Avelao ny VAHOAKA hitolona fa inona aza ity ???

1. Noue ( 26/03/2009 12:36)
[URL=http://img136.imageshack.us/my.php?image=mamyrael13mai012.jpg][IMG]http://img136.imageshack.us/img136/217/mamyrael13mai012.jpg[/IMG][/URL]

[URL=http://img216.imageshack.us/my.php?image=mamyrael13mai072.jpg][IMG]http://img216.imageshack.us/img216/7475/mamyrael13mai072.jpg[/IMG][/URL]

14:30 - Les forces de l’ordre dispersent les manifestants avec des grenades lacrymogène suite à la fin de la manifestation à Ambohijatovo

14:25 - Coups de feu entendus à Analakely

14:20 - Le pro TGV Alain Ramaroson veut prendre des mesures contre la manifestation à Ambohijatovo et “protéger la place du 13 mai”. Alain Ramaroson s’est aussi exprimé au nom du Comité de soutien de la “démocratie”


fa inona aza ity ee ?? fa maninona no tsy avela mitolona ny VAHOAKA ???
répondu par fijo le 26/03/2009 21:16
2. ifiona ( 26/03/2009 12:39)
f'hita oa ry Noue! fa angaha moa tsy hoe avelao haneho ny heviny ny olona! hahahaha nandrora mitsilany marina tgv marina

Noue :-* :-* :-*
3. yvaj ( 26/03/2009 12:43)
Kefa hoe nanamboatra lalana sarotra de izy ihany avy eo no voa kou!
4. Mirananirina ( 26/03/2009 12:44)
Ka ny atao no miverina dia tsy zaka e
5. essera ( 26/03/2009 12:55)
Fa iza no nanakotaba anareo teo Ambohijatovo, sa mandainga indray aho. Ny tsenan'olona anendrikendrehana anay io mahamailo ny mpitandro filaminana io. Sao mantsy miainga indray ilay izy d na efa any ampigadrana aza ilay olona dia voaendrikendrika amin'ny vaky trano aty ivelany. Tsy fonja vaky amin'io.

Hi hi hiiiiiiiiii
6. ifiona ( 26/03/2009 13:00)
essera, nga tsy arakao tao @ matv fa vao midina etsy @ 13 mai ny vahoakan'ambohijatovo dia misy bandy kely tsy ampy taona mitoraka ry zareo, tsy hitanao angaha ireny sarin'olona maratra ireny

ny olona anie tsy mikorontana nefa dia tedavina tapenam-bava fotsiny, rehefa 13 mai an'i tgv mantsy taloha dia tsy naintsy niafara t@ fandrobana foana
7. mion ( 26/03/2009 13:02)
Sao mantsy miainga indray ilay izy d na efa any ampigadrana aza ilay olona dia voaendrikendrika amin'ny vaky trano aty ivelany. Tsy fonja vaky amin'io.

Hi hi hiiiiiiiiii

anga tsy fantatry essera fa novakin'ny tgv ny fonjan'i tsiafahy, tafavoaka i coutiti sy rahitso
8. xxx ( 26/03/2009 13:07)
fa izy hono no hisolo anireo any afaka kelikely kou,
9. xxx ( 26/03/2009 13:12)
essera anie tsy mahazaka fa fantany t@ izyteny @ 13mai fa ireo ihany no namaky magazay sns e
10. tovogold ( 26/03/2009 13:22)
Sady ny tena marina koa anie, iny efa mazava hitam-poko , hitam-pirenena fa ts ny vahoaka manohana and Ravalo mihintsy no mpandroba fa ireo TGV ireo e. De avy eo ko ry Essera(sao de masera aloe) ts antonona ny vahoaka intsony ny ao Ambohijatovo de hitarina aty @ 13 mai ny tanana e !
11. KALACK ( 26/03/2009 13:24)
Noue , aiza i wuiwui ?
12. cocorie ( 26/03/2009 15:13)
Ary toa tsy mahazaka vali-tolona ty Alain Ramaroson, matahotra ny resy sahady anga ka hoe prendre mesure, fa in no protégé-na eo am 13 mai, Tay sy Pipy????
13. xxx ( 26/03/2009 15:35)
koko:
Ary toa tsy mahazaka vali-tolona ty Alain Ramaroson, matahotra ny resy sahady anga ka hoe prendre mesure, fa in no protégé-na eo am 13 mai, Tay sy Pipy????

Enao angaha adala! Koa raha tsy ohatry ny ra8 izy ity ko! Ambaniana ilay tolona dia rehefa manafika lapa vao gaga. I Ramaroson dia olona tena mandray andraikitra mba tsy hisian'ny rà mandriaka indray.
14. Oay ( 26/03/2009 16:16)
ifiona:

essera, nga tsy arakao tao @ matv fa vao midina etsy @ 13 mai ny vahoakan'ambohijatovo dia misy bandy kely tsy ampy taona mitoraka ry zareo, tsy hitanao angaha ireny sarin'olona maratra ireny

ny olona anie tsy mikorontana nefa dia tedavina tapenam-bava fotsiny, rehefa 13 mai an'i tgv mantsy taloha dia tsy naintsy niafara t@ fandrobana foana



Ka ny mpandefa ny mpaky trano sy ny mpanao asamboto efa tsy eo intsony d nijanona ny asa ratsy knou!
Azavaiko tsy mahazo tombotsoa intsony ny TIM raha mbola misy asa fandrobana amin'izao fotoana izao satria raha izany no miseho d horava hoazy ny fihetsiketsehana satria tsy tian'ny Malagasy izany.
Izay anie no mbola hilazako hoe aza manao tsianjery fa mba manadiady rehefa mahita zavatra!
Averiko foana hoe apetrao ilay fanontaniana manao hoe:
"Rehefa mitombo ny asa jiolahy mandritra ny fihetsiketseahana d iza no mahazo tombony?"
>>>valiny izay tsy mihetsiketsika
>>ka mba hisian'ny korontana d iza izany no mandefa ny mpanao asa jiolahy mamaky trano sy ny sisa
>>Valin d izay tsy mihetsiketsika
>>d iza no tsy nihetsiketsika nandritra ireny fotoana nahabe ny vaky trano sy ny fandoroana fananampanjakana ireny
>>Valiny ny TIM
Mazava be ohatran'ny karatr'i Naivo an!
15. fijo ( 26/03/2009 21:16)
aza matahotra vahoaka ramaroson an,ianareo n obe vava nitaky vahoaka teo.tonga izy izao ka arahabao e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1249