Hiakatra tsy ho ela ny fari-piainan-dRamalagasy

1. bozyboleta ( 28/03/2009 09:51)
Vaovao lehibe sy goavana no nambaran'i tgv omaly.
- Hidina ho 12,500 fmg (mbola farantsa ihany angaha moa ny vola miasa???) ny litatry ny menaka. Fa miampy frais fotsiny =D> =D> Tsy mahagaga aloha satria tsisy masonkarena fa nalaim-potsiny tao @ TIKO TOP.
- Hidina ho 1,000 fmg (mbola farantsa foana) ny vidin'ny mofo dipaina izay sakafo maraina fanaon'ny Malagasy. =D> =D> Fa inona no ihinanana azy zany satria tsisy dibera atsinjarany Ar 100 intsony koh. Ary tsy mpividy mofo mihitsy le V fa nisy foana ange ny mofo 200gr amidy Ar 200 e! Dia io ve no handrebirebena olona?
- Hidina ho 12,250 fmg ny lasantsy raha teo aloha izy 12,350 fmg (mbola farantsa hatrany e). Ouuaaayyeee. Ar 20 be izao isaky ny litatra kosa koh. =D> =D>
- Ny vary izay foto-tsakafon'ny Malagasy dia tokony tsy hihoatra ny 5,000 fmg (farantsa ihany hoa) ny kilao. Miantso ireo mpandraharaha mba hanaja an'io. =D> =D> Maty indray nareo ry tantsaha kely fa halain'ny mpijirika morabe ny varinareo.

Tafita isika ry Malagasy. Nandresy ny tolona fa hanana ambim-bava ny tsirairay manomboka izao @ ireo fihenana BE ireo.
Efa atao izay hampiakatra ny fari-piainana fa tao anatin'ny herinandro monja niasan'ny tgv dia azo tsapain-tanana ny vokatra. Haingam-pandeha tokoa ny lamasinina.=D> =D>
Fa mialoha izay aloha andana daholo mitady asa nareo very asa tao anatin'ny 3 volana izay fa tsy laharam-pahamehana ho an'ny fitondrana fôpla ny famerenana ny simba sy ny famoronana asa. :cry: :cry:
novalian'i yuka ny 28/03/2009 11:29
2. xxx ( 28/03/2009 09:55)
ka raha tsy hoe 1mois ihany no omeko hoe ahavita an'io fa apres miakatra be
3. bozyboleta ( 28/03/2009 10:04)
Aleo aloha tsy tsatsoina fa manampahaizana ange ireo e!
Sady manam-basy.
Ho avy indray izany izao ny fandrahonana @ basy ny tantsaha kely hangalana ny vokany. :cry: :cry:
Hi,hi,hi, velona ndray ry rason marina.
4. Noue ( 28/03/2009 10:25)
bozyboleta:

Fa mialoha izay aloha andana daholo mitady asa nareo very asa tao anatin'ny 3 volana izay fa tsy laharam-pahamehana ho an'ny fitondrana fôpla ny famerenana ny simba sy ny famoronana asa. :cry: :cry:
dia asaivo omeny asa daholo koa ireo zay very asa t@ adalany eee ! dia asaivo hatsangany daholo aloha ny zavatra simba rehetra, dia asaivo remboursény daholo aloha ireo entreprises vaky t@ fandrombana fa aza mody lazaina fa ho mora ny vary sy menaka handrebirebena ny olona fotsiny zany !!


5. bozyboleta ( 28/03/2009 11:01)
Inona no asa omeny eo ry Noue?
Ireto mamba noana niaraka t@ teo @ 13 mai aza mifanaritaka tsy hitany izay hasiana an'ireo, ka vahoaka analinkisa ataony ahoana?
Analinkisa ange no very asa na mivantana na ankolaka nandritra izay 3 volana izay e!
Dia tambazana tapa-mofo Ar200. Fa sao dia heverin'i V fa zaza ary ny vahoaka ka hoe ty ny mofo dia mangina. Sady izay mofo maina fa tsy mba hoe misy dibera akory. :)
6. Noue ( 28/03/2009 11:07)
bozyboleta:
Inona no asa omeny eo ry Noue?
mi-debra lery eee !! izy daholo anie no nahatonga ny olona very asa eee !!! tsy mahafehy ny vondron'olona zay nataony sorona akoryizy !! zao may, simba, firy ?? fa firy ny mpiasa tao anaty ireny magazay sns nodorna ireny???? vitan-lery zao ny hanorona aingana dia aingana an'ireny potika rehetra ireny mba ahazahoan'ny olona hiverina hiasa @ ara-dalàna??? sa vitan'ny mofo maina mody atao mora ity fiainana ity???


7. yuka ( 28/03/2009 11:29)
toa tsy asiany resaka marina ny olona very asa e! :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0603