Avadio ny pejy- IZA NO OLONA HITANAO FA
21. soanja
(
29/03/2009 20:02)
yuka:
Ny tsara vava hono tompoko mahafak'enatra :D
Ny mahay mandaha-teny mahazo rariny :D
amaliko anao dia tsotra fony ra8 teo amin'ny fitondrana,nidina andalambe ny
panohitra nanimba zavatra,nandroba,natao sorona sns...tsy voatanisako sy ireny lasa masikita ireny.Ny zavatra hitako tsy hita teto @ dinika POLITIKA ny
namana soanja nanameloka,na nandrara na tsy nanaiky ny hanaovan'i TGV fitaovana ny vahoaka madinika mba hazahoany ny seza :roll:
Koa nahoana ny vahoaka marobe mitolona ampilaminana mitaky ny hiverenan-dravalo no tsy ekenao????
ezahinao aolakolaka ny fanehonkevitrao izay mirona tanteraka amin'ny fitondrana vavao,no sady hita fa feno fankahalana andravalo,aleo ny vahoaka haneo ny heviny e!
Maro angamba no nitondra faisana t@ fitondran'i Ralomanana satria olona zatra gaboraraka sy be afera tamin'ny andron'ila raika lahy taloha ireny e!
Na tsy hiverina aza Ravalo dia tsy eken'ny saiko sy ny maro anisa izany DJ hitondra ny Madagasikara tsy lany olomanga arakin'ny filazanao azy :D
Fehiny: rehefa tsy azo atao ny fanehon-kevitra andalambe dia arosoy haingana arak'izay azo atao ny fifidianana,mba ho hita izay handresy arademokratika sy mba hoankatoavin'ny firenena mikambana ny fitondrana izay hijoro eo.Izay no vahaolana mijaly ny vahoaka madinika raha toa ka hitokamonina tsy hisy hanampy Madagasikara!
Zah koa manaiky arosy haingana ny fifidianana!
Tsy hita hoa zah satria tsy zakan'ny saiko le tery vaimanta teto ary na ny hiatrehana hanokafana ny dinika aza tsy ahitana soritra hoe aiza sy ahoana. Nampalahelo ahy ny manjo ny firenena hatramin'izay ka hatramin'izao. Tsy nahita mangirana hoy aho ny vahoaka madinika fa hodinareo tsy hita. Ianareo mety mahita ranondranony any dia milaza fa soa ny eo.
Ny fiatrehako ny tantsaha faran'izay sahirana indrindra ary ary mandry fotsy isanalina ny zaza madinika no iresahako sy iadiavako eto fa izay TGV sy ny hafa any tsy misy ifandraisana amin'y tiako hahatongavana. Ra8 dia tsy nahafehy ny fitiavan-tenany. Raha tsy manaiky an'io ianareo dia tena mipetraka lavitry ny vilany tokoa ka tsy nisy penina arina fa dia ny soa madina no ro hita.
Tsy ekenao ilay DJ fa ilay tsy nampisakafo zaza be dia be ekenao. Ilay nividy roplanina mety hahavitana hopitaly iray any amin;y dezaky Sakaraha ny vola tsy hitanao. Tsy niaina anle izy nareo ka be resaka eto e.
Gaboraraka ny zavamisy satria ny fitondrana no nanome vahana izany alahelo izany. Mangataka aho ny tsy hamonoana intsony ny madinika e. Izay le izy fa izay politika hampilamina ny firenena sy hanodina azy dia ataovy izay mety. Aza avela ho faty ho a-dRa8 tsony ny olona fa tsy mendrika azy izany hozy aho fa izay hitadiavana fika hanalana an'i TGV no ataovy matotra fa miombon-kevitra isika eo.
