Tsisy afa tsy ny vavaka ny vahaolana

1. shoooter ( 27/03/2009 08:22)
Tsy misy ahita tombotsoa amin'izao korotana lava izao isika e, ary tsy misy ahazo rariny amin'izao fifandrangitana lava izao, Ampidiro ao ampontsika Andriamanitra indrindra isika milaza fa samy kristianina daholo, sarotra tokoa ny raharaha ary tena sarotra raha tsy mivavaka mafy isika. Ajanony ny fifandrangitana sy ny herisetra SY NY FISAINANA HITARIKA KORONTANA amin'ny samy isika, tonony isan'andro izao vavaka izao dia hitanao fa hisokatra ny fonao ary hiverina amin'ny fifankatiavana isika samy malagasy "Que le Sacré coeur de Jésus soit loué, adoré et glorifié à travers le monde pour des siècles et des siècles. Amen"
novalian'i xxx ny 27/03/2009 10:38
2. tsiafoi1 ( 27/03/2009 08:41)
Ekena fa mila ampiana hoe "omeo Mpitondra manam-pahendrena isan'ambaratonga ny firenenay" mba hilamina sy handry fahalemana.
3. xxx ( 27/03/2009 08:56)
ka le tena malagasy tsy mahay 'anzany fa ataovy teny gasy mazava tsara le izy'
4. Oay ( 27/03/2009 09:15)
Tsy misy ady hevitra fa ho antsika izay Kristianina d ny fangatahana @ ilay Ray Zanaka ary Fanahy masina ny mba hitahiany an'ity firenenana ity ihany no tokony hamafisina.
Raha azoko tsara ilay vavaka d mangataka @ ilay Ray Andriamanitra isika mba ny fahatsorampo nananan'i Kristy no hanjaka sy homemboninahitra ao anatintsika tsirairay avy d mazava ho azy fa vavaka atao izany ho an'ireo izay hitondra antsika.Ka enga anie mba hihaino vavaka ilay Andriamanitra tsy toha! Amen!
5. Rafahafahana ( 27/03/2009 09:24)
shoooter:

Tsy misy ahita tombotsoa amin'izao korotana lava izao isika e, ary tsy misy ahazo rariny amin'izao fifandrangitana lava izao, Ampidiro ao ampontsika Andriamanitra indrindra isika milaza fa samy kristianina daholo, sarotra tokoa ny raharaha ary tena sarotra raha tsy mivavaka mafy isika. Ajanony ny fifandrangitana sy ny herisetra SY NY FISAINANA HITARIKA KORONTANA amin'ny samy isika, tonony isan'andro izao vavaka izao dia hitanao fa hisokatra ny fonao ary hiverina amin'ny fifankatiavana isika samy malagasy "Que le Sacré coeur de Jésus soit loué, adoré et glorifié à travers le monde pour des siècles et des siècles. Amen"

Ny olana anie dia ilay mpivavaka no tena mafana fo amin'ny fanaovan-dratsy é.
Mivavaka alahady fa mangalatra akoho alatsinainy.

6. xxx ( 27/03/2009 09:33)
Ka ilay kristianisma mihintsy no manimba ny Malagasy .Hatramin'izay nidiran'izy io teto dia feno faharatsiana i M/car. @ izao moa dia mitsiry ohatra ny anana itony sekta sekta itony dia izao iaraha mahita izao ny zava-misy.

Fahiny raha tsy mbola tonga teto M/car ny kristianisma dia na tain'omby mivadika aza tsy misy mangalatra.fa noho ny tonga kosa ny kristianisma, vola mihidy any am-bata aza misy mibata :-D :-D :-D :-D
7. Oay ( 27/03/2009 10:06)
Ka ilay izy indray ry XXX ny fahitako anazy d erantany mihintsy no miharatsy ny fiainana an! satria ny mpanankarena d mihamnana hatrany d ny mahantra tsy vonona hiafy hanao ezaka mahita an'ilay mpanana d manao ariary zato ampandriana ozy dadanay izay, d inn ny ataony izay zavatra mora atao ahitana vola d ny fandrobana izany.
Ny mampalahelo ihany koa anefa d mba misy mihezaka fa satria mihidy daholo ny varavarana satria nidin'ny mpanankarena (io no nataon'i Marc Ravalomanana nohezahiny nidina daholo ny varavarana mba hiarovany ny fananany) daholo ny varavarana d izay no mahatonga ny olona hitroatra.
Isika eto d manana ity aterineto ity d jereo anie ny vaovao erantany fa mangotrakotraka é! any frantsa any ohatra d efa mitaintaina fa mety hisy fihetsehambahoaka toa ny t@ 1968, d jereo ilay nadeha tao @ BFM iny ilay patron nalaina ankeriny sy ilay patron voatoraka t@ atody.
Izany rehetra izany d satria diso tafahoatra ny fitiavantenandraolombelona.
8. moi ( 27/03/2009 10:18)
Ankino amin'i Jeso ny fiainana fa aza any amin'ny filoham-pirenena !
Eny e, mba mahafinaritra ny hoe azoazonao ny mpitondra, nefa na tsy azoazo aza dia baiko ny hivavahantsika ho an'ny mpitondra antsika.
Misaotra an'i Shoooter
9. xxx ( 27/03/2009 10:38)
Ekena fa mila ampiana hoe "omeo Mpitondra manam-pahendrena isan'ambaratonga ny firenenay" mba hilamina sy handry fahalemana.
Fantatr'Atra izay mahasoa eo fa mety tiany koa isika hanana fanentren-tena fa tsy ilaozana mandidy hoe IZAO sy IZAO no ataovy ANDRIAMANITRA O!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0777