sakafo omena zaza manomboka 6 mois

21. endriny ( 26/10/2016 06:01)
Nono ry reto dia efa ampy sy feno ho an'ny zazakely a. Fa raha tsy mampinono indray dia tsy maintsy hafa indray izay fa maintsy hoe cerelac sy nido izany.

Afaka omena vary aloha ny zaza 6 volana, saingy ny vary tsy ampy proteina. Dia asiana atody na potikena malemy na trondro ny sakafony. Raha mampiasa tsaramaso na soza na pitipoa ianao dia tsy maintsy alana ny hodiny izay vao potserina. Dia atao malemilemy. Azo omena voankazo nopotserina ihany koa izy, indrindra moa fa ny akondro.

Raha koba dia koba katsaka no tsara indrindra fa misy proteina kokoa. Matetika tsy mahazaka rononon'omby ny zaza ka tsy omena yaourt na ronono velona. Saingy azo atao ihany ny manazatra azy: omena iray sotrokely isa-maraina izy mandritry ny herinandro voalohany,dia akarina 2, dia 3 afaka iray volana. Ka raha tsy mivalana izy amin'ireo dia azo akarina ny fatran'ny ronono sy ny yaourt.

Fa mba mampinonoa ry reto a, tsy misy ohatran'ny natoraly ange e. Sady mba manabe ny nono ihany koa ny mampinono, fa aiza isika vehivavy Malagasy ve dia ho fisa-tratra eto foana. ihihihiihih

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6975