22. yuka
(
30/03/2009 00:33)
Marina fa mipetraka lavitra an'i Madagascar aho,nefa tsoriko sy sahiko ny milaza fa maharaka ny zava-misy sy ny fiainan'ny malagasy aho,tafiditra ao amin'ny asako rahateo io.Mijaly ny vahoaka hoy ianao,ny tantsaha indrindra indrindra,ny valiny angamba dia tsy vao izao no nisy vahoaka nandry fotsy teto,nefa mbola averiko foana ity teniko ity tamin'ny fandalovako tany Mada dia efa hita soritra ny fiovan'ny fiainan'olona.Miakatra ny vidimpiainana ekeko zany,fa niakatra ihany koa ny fahefa-mividy.Mivoatra ny ponina madio lamba na pivaroboanjo sy pivarotranana ary dia efa manana Finday na dia fozaorana aza ny marika tadidio fa vola daholo no miodina amin'ny fampiasana ireny aa!
23. patrick2002
(
30/03/2009 01:48)
Ny fiotondrana firenena ,tsy misy fahaizana manokana na fitiava-tanindrazana manaka-danitra ,tsarovy fa ao anatiny firenena iray dia misy saranga maromaro ,foto-pisainana maromaro ,ka ny olona hitako fa tokony hitondra dia izay malagasy afaka mandritra sy mandravina anireo tombotsoa sarangan'olona maromaro ireo ,ary ekeny malagasy maro anisa koa .
Tsy ampy ny fitiava-tanindrazana fotsiny satria betsaka ireo mpitondra izay tena tia an'i tanindrazany nefa tsy maintsy nisy saranga voahilika tao ohatra Fidel Castro, Mao tse toung , Staline ,Saddam Houssen ,
Tsy ampy koa ny fahaizana fotsiny ,satria betsaka ireo mpitondra atsy afrika na amerique latine nivoaka tany @ universite Harvard ,tany @ cambridge raha Anglophone ary Sorbonne Paris raha francophone ,nefa tsy dia hita lasa lavitra firy Afrika .
Raha hiverenana ny ao Madagasikara dia Tokony hataony Andry haingana izay hampilamina ny Tany izay vao miroso @ fifidianana ,tokony hasiana ny assise national.na forum , avy eo miroso @ fifidianana ary tsy tokony hilatsaka intsony i Andry ,fa kosa tokony efa manomana releve izy dia ny eo @ fitondrana ,betsaka izy ireo ,Ny hasina Andriamanjato ,na i Norbert Lala Ratsirahonana ,izay olona efa manana exsperience @ administration public.

24. yuka
(
30/03/2009 03:31)
Mahagaga be izany hoe tsy hilana fahaizana manokana ny fitondrana firenena :roll:
Samy mandroso ny olony io,dia arosoy ny fifidianana sady efa maro ny anarana voaroso ato :D
Ratsirahonana tsy dia tsara loatra satria tsy ny tanindrazana no tiny ,fa ny manatsitongana no talentany,aza asina goaika dia mifandanja tsara ireo anarana voatonona ireo.

25. raberesaka
(
30/03/2009 10:29)
Koa satria forum ity kianja ity de haneho ny hevitro koa aho.
Voalohany, tsy ny maha DJ na maha mpizara ronono ilay nitsoaka natanjaka tany Swazi no fepetra itsarana fa afaka hitondra an’i Madagasikara izy ireo na tsia.
Faharoa, ho an’i xxx sy Yuka manokana. Mindrama solomaso ianareo na mividiana lopy na mikraosikaopy raha tsy mahita tsara fa tsy kentrina na adala na azon’ody na ts mahita atao na nozaraina vola isak’izay mihetsika akory ny mpitolona teny amin’ny 31 may fa efa tsy zaka intsony ny ataon-dra8-nareo de mijoro izy. Ianareo mbola afaka mihinana in-3 isan’andro satria mahazo an’ilay TIM be (10000 ariary) isak’izay tonga eny Mahamasina de tsy maninona fa Ra8 hatrany na ho any na tsy ho any.
Fahatelo midika inona ho anareo mpanohana an-dra8 ireto zavatra tanisaiko manaraka eto ireto ?
