toa tsy hijanona io tolona io raha izao no fandehany

1. zoam ( 27/03/2009 19:26)
vao maika mihabetsaka ny mpitolona may ny afo natsangany ve izany i tgv,mbola tsy tara anefa ny fanomezana ny fitondrana hoan'ny tafika malagasy ,ary asiana ny assises national ,dia aroso ny fifidianana le plus vite possible izay ihany
novalian'i xxx ny 27/03/2009 23:56
2. diamondra27 ( 27/03/2009 19:32)
ny tolona de tsy ho tapitra satria refa nitolona andravalo tgv de ny pro ravalo ndray no mitolona ho an,ny tgv de refa tsy taf ny bol de miditra 3eme mitemps ary dia ny ekipan'ny deba sy vvs sns no ho avy

ny dahalo mbola mijery fotsiny aloha izao an, manaraka akaiky ny fomba fandrobana misy fa hatreto de ny omby ihany no hain'ireo ketrehina
3. zoam ( 27/03/2009 19:37)
mahatsiravina be ity tolona ity raha izany satria tsy hanaiky ho resy mihitsy,solution dia averina @ tafika ny pouvoir
atao ny assises national ao daholo ny kil rehetra hatramin'i ra8 na ratsiraka na pierrot ,dia fifidianana sous l'egard onu .Dia vita hitany havany eo izay tsy misy kil
4. ifiona ( 27/03/2009 19:45)
ye, zay aloha hevitra mety hoe omena "entité neutre" ny fahefana, toy ny tafika, nefa zao, ireo caspaty.. oay azafady capsat ireo ve dia heverinareo hanaiky intsony, colonel mibaiko jeneraly, aisss, efa tamàna be lery ka mety ho sarotra raha omena an'olon-kafa ny fahefana


fa marina aloha fa raha zao no mitohy dia tolona tsy mety vita fa raha voaongana tgv dia tamy any ndray ny tgvistes hitolona sns dia mifadimby eo an-tsehatra eo

fifidianana no mampilamina an'io satria tsy maintsy zay tena "hevitra sy safidim-bahoaka maro an'isa" no hajaina. Alohan'ny hahatongavana anmin'izay anefa, mbola ho lavitra ny dia...
5. Noue ( 27/03/2009 20:13)
dans l'ordre des choses, tsy tokony hisy mahintsiny zany oe tafika mpomba ny hafa zany eee ! atao ahoana fa rehefa voavidy vola ny lehibe dia voatery manaraka ny sisa ee ! :^) :^) :^)
6. xxx ( 27/03/2009 21:21)
Hoy Ifiona
fa marina aloha fa raha zao no mitohy dia tolona tsy mety vita fa raha voaongana tgv dia tamy any ndray ny tgvistes hitolona sns dia mifadimby eo an-tsehatra eo


Izay vao mba misy tonga saina kely le Malagasy.nefa ataoko fa heritreritra sendra nitsidina fotsiny iny fa ny fiverenan'i Ra8 ihany no tema mibahana ao an-tsainy.

Ny akamaroantsika Malagasy dia olona tsy mba mahay maka lesona @ zavatra nanjo na manjo ny firenena hafa. Asa angaha @ ilay maha nosy antsika ka dia mihidy ao anaty tamboho aho ary tsy mahita sy maheno ary tsy miraharaha ny zava-mitranga any ivelany toy ireo izay mitranga any Srilanka, Rwanda, Burundi, RDC....

Amiko, dia tsy vahaolana intsony ny fiverenan'i Ra8. Ary i TGV dia tokony hametraka fialana. Ka ny fifidianana no tokony himasoana. Ka ireo izay efa teo @ fitondrana dia tsy tokony hilatsaka intsony fa hampiisy ady an-trano eto M/car.
Satria raha tsy izany dia, hifanao vageance eto isika satria samy tsy hanaiky. 1,2 3....10.....20...25 taona mety hitohy ny tsy filaminana.
karazan'izao mantsy ny zava nitranga any Sri Lanka ary naharitra efa ho 26 taona izy izao.
Koa iza no tinao i Ra8 sa TGV sa Deba sa ny ho avin'ny fianakavianao sy i Madagasikara? Lalaovin'olombitsy ny vahoaka 20 millions dia manaiky

