Vao tsy herinandro akory dia efa mihosin-drà TGV

1. myari ( 28/03/2009 21:38)
Mafy tokoa izany tampoim-pahefana izany ka dia manaonao foana , tena vorona azon'adala tokoa ity ka dia ataony @ izay mahamety azy na dia hivarinana akady aza.Izao no alehany rehefa cap sat sy ny fozaorana no atao fangalan-kevitra.
Ary ireo olona rehetra izay lazaina fa miaraka aminy ireto'(ministra 24h sns.....ve dia tena tsy misy ati-doha daholo fa dia manao rebi-kosy fotsiny ka dia izay alehany dia alehany @ fiarovana ity seza vao azo fotsiny.
novalian'i irihat ny 30/03/2009 12:44
2. xxx ( 28/03/2009 21:46)
myari a ! Ohatran'io ny zavatra mitranga rehefa arriviste no mahazo fitondrana!
Nahazo fofo-pofona fitondrana tao @ fivondronana dia mitombo ny envie de pouvoir dia tsy miraharaha na iza maty na iza maty.
Raha ilay lazainao hoe ministra 24h indray dia efa hita aza fa hoe 24h. Misy aminireo nge na hoe taty andafy aza, azo lazaina fa tsy misy traikefa @ fitantanana akory e, fa ny firenena malagasy no hanaovana stage.

3. bazylou ( 28/03/2009 22:47)
fialonana re izao e!!
4. tsimatimanota ( 29/03/2009 05:05)
NY FIALONANA DIA " COUP D" ETAT"
5. xxx ( 29/03/2009 09:52)
tsimatimanota:

NY FIALONANA DIA " COUP D" ETAT"



8O tsy tgv ve no nanomboka io korotana io ,natonga atsika toy izao e, :?:
6. vilambava ( 29/03/2009 10:24)
Ataoa ahoana fa izay no mba takatry ny sainy e. Tsy fantany izay tokony sy tsy tokony atao sy hakana torohevitra. Maika loatra ka nampiasa hery amin'ny tsy antony ka dia izao no vokany: izay lazainy fa vahoaka mpanaraka (2000) azy aza tsy voafehiny teo amin'ny 13 mai ka aiza no hahafahany mifehy ny malagasy rehetra? Antananarivo aza tsy hita izay fandrosoana nataony ka aiza no hahafahany hitondra an'i Madagasikara? Manana fialan-tsiny mazava kosa aloha izy hoe tsy navela hiasa an-kalalahana fa maro ny fahavalo kanefa raha manana programme mazava ianao tsy tokony hatahotra izay mpanenjika sy mpisompatra.
Ny tena mahavoa azy dia ny VAVA (teny) no lasa aloha dia terena hanaraka an'izay voalaza tsy am-piheverana ny fiainana. Jereo fotsiny ny famoahana an'ireo gadra politika. Tsy mba nisaina kely akory fa de te hizesta sy te hiseho hoe manam-pahefana dia natao kabary ny hoe grace présidentiel kanefa tsy fantatra akory ze mety ho vokany. Mora fotsiny no namalian'ireo gadra nahazo fahafahana azy: vao manomboka dia tsapanay fa lainga no afafin'ny mpitondra (tenin'i jeneraly Fidy io raha adika amin'ny teny malalaka). Ary tsapa fa tsy tena faly akory ireto gadra ieto raha navoaka satria toa nahatsapa fa misy fanavakavahana ihany tao: ny tena marina nefa tsy fanavakavahana no tena nisy fa tsy nandinika tsara an'izay tokony ho nolazaina ny mpikabary ka tsy nanavaka hoe iza no tokony hafahana ary iza no mbola tokony ho mila fandinihana.
7. ifiona ( 29/03/2009 13:14)
bezoro daolo e!

dia mbola hisy sahy hiaro ihany ve ireto miaramila, mitovy t@ 7 février mihitsy ny fihetsiny, efa hita be zao fa ry zareo ireo ihany no nitifitra ireo olona t@ 7 février

ity aloha hoe jereo http://www.dailymotion.com/video/x8t7yw_antananarivo-280309_news dia diniho fa ôtran' tsy lanitra mihitsy aloha no tifirin-dry zalahy e
8. irihat ( 30/03/2009 12:44)
Sali daolo an,

Refa natao ny kaonty de tsy mahatanty anaovana grève ny "fanjakana" vaovao. Aiza koa ny misy an'zany hoe izahay no tena tompon'ny demokrasia de arovanay ny kianja 13 mey (Alain Ramaroson io mteny io).
Ka aleo koa hisy fihosonan-drà de mba hitomany koa zaho hoe tsy rariny e.

Zao za tsy mihinana beurre, fromage, lait, menaka intsony. Nareo manambola sy any an-dafy no mihinana an'zany fa mba anontanio ange ny havanareo aty dago raha mahita izany ntsony. Ka VIVE ANDRY RAJOELINA ry tsy tonga saina reto a. Sa nareo contre Ra8 io kosa ngamba le afaka mdivy beurre Elle&Vire à 50.000Fmg. zahay vahoaka moyen aloha tsy mahavidy an zany e.

Ka ny ah tsy ilay maha filoha an-dRa8 fa ny maha TIKO azy. zao zany de hihinana yaourt maison ndray, esquimaux masaitsaitra, ronono velona mitapo-drano. Vive les malgaches à Dago e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.144