- Hetra amina miliara maro tokony haloan’ny TIKO amin’ny kitapom-bolam-panjakana tsy nasiana vidiny nefa fampandrosoana haingana sy maharitra no drdraina. Ny fitrosana lava amin’ny mpamatsy vola aza efa tsy fidiny ho an’ny taranaka mifandimy ka nahana no tsy narotsaka ho an’ny firenena io hetra be an’i TIKO zay tsy naloany io ? FITIAVAN-TANINDRAZANA VE IZANY sa tsara le lesona nentin’i Amiraly taloha hoe za no eto de zay tiako atao na iza hitabataba na iza hivazavaza ?
- Fanafangaroana ny fivavahana amin’ny maha filoham-pirenena azy ve nampandeha ny fiainam-bahoaka sa nampifandrafy ny mpino kristiana ? Tsy nijanona tamin’ny samy FJKM ny tsy fitovian-kevitra fa mbola nipaka teo amin’ny Katolika sy ny FJKM koa.
- Fa alalana avy aiza moa ny an-dra8 ny manao bontolo manangana ny orinasan-janany mpanao lafarine eo amin’ny port ny Toamasina ? Fa fananan-dra8 daholo zany i Madagasikara ka zay tiany ihany no atao eto ?
- Fa ahoana ny vidin’ny produit TIKO tsy mitsaha-miaka-bidy nefa izy tsy mandoa ara-dalana eo no ho eo ny vidin-drononon’ny tantsaha akory izay iny mba vola kely iny no ampiasainy hampandehanana ny fiainany isan’andro nefa ny TIKO mahazo tombony be amin’ny tsy fandoavan-ketra no sady alaina amin’ny vidiny ambany be ny 1 litatra amin’ny rononon’ny tantsaha ?
- Fa nahoana no bodoin’ny TIKO irery ny lafin’ny fandraharahana ny menaka fa zay mba nilingilingy hanao afera momba ny menaka satria ilain’ny vahoaka tokoa io de nitadiavana dossier ary nofonjaina ?
- Fa rariny sy hitsiny ve ny famoriam-bahoaka natao teny Mahamasina taorian’ny fitifirana olona maherin’ny 50 maty teny Antaninarenina zay tanam-polo fa tsy nisy apinga na basy na antsy na baomba nefa malagasy toa anareo mppmba an-dra8 no maty teny. Adala, kentrina, kely saina, zany no vavanareo rehefa maty teny le olona fa tsy nampihetsi-bolo-maso anareo le izy de lasa ianareo nihogajoga teny Mahamasina nampiseho fa mafy ianareo ka tsy matahotra zay olona kely an-jatony araka ny filazan’ny radio Mada-nareo ? Aiza le maha malagasy anareo ?
- Fa nankaiza tokoa le fanjakana tarihan-dra8 rehefa tonga ny fanampiana sy fanomezan-dra natao teny amin’ny HJRA nefa ny karana de nihazakazaka nanao izany fa nyTIM sy ny mpomba azy nandihy sy tsy niraharaha nefa malagasy toa azy no voa teny Antaninarenina. Miharihary izany fa zay tsy TIM de tsy zanak’i dada nefa ny fahafantarako ny atao hoe Filohampirenena de ray aman-drenin’ny malagasy rehetra tsy manavaka. tsy nisy afa-tsy ingahy Jacques Sylla irery no tonga teny. De nomena ny hoditra akondro amin’izay i Sylla satria nanaotao foana fa tsy tokony hanome ra teny satria TGV ireo naratra ireo fa tsy TIM.
- Inona no dikan’ireny tsy fahatongavan-dra8 teny le hintsy ireny nefa lehilahy lehibe roa izao no mifanaiky fa hitady vahaolana amin’ny krizy ? Fa tsy en securité ahoana moa Ra8 no tokony tsy ho eny ? Teny tsy nisy afa-tsy mpanao gazety zay tsy nahazo niditra akory tao amin’ny faritra le Hintsy fa tety amin’ny arabe zay tsy nisy afa-tsy 20 olona raha be indrindra. Fa lazaina fa tsy en securité ianao andriamatoa filoha fa aza mankaty fa maro ny delegasiona avy amin’i Andry no tonga teny zay olona tsy vaovao akory fa ministra tetezamita. Fa tsy manan-katao koa angaha i Andry no ho eny le Hintsy fa matoa tonga teny de ny tombontsoan’ny malagasy no antoom-pihaonana fa rehefa tsy tonga Ra8 ny alarobia de midika izany fa «tsy misy hiraharahiako anareo malagasy fa za rehefa te ho eo de tonga fa rehefa tsy te ho eo de tsy tonga». Tsy fanalikana ve zany amiko, azafady fa zay no dikany raha atao jery malalaka.
