Izahay Malagasy tia filaminana

1. klitika ( 26/03/2009 10:42)
MALAGASY TIA FILAMINANA

Izahay Malagasy tia filaminana

Tsy mba mijery amin’ny maso mivilana

Izahay Mlagasy tsy mpampihorohoro

Tsy manambana basy, tsy manapoaka tafondro

Ny anay ny herin-tsandry tsy natao handrobana

Na hisetrasetra sy handorona tanàna

Izahay letsy Gasy, fa tsy mba karana

Vonona hatrany hanara-dalàna

Tsy manaiky resy leitsy ny Malagasy a !

Na ambenan-tafondro, na ambanana basy a !

Izahay Malagasy hoy aho : tsy tia fafilainga

« Fa vavolombelon’ny mpiasa ny bainga »

Izahay Malagasy mifanome tanana

Miaro ny toeran-dRvalomanana

Izahay Malagasy anie ry leiry e !

Tsy mba taranaka mpanao D.J.

Izahay Malagasy anie tia fandrosona e !

Miara-mandroso dia miara-mirona e !

Izahay Malagasy koa anie tsy mety tola e !

Ny anay ny MARINA tsy amidy vola e !

Izahay Malagasy tsy mpanao ratsy !

Na tsy mena-mivadika toa CAP SAT

Fa izahay Malagasy hoy aho tia fahendrena.

Tsy maintsy vitaina ny TENY NOMENA !

Izahay Malagasy hoy aho tsy fozaorana

Na irony karazana biby mitorona

Ny Malagasy koa tsy karazan’amboa

Ka hiverina amin’ny ratsy sy efa naloa

Mpanoratra : Malagasy tsy vaky volo
novalian'i Oay ny 26/03/2009 15:54
2. Oay ( 26/03/2009 10:52)
D ahoana izany ry Kilitika fa toa efa samy nalohan'ny vahoaka ry zalahy ireo!
Mety ny mampirisika outsks outsks outsks d ny mpampirisika tsy mba nangataka ny hialokaloka tao @ ambasady ny be kintana fa lasa nankany androva any é!
3. ralevazou ( 26/03/2009 10:57)
bravô! =D> =D> =D> =D> =D> =D> !
4. benasy ( 26/03/2009 10:58)
Mahay ise ka.......Tena mahay......Fa inoako marimarina, tsy hoe ninian'ise noadinoina, fa tsy vosoratra fotsiny angamba ! ny hoe : Ireo Malagasy rehetra mitrongy vao homana ny 90% @ izao; efa nampidirina kizo 2 volana ngarangidina ! dia mbola tadiavin'ny sasany hampidirina fanindroany indray !
Mino aho fa tsy takona amin'ny mason'ise izany §.....ary tsy anomezako tsiny na iza na iza koa!

Malagasy ray sy reny aho, ary isan'ny TENA LEO korontana toa an'ise koa !
5. KALACK ( 26/03/2009 11:00)
Hery a,manao copie coller lavabe ndray iklitika anie
6. mibalika ( 26/03/2009 11:23)
mety tsara sy mirindra ,bravo
7. nyavo2000 ( 26/03/2009 11:34)
Tia tena ny tsy maneho ny heviny e! efa hita izao fa FOZAORANA de avela eo ihany ve. Tsy misy crédibilité na any ivelany na eto an-toerana dia atao inona.

Ny karaman'ny fonctionnaire @ avril aza tsy ho hita intsony...

Tsy aleo miverina R8, nilamina ny tanana ?
8. Mandefitra ( 26/03/2009 11:37)
Sao adinon ny benasy fa ireo 90 % isan jato ireo anie ka satriny tokoa ho @ tenin-dreny ny fampianarana satria sady tsy hainy ny teny vahiny, ireo mpampianatra koa tsy mahafehy izany akory, ny boky rahateo tsy misy, na misy aza tsy takatra.
Ireo tantsaha ireo anie faly rehefa vita ny lalana hahafahany mivarotra ny vokatry ny taniny.
Ireo tantsaha ireo mba afaka miaina rehefa misy orin asa malagasy manodina ny vokatry ny taniny, sy ny biby fiompiny fa tsy lo antoerana sy voatery hatao varoboba satria tsisy mpividy.
ARy mba faly ny tantsaha rehefa nozaraina kit scolaire, sitrany ahay vaza-mihetsika refa njay miditra ny maintso ahitra.

9. Mirananirina ( 26/03/2009 12:37)
Klitika =D> =D> =D>
10. Oay ( 26/03/2009 15:54)
Mandefitra:

Sao adinon ny benasy fa ireo 90 % isan jato ireo anie ka satriny tokoa ho @ tenin-dreny ny fampianarana satria sady tsy hainy ny teny vahiny, ireo mpampianatra koa tsy mahafehy izany akory, ny boky rahateo tsy misy, na misy aza tsy takatra.
Ireo tantsaha ireo anie faly rehefa vita ny lalana hahafahany mivarotra ny vokatry ny taniny.
Ireo tantsaha ireo mba afaka miaina rehefa misy orin asa malagasy manodina ny vokatry ny taniny, sy ny biby fiompiny fa tsy lo antoerana sy voatery hatao varoboba satria tsisy mpividy.
ARy mba faly ny tantsaha rehefa nozaraina kit scolaire, sitrany ahay vaza-mihetsika refa njay miditra ny maintso ahitra.




Mandefitra ny olana d satria ireo teo alohany tsy nanao ninn d ohatrany hoe nahavita be izy ny marina anefa d ny nataony koa d ny nanamboatra ny lalana satria mampety ny bizinany izany.
Ny olana d ny bizina d tsy afaka nanao anizany ankalalahana ny olona satria nogejainy.
Ny olana d ny fanaovandalana ohatra d anazy ny orinasa raha tsy hiresaka hafa tsy ny goudron isika.
Tadidiko tsara ny resabe natao rehefa mba nahavita an'ireny cabine téléphonique ireny i Ny Hasina, d efa ohatran'ny hoe nahavita inn ery kanefa zavatra notsipinina tany frantsa no mbola namidy t@ fanjakana Malagasy ny marina anefa d satria ry Ratsiraka tsy nanao ninn d ohatrany hoe mba nanao kely Ny Hasina d efa kozy bobaka be.
Raha aka fitaratra d firenena any ivelany alaina atao famaharana fa tsy hoe izay zavatra kely mba natao.
Noho izany d mamerina i Oay ary manamafy manao hoe mialà daholo ny goaika antitra mpangalatra sy mpivarotra tanindrazana fa aleo mba hihetsika ny olona vao² ka amiko d tsy mila Ratsiraka i Oay ary tsy mila Ravalomanana fa efa vita izay tokony nataon'ireo olona ireo ka tokony haka aina amin'izay aloha.
D tsy mila Ratsirahonana sy Andriamanjato koa aloha é!
Mba mila olona vaovao ry zalahy fa aza d izao efa nalohan'ny vahoaka izao ihany no tadiavina hiverina eo a!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0466