Aza miala mihintsy ny mpanaraka ny ara-dàlana

1. penguin ( 26/03/2009 06:25)
Ho hitan'ny voamason'ny rehetra na eto an-toerana na ny an-dafy dia mila maneho hatrany isiaka fa maro ny tsy mankatoa izao fanerena miampy fampitahorana miaramila izao. Ampitahorina dia manao sonia sy manatanteraka izay tiana hatao. Izany vé no demokrasia. TSY MANAIKY IZAHAY.
novalian'i fijo ny 26/03/2009 22:40
2. tsoraka ( 26/03/2009 06:37)
Izay indrindra no hankanesan-tsiaka eny Ambohijatovo. Mampitandrina ny akaman-dry zalahy ary mamporisika ny miaramila hamono ny mpanara-dàlana ka izay indrindra no hisian'ny avy ivelany manampy amin'ny fizahavana vahaolana. Miteny ry zalahy hoe raharahan'ny Malagasy samy Malagasy ity nefa nanangona sonia ry zalahy dia nolazainy fa alefa any amin'ny fitsarana iraisam-pirenena. Dia eo ihany dia milaza ny mifanohitra. Tsy mankatoa izany mihintsy tokoa ny mpanara-dàlana.
3. xxx ( 26/03/2009 07:34)
Ity ny tenin'ny Filoha taloha t@ kabary nataony :
Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,

Ry vahoaka marobe vory lanina, maneho ho hitan’izao tontolo izao, ho ren’izao tontolo izao fa manohana ny ara-dalàna, miaro ny demokrasia marina ary manaja ny lalampanorenana sy ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Miarahaba anareo jiaby aho.

Faly aho, tena faly. Misaotra an’Andriamanitra fa mbola velon’aina. Misaotra anareo vahoaka Malagasy aho, misaotra anareo tonga marobe aho, Mankasitraka ary mankatelina ny fihetsika ataonareo ho fanohanana ahy. Herin’andro katroka izay, harivan’ny talata, herisetra, habibiana, fandrobana ny lapam-panjakana teny Iavoloha. Tampoka tsy nampoizina, izay no nitranga, no nahatonga anay nanavotr’aina.

Mahatoky anefa aho, mahatoky isika mianakavy, fa Andriamanitra mahery ampy ampandresy antsika. Ry Vahoaka Malagasy rehetra manerana ny nosy. Tsy maintsy mijoro isika miaro ny fampandrosoana, ny filaminana ary ny fandriampahalemana eto amin’ny tanintsika.

Tsy maintsy manao izay rehetra azo atao isika mba hisian’ny firaisampirenena ary tsy maintsy miantso isika ireo firenen-drehetra, ny vondrom-paritra rehetra mba hanampy antsika ahafahantsika mamerina indray ny fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara.

Tsaroako ireo 7 taona niarahana tamin’ny Malagasy. Maro ireo fotodrafitr’asa vita. Tao ny lalana, ny sekoly, ny toeram-pitsaboana sy ny hopitaly, sns, sns. Nanaiky izao tontolo izao fa tena nisafidy ny lalan’ny fampandrosoana marina i Madagasikara ary nanamafy hatrany ny demokrasia. Indrisy anefa, nohon’ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika. Ny lohan’ny firenen-drehetra eran-tany, ny fikambanana iraisampirenena, samy nihataka tamintsika nohon’ny fandrobam-panjakana na ny « coup d’Etat » tsotra izao.

Anjarantsika Malagasy, anjaranao, anjarako ny miaro ity tanindrazana malalantsika ity, ny mampiverina indray amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena.

Tongava maro ary ry vahoaka Malagasy, ny mpiasam-panjakana rehetra, ianareo tanora tsy ankanavaka, vonjeo ny firenentsika, arovy ny firaisankinam-pirenena, ny fiandrianam-pirenena. Asehoy ny maha Malagasy antsika, miraisa hina, mifanajà. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny fahefana sy ny hery koa dia homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

Ho avy ny fotoana ihaonantsika tsy ho ela, koa dia mampahery anareo aho, mamporisika anareo aho, asehoy ho hitan’izao tontolo izao ny firaisankinantsika rehetra, ny herintsika, ny maha Malagasy antsika. Raha izaho koa no izaho, tsy hanadino anareo mihitsy aho ry vahoaka Malagasy ary mahatoky sy mino aho fa ianareo koa tsy hamela ahy irery.