:-D :-D :-D :-D
7. fijo ( 27/03/2009 22:16)
io voalazan'i zoam io no hany lalan atokan ahiverenan'ny filaminana ao mada.saingy tsy sahy hanao izany i andry satria izy rehetra ireo izao dia mbola mahatsapa,fa rah aizao n omisy fifidianana dia i ravalo no holany eo.ka izay antony izay ,dia tsy laninn'y vavonin'izy rehetra.
8. xxx ( 27/03/2009 22:26)
Mbola averiko aminao rafijo, ary ity aho eto fa raha mbola ny iray @ ireo anarana notanisaiko etsy ambony ireo no atsofoka eo dia tsy hiisy filaminana izany eto M/car. Olona nahongana daholo anie ireo. Ary tsy hoe coup d'etat toy ireny niseho tany Commores t@ taona 80' ireny ka hoe i Bob Denard sy ny mercenaires vitsivitsy no manafika sy manongana ny filoha fa ny antsika dia vahoaka anarivony maro no nirohatra sy nitaky ny fialan'ireo filoha ireo. Midika izany fa AO RAHA!
-Avereno eo i Ra8 dia ho hitantsika ny tanatara.
-Midongia place eo moa iTGV dia ho hitantsika ny tanatara.
9. fijo ( 27/03/2009 22:30)
ny tsara wa dia hoe asian afifidianan,de izay lany eo tsimaintsy eken'ny rehetra.rah alany tgv mangina daholo aloha ny tim.rah alany ny tim mipetraka daholo aloha ny tgv.izay mitady hanoha randrana dia eo ny mpitandro filaminana;iilay ten aizy fa tsy capsat
10. xxx ( 27/03/2009 23:07)
Tsy mety ilay hoe mangina izay tsy lany satria demokrasia no tadiavina fa tsy jadona. Nefa ny olana hipetraka dia ity tsy fahaizantsika ilay hoe demokrasia ity. Izay anie no nampipoaka'ity olana ity e! Resaka radio viva nakatona. Dia nangataka ny hisokafany i Andry, dia noraisin'i Ra8 toa kilalao. Maro koa anefa ireo izay efa niandry kendry tohana fotsiny fa tsy takatry ny sain'i Ra8. Nihevitena tsy ho refesimandidy kinanjo.....
Dia izao azon'i Andry izao ny seza.
Midika letsy izany fa izy roalahy ireo no ARETINA a! Dia efa hita ve fa aretina dia mbola hoe aleo tazomina ny iray fa milay ilay manana aretina?
Ary ny mpitandro ny filaminana dia tsy adala akory raha namadika fa ao raha! Ny hoe novidiana aloha dia mbola tsy misy porofo tena marina. Fa ny zavatra heno avy @ ireo miaramila dia hoe tsy asian'i ra8 sira ry lerony. Ka mety tsy faly t@ izany.
11. fijo ( 27/03/2009 23:35)
tsy hoe mangina ka,fa mahazo miteny izay tsy zaka,fa mijanona eo amin'izya fitenenana izay.
tsy azo lazaina hoe izy roalahy no olana,satria hisy hafa hivoak aeo rah atsy miova ny rafitra,dia hisy hafa foana.
12. xxx ( 27/03/2009 23:42)
Tsy hoatra ny milaza ve i ngahy fa tsy manana olona mahay sy azo hitokisana afatsy Andry DJ mpampadihy kox sy Ra8 mpivaro-dronono mitapoka drano ary i Deba jiolahy tsambo i M/car???
Aoka letsy marina!!! Raha izany no marina dia tsy mampaninona ahy raha iverina @ Frantsay isika.
13. fijo ( 27/03/2009 23:48)
ka io no hilazako hoe "hisy hitranga foan aeo"midik aizany fa misy olonahafak ahitondra foan aeo.ka izay no hilan any fifandaminana rafitra hiarahan'ny rehetra,ary izay lanim bahoak adia manarak aio rafitra io daholo.ny mpanohitra manohitra fa tsy manongana,ny mpitondra mitondra nefa misy mpanaramaso azy.
14. xxx ( 27/03/2009 23:56)
Ilay rafitra dia tsy hilamina mihintsy raha mbola ny iray @ izy roalahy no eo ambony seza. Ny tiako ho lazaina dia tokony isika vahoaka no hanala azy roalahy tsy hanana povoir intsony. Dia hipoitra ho azy ireo kandida te hitondra dia anjaratsika no mifidy izay hitondra antsika indray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1677