fomba fitondrana ao aminy ho tahakan'ny amerika na eoropa saingy zava-baovao tsara ho dinihina ny fiakaran'ny olon-tsotra eo @ fitondrana: sokajin'ireo nandrato fianarana t@ herin'ny sainy sy ny fahazotoany fa tsy t@ vola amankarena nolovainy na nohon'ny maha-zanak'i Ra-itsy azy.

Io toetra io ihany no tiako ho lazaina satria ny malagasy dia malagasy ihany tsy misy adihevitra io. Adala izay tsy toan-drainy ka tano sy fehezo ny maha-malagasy fa tokana tsy manan-tsahala isika.

itaramasoandro 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6233