Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra
21. niryna
(
06/04/2009 04:23)
ikaretsaka:
maninona tokoa ireny voakozy nefa tsy arahina... :-D :-D :-P
tsy mazava ny teningasinao
Manininona no tsy arahina ? raha ny tenin'Atra no resahiko eto a,satria mahery ny nofo ka tsy mahatohitra ny fanahy .Fa raha ny tenin'Atra no mahery ato amintsika,raha Atra no mipetraka ato anatintsika,raha isika no mino ny Zanany ho Atra sy manaiky Azy ho tompo sy Mpanavotra aho dia ahery ny fanahintsika ka mahatohitra izany fakam-panahy izany isika,raha tsy mahatohitra aza isika ka manana Azy dia ny fanahy masina izay miaraka amin'izay mino Azy no anampy azy sy hibitsika azy mangina ka ahatsampa fa tsy mety ny atao,na hibebaka ,ny hifona
Indraindray mbola sarotra ary tena sarotra mihitsy raha tsy mitafy ny ampingan'Atra isika
22. ikaretsaka
(
06/04/2009 05:18)
Maninona an'i niryna ny teny gasiko?
Maninona hoa ny resaka vono olona sy violences sy zava mampihorohoro no tsy ampiharina sy tsy tsimponinareo mihitsy nefa voalaza koa?
Maninona hoa ny resaka vono olona sy violences sy zava mampihorohoro no tsy ampiharina sy tsy tsimponinareo mihitsy nefa voalaza koa?
23. niryna
(
07/04/2009 10:08)
ikaretsaka:
Maninona an'i niryna ny teny gasiko?
Maninona hoa ny resaka vono olona sy violences sy zava mampihorohoro no tsy ampiharina sy tsy tsimponinareo mihitsy nefa voalaza koa?
ny fahafatesana no tambin'ny ota: koa izay rehetra manohitra ny tenin'Atra ka manaraka ny saim-pantany dia efa maty sahady ny fanahiny .Soa ihany anefa fa nomena antsika ny zanany hanavotra izany fanahy ao anatin'ny ota izany.
Toy ny ota rehetra ,fijangajangana ,tokantranomaso,fiarahan'ny vavy sy vavy na lahy sy lahy na olona sy biby,toy izany koa ny famonoana sy ny violences..rehefa heloka dia heloka ary meloka eo anatrehan'Atra avokoa isika rehefa tsy manaraka ny teniny.Izay no antony iresahana ny tenin'Atra eto foana. Ao no lakile ny fiainana ho an'izay mino azy satria ny baiboly no breath of God.... mofon'Aina hiainantsika..Na fitiavana io,na fankahalana,na vonoana olona na fivavahana andriamanin-kafa ,na inona na inona ka mihatra amin'ny fiainantsika dia efa voasoratra ao avokoa.
Tsy mino izany moa hianareo dia anareo ny anareo ,raha manana boky hafa ho aho manambara ny fitiavan'Atra ka nosoratan'olombelona izay hafa no voalazany ao anaty baiboly dia avoahy eto hiarahana mandinika
Vono olona ,violences :arrow: jereo ny tantaran'i Sodoma sy Gomora
Feno fijankangajangana: fanaovana sampy maro..fanambadiana lehilahy sy lehilahy :arrow: ahoana ny tantara ? hoy ireo olona teo an-tanana tamin'i Lota hoe omeo anay ireo lehilahy ireo mba hiaraka aminay ...hmmm lehilahy no miteny an ,,,dia hoy Lota hoe manana zanaka vavy mbola virijiny aho ka omeko anareo fa aza manao na inona na inona ireo lehilahy ireo hianareo.tsy fantan'ireo lehilahy maditra ,mpijangajanga,mandia ny tenin'
Atra fa anjely no tonga nitsidika ny Lota ,tsy fantatr'ireo fa hirak'Atra izay ireo mba hanafaka an'i Lota hiala ao .Fantatrao angamba ny tohin'ny tantara raha mamaky ny baiboly hianao.
Maty avokoa ireo nandika ny tenin'Atra :arrow: inona no teny azo tsoahina ka azontsika hiainana ? ho faty ara-panahy avokoa ireo izay tsy hibebaka na tsy anantona an'Atra ka mbola miziriziry ny heviny sy mihevitra ny teniny ho filamatra fa tsy manaraka ny tenin'Atra .
Efa nampifantarana isan'andro kanefa moa lasa blabla ilay izy fa tsy tiany ny fahamarinana
Tadidio tsika koa fa ny teny hoy aho dia tsy hiverina any amin'izay mamafy azy intsony na voa tsara io na tsipolitra na tsilo.Ny tantara no aoka hitsara.
:D