- Tsy fahazakana tenenina ? nahazaka izany ve Ra8 ? atao daholo ny menace rehetra zao amin’ny VIVA, RDB, Antsiva, TV Plus. Rehefa tsy hitan-dra8 intsony ny hanakanana ny haino aman-jery tsy hiteny azy de nalefa indray ny resaka «brouillage» na fanelingelenana misasasasasa tsy hahenoana le radio na TV mihitsy satria menatra izy raha hanakatona mivantana le haino aman-jery ?
- Aiza ny fahalalahana miteny amin’ny TVM sy RNM ? io ange ka haino aman-jerim-bahoaka fa tsy an’ny fitondrana e ! kanefa Ra8 tamin’ny 2002 tetsy amin’ny 13 may nandritra ny tolona nataony de hoe mahalala menatra ianareo mpiasan’ny TVM sy RNM fa an’ny vahoaka io RNM sy TVM io ka aza atao an’izany. Tsy an’olon-tokana io (Radidy no tiany lazaina teo). Nefa inona no nataony rehefa tonga teo amin’ny fitondrana izy ? nobodoiny le haino aman-jerim-bahoaka fa toa hoe azy irery hono izy io.
- Izay tsy nety rehetra nahatonga ny fanonganana an-dradidy hatrizay de noeritreretina fa tsy ho averiny intsony fa hahay haka lesona Ra8 kinanjo loza fa nohamafisiny fatratra indray le nodradraina fa tsy nety taloha. Hay mety indray zany le nataon-dradidy. manana ny copie ny tenin-dra8 teo amin’ny 13 may tamin’ny 2002 ny radio Viva sy radio antsiva. tsy misy montage io fa feon-dra8 nefa odiany tsy hita sy heno izany sa hiteny indray hoe tsy feoko izany ?
- Inona no notenenin-dra8 tamin’ny 2002 fa «raha misy olona mitokona maherin’ny 200 eto amin’ny 13 may de mametra-pialana aho» nefa nataony sy notanany ve zay ? manana ny tahirim-peon’izany ny haino amanjery malagasy.
- Tamin’ny andron’iza no nisy izany atao hoe gadra politika ts tambo isaina izany ? Adinno ve fa manavavava ny fanjakana TIM izany teo ?
- Ny fifidianana isan-tokony teto ve azo antoka fa tena marina ? Ny 1er tour de vita tamin’ny 2002 aloha de ekena fa nisy fa ny taorian’iny no mampanahy sy tsy azo inoana. Porofon’izany ny halabato nataon’ny ben’ny tananan’ny TIM amina kaominina maro teto Madagasikara zay nanonganana ireo milaza fa lanim-bahoaka nefa nivoaka ny fanadihadiana nataon’ny fitsarana momba iny fifidianana ben’ny tanana farany teo iny fa hay tsy marina ilay vokatra ka nipitika avokoa ny ankamaroan’ny Ben’ny tanana TIM lany teo. tsy nanamarika na nitondra fanazavana izany ny antoko TIM na ny fanjakan-dra8 satria fahafaham-baraka loatra iny fifidianana ben’ny tanana farany teo iny.
- Ny fanaovana politika teto de noheverina fa tsy hanao izany intsony ny TIM fa be loatra ny lesoka hatrizay kinanjo noporofoin’ny TIM fa mety daholo kay le politika nataon’ny teo aloha rehetra ka ny fanamafisana ny seza no maha maika fa tsy ny fampandrosoana.