4. xxx ( 26/03/2009 08:10)
Milay zany fa ho avy zahay miaraka amin`ny akama rehetra !!! Taomy daolo na ny fianakam`s avy any ambanivohitra aza satria , ity tolona ity dia tsy an`ny eto Antananarivo irery intsony fa ny tantsaha izay tena tia an-dRa8 aza dia tsara entanina fa ho azy ireo koa no tena hitolomana eto .
5. xxx ( 26/03/2009 08:35)
aza miala mihitsy fa ny tombo-tsoantsika tsy maintsy arovana sao very fihinana eo ka ho fisaka ny kibo
6. xxx ( 26/03/2009 09:10)
Zay mintsy e! aleo aseho an'ireo jiolahimboto sy mpandroba reo oe indreto izahay. Isika tsy hanaiky an'i Baroa hitondra zany e!
Zao sahady ary de efa miady seza :-D :-D
Ny antsika ra8 ihany, olona te hanapotika ny fotodrafitr'asa fotsiny reo.
7. xxx ( 26/03/2009 09:31)
fa inona aminao ny demokrasia: ny mitana ny radio-pirenena sy tele ho azy irery, ny tsy mandoa hetra nefa ny vahoaka voasazy raha tara fe-potoana fotsiny, ny tia tena, ny mivarotra tany am vahiny, ny manototra tanimbarin'olona hanaovana trano, nymandika lalam-panorenana, ny mody mivavaka nefa hay ny sampy an-tselika ihany, sns e, demokrasia hafa kely ny anareo
8. xxx ( 26/03/2009 09:50)
Zao fotsiny : mino aho fa enao io miasa, anga enao io de mionona fotsiny @ karama isambolana, tsy maintsy manodina vola enao @ fahaizanao rehetra, ka refa mitombo ve ny fari-pananany de lazaina oe in? Ary tsy aleonao ve ra samy hihinana ihany tsy aleo miantoka ny olona mahavita asa? Lazaina fa sampy e sampy! fa minin ra naseho tsirairay teo ny efitra nipetrahan'ireny zavatra reny? fa mody nangoningonina t@ birao rehetra tao de avy oe sampy e sampy. Izahay zao manana haingotrano bdb sady misy sary omby,osy,alika sns... de tongava ko any aminay de ahorony daolo de avy eo lazao oe io ny sampiko. hihihi tsy mankaiza zany enao tgviste a! olona mpandromba sy mpaka fahefana zany tsy ho lasa lavitra e! tsy mba menatra akory nametahana an'iny samboady iny oe, ity moa de nendahiko teny antanan'olona? :-D :-D :-D
9. Oay ( 26/03/2009 10:23)
Ho an'i XXX ilay farany an!
Ka ny olana teto Madagasikara d tsy afaka nanondimbola intsony ny Malagasy satria na:
_Raha manelingelina ny TIKO sy ny tariny d tsy azo atao.
_Na rehefa mandeha ny zavatra ataonao d tonga ry Sarah sy ny zanak'i dada manery anao mba hizara aminy fa raha tsy izany d vita ny aminao d izay ilay olana.
Ary io olana io d tsy ny mpanankarena ihany no niharany fa na ireo olona tantsaha tsy mba manana ny 1/1.000.000.000 ny ananan'i Marc Ravalomanana aza!
10. KALACK ( 26/03/2009 10:55)
AZ mis miala marn r mpanark ny ara dalan mpanakorotn fitondrana vao2 a, de ref voatifitr be eo d az miala ihan fa ho lasa maritior eo daol nareo fa ataov tsar ar
11. tovogold ( 26/03/2009 12:15)
Raha sahy lesy ela de ento midina eny io KALACK n là io ahitanlà anzany a!!!!

12. karavasy ( 26/03/2009 14:03)
Ny vatandehilahy miaro ny ara-dàlana misy, ny miaramila mangina mipoitra rehefa tonga ny marina. Noho izany aza mihevitra ny TGV fa ny miaramila Malagasy rehetra no manaraka azy. Mora ary maivana ny handresena azy. Aza adino fa sarinady,film,ady @ dahalo ary manenjika mpi-grevy no hain'ny Rasily Gasy. Samy galona azo niakatra ho azy ireo ary na sarim-bavy, mamolava aza hita ao @ tafika Malagasy.
13. fijo ( 26/03/2009 22:40)
kiiiiii de hifarana tsy hoela ve izany ny fahasambaran'i tgv???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0517