- Midika inona ho an’ny vahoakan’Antananarivo ny tsy nahazoan’ny TIM fandresena teto Antananarivo renivohitra ny toeran’ny Ben’ny tanana ? Fampitandremana ireny aminay nefa mbola tsy tonga saina ihany ny fitondran-dra8 fa vava indray aza no nataony «hoe raa sahy de tohizo hatramin’ny farany» sy ny hoe «tsy izay zandry kely ery de hampitahotra fanjakana foibe». Inona no zava-misy ankehitriny ? Naninona tsy nandrasana teny Iavoloha le zandry natsatsoina sy nampideran’inaghy Guy Rivo PDS notendren’ny TIM hisolo an’i Andry fa lasa nilefa tany Swazi Ra8 ?
- Ahoana no hanazavan’ny mpomba an-dra8 ny doany sy sampy notompoin-dra8 teny Iavoloha sy teny Ambohitsirohitra ? zany ve no ho filoham-pirenena ? sady mampalahelo fa ny fivavahana kristiana no lalaovina sy ialokalofana fa hay nipoitra ihany le andriamanitra tompoiny izay dradrainy hoe «homba antsika mandrakariva anie andriamanitra». Iza no tsy nahalala fa osy sy demony anie no andriamaniny fa raha vao tafateny hoe Jesoa tompontsika izy teny Iavoloha de andro vitsy taorian’iny de iny nametra-pialana iny satria nanota fady fa saropady tsy tian’ny sampiny le anaraa Jesoa Tompo notenenin’ny vavany ka nivadihan’ilay sampiny izy fa miteniteny foana.
Moa adinonareo mpiondana ra8 ve ry FJKM foibe fa misy an’izao teny izao ao anaty Baiboly manao hoe «aza mananan andriamani-kafa fa Izaho ihany» ? Ka le teny sy anarana hoe andriamanitra zany eto de midadasika fa tsy voatery le telo zay iray. Ny hazo, ny vola, ny sikotra ny sary vongana de azo antsoina hoe andriamanitra avokoa e !
- Ny fividianana ny force One II ve laharam-pahamehana nefa ny malagas ato efa miala aina eo ambony lalana tsara tarehy namboarin’ny fitondrana ra8 ? De afangaro ao avokoa ny volam-bahoaka sy ny volan’ny tenany, tsy ny mpanohitra no nila fanazavana tamin’io fa ny mpamatsy vola zay tsy nanaiky ny tatitra vilana natao azy ireo momba ny lalam-bola nividianana ny fiaramanidina. De atao gabo raraka tahaka izany foana ve ny volam-bahoaka fa adala tompo ? Efa nividy an’ilay force one I teo de maninona raha nihafihafy tamin’iny aloha fa mahatra ny firenena de mila mitsitsy ?
- Ny tombontsoa omena ny deputé sy ny senateur hatrizay de rapadango volam-bahoaka fa mandray 60 tapitrisa fmg isam-bolana izy ireo (karama-indemnité-carburant- credit telefona-fiara 4x4-sns nefa ny vahoaka mahonena fa raha mikarama betsaka indrindra de 250.000 f. Latsaka ny $ 1 hoy ny fandaharana fanadihadiana nataon’ny TVM vao tsy ela akory izay no raisin’ny malagasy isan’andro. Zara vilana tahaka izany foana ve ny tombontsoa tokony ho an’ny malagasy fa ny mpitondra manara-po fa ny malagasy miandry miandry foana foana.
- De ahoana ny resaka bulletin unique zay nampanantenaina fa hatao nefa avy eo notsipahina indray fa hoe tsy mahamaika zany. Nefa de iaraha-mahalala izao fa raha tsy io no ampiasaina de hiverina foana le resaka fampiasana vola hanodinana ny safidim-bahoaka. rehefa mitovy tokoa mantsy ny vatom-pifidianana de ho sarotra amin’ny mpanao lalan-dririnina ny mangala-bato.
- naninona no tsy najoro hatrizay ny fitsarana avo hitsara ireo mpitondra tsy matimanota ireo ? satria hanao adalana mantsy de sao raisim-potsiny eo.
- naninona no tsy natao kaomisiona manokana ny mpikarakara ny fifidianana ? Nahana no tsy avela miasa malalaka ny fitsaran fa an-tery foana no hataony mpitsara ?
- Iza no olo-maventy mba tratra tamin’ny fijoroan’ny BIANCO sy SAMFIN ? Izay tsy akama no tratra, zay kely vovokaina no tratra fa ry GROS POISSONS tsy mety tratra satria nahoana ? Iza no sahy hiteny an’i dadanareo ? te ho tapa-doha ? iza no mba hiaro izay sahy mijoro hiteny ny tsy mety ? te hidoboka ?
Santionany fotsiny ireo ry xxx sy yuka fa asa na ny solomaso hanaovanay no fampiasa amin’ny eclipse ka tsy ahitanay ny maha masina sy anjely io dadanareo mitsoaka any Swazi io.
Ho ahy de tsotra raha hamaly ny fanontanian’i Soanja aho :
- Tsy ilaina intsony ireo dinozoro politika fa tsy nampandroso ny politika lalaovin’izy ireo hatrizay.
- Olom-baovao no tadiavina ary za mino fa misy any fa tsy mbola fotoana hivoahany izao. Samia ho ela velona de tsarovy zay teniko izay fa hipoitra izy atsy ho atsy rehefa milamina ny lafiny fanomanana ny fifidianana.
- Izany TIM izany aloha de efa naloanay e ! nanenenana aza ny nanohana azy teny amin’ny 13 may fa nantenain-kanirina indray no nampivandravandra.
- Za tsy hanonona hoe Andry na i Monja na i Rolland Ratsiraka no tanora afaka hanao zavatra eto fa mino za fa misy hafa any. Ho hita eo ny tohiny.
- Ho ahy ihany koa de izay hahavitana haingana ny lalam-panorenana vaovao izay iarahana ankolafin-kery maro be eto amin’ny firenena (ny TIM tsy hanao na tsy hanatrika de azy samirery zany fa tsy atao mankarary an-doha) mamolavola no tokony hatao haingana. Toa izany koa ny momba ny lalam-pifidianana, ny fananganana ny fitsarana avo hitsara ny tsy matimanota rehetra koa atsangana haingana de ho hita eo zay adikilen’ny mpitondra sahy hanao fahotana mahafaty ireo na TGV izy na TIM na AREMA na MFM na iza na iza.
Misaotra anareo mamaky.

26. yuka
(
30/03/2009 15:30)
Mankaleo be ny mamaky ny diarinao fa lava loatra,aza miova PS fa tssss!
Za mahalala ny fandrosoana hita sy azo tsapaintanana,fa ianareo very fihinana
faniny no miezaka manamafy io fanjakana tsy aradalana io mba hahazoana taolana kely :D
Ny panohatra tsy mijery afatsin'ny lafiratsiny mba ho tsikeraina,toy izany koa izahay panohana miezaka hatrany manazava izay mba zavabita,sy ny teo andalampahavitana.Fanehoankevitra ny eto fa aza asiana resaka solomaso sy ny tariny :D tsy voatery ho jamba toanareo zahay ka tsy mahita izay mba asa vita teto e!
Ny resaka TIKO azo foronina daholo izay tianareo foronina,ary tsy efa nahatsentsina ny hetra tsy naloan'ny TIKO ve ny fangalarana ny vary sy menaka sns tao e! :-D :-D
TGV no zatra panakarama fozaorana fa tsy ra8 velively :D

27. soanja
(
30/03/2009 19:53)
Tsy zakan'i Yuka angaha ny fahamarinana???
Olona tsy mandoa hetra zany ve dia ekenao fa tsara hitondra firenena? Mba diniho tsara izay tohanana e!
Hotantaraiko anareo tsy ho ela nahoana no tokony hatsikafona lavidavitra io tsy fandoavan'i RA8 Hetra io? Miandrasa kely!