assise nationale

1. sitlo ( 25/03/2009 15:40)
Miandry an-dRatsiraka.
novalian'i Oay ny 26/03/2009 16:41
2. yuka ( 25/03/2009 15:52)
tsy mila an'izany tsony tsika zao!
:D :) :P
3. Noue ( 25/03/2009 15:58)
zay indrindra manko ! fa atao inona i ratsiraka?? efa goaika antitra be efa zara fa mahita iny??? :-D :-D :-D :-D :-D :-D
4. sitlo ( 25/03/2009 16:06)
io zany no tetik'adin' i TGV hatrizay koa.

coutiti koa izao handray anjara.

Assisen'ny mpanimba firenena ity omanin-dry zareo ity. Hakana ny fon'ny internationale hono eh!
5. Noue ( 25/03/2009 16:34)
fa dia inona loatra re ity nanjo an'i tgv ee ?? may nga ny V ka hanao "assise" ihany ? aiza re zany eee ??
satria ve:

La Norvège
Les Etat-Unis
L'Union Européenne
La France
L'Union Africaine
L'Algerie
L'Angleterre
L'Organisation internationale de la Francophonie

nanaiky daholo fa coup d'etat no nataony tgv dia eo vao mikoropaka hanao assise ???

zao koa manko eee

Nous sommes conscients que seuls, nous n'y arriverons pas" ozy i V

Après avoir essuyé les critiques de la communauté internationale la semaine dernière, l'ancien maire de la capitale malgache qui se voit comme un "président de transition" soigne sa communication et multiplie les interventions. Dans une interview au Financial Times de lundi, il souligne encore : "Un seul homme ne peut pas construire une maison. Mais la communauté internationale doit savoir qu'elle doit respecter la volonté populaire. C'est le peuple malgache qui décide de ce qui arrive à Madagascar."

6. Oay ( 25/03/2009 18:42)
Noue a! tandremo ihany ilay fanatisme fa olona nianatra ianao an!
Mialatsiny aho raha mba mampatsiahy kely fotsiny manao hoe:
_Hatreo @ Lycée d mamerina izay nomen'ny mpampianatra ny mpianatra ka ny mahay d izay mpanao tsianjery sy mahatadidy tsara izay nomena an'azy.
_Rehefa tonga tao amin'ilay antsoina hoe prémière année du prémier cycle d mbola afaka manao tsianjery fa rehefa miditra ny deuxième année du prémier cycle d efa miala any ny cours magistral ka eo d manomboka very ny mpanao tsianjery fa mitaky fandalinana sy famakafakana ny fahafahana manohy fianarana, ka ho anareo efa mba docteur d ozy zay hoe ampiasao ilay natao teny amin'ny ambaratonga ambony é! >>> Mahaiza mamakafaka fa aza mihonona @ izay lazain'ny hafa satria tsy mendrika ny olona nianatra izany.
Manazava aminao aho fa ny zavatra notakian'ny mpanohitra teto Madagasikara efa nanomboka taona vitsivitsy izay d ny hanovana ny lalampifidianana tsy nanaiky an'izany ny fitondran'i Ravalomanana ary izay rehetra nitaky an'izany d saika niditra amponja.
Mbola mila averiko aminao ve hoe impiry moa ny mpanohitra no nangataka ny mba hanaovany famelabelarana mamory vahoaka fa tsy nahazo nanao an'izany.
D i Andry Rajoelina no nahita fika mody nitokana an'iny Kianja ny demokrasia iny.
Ka aleo hazava @ i Noue fa matoa ny olona nidina andalambe d satria efa nezahan'i Ravalomanana nofehezina daholo ny lalana aradalana rehetra
_i Noue olona tia mamaky boky d jereo hoe rehefa ny antenimierampirenena no loko tokana d inn no iantsoana ilay fitondrana.
Ny tiako hahatongavana d tsotra tsy maintsy natao ny nanala an'i Ravalomanana teo @ fitondrana.
Ka rehefa afaka i Marc Ravalomanana d mandainga izay milaza fa hoe mandà assise nationale ny TGV satria izay anie ny zavatra notadiavina é.
Fa mbola averiko hoe tsy azo nekena raha ry Ravalomanana no nanao ilay assise satria mbola mora ho anazy ny mangalabato sy manao didy jadona!
Jereo @ izao fa afaka maneho ny heviny anie ry Zafy sy ry Manandafy @ izao fotoana izao é! d izay fahafahana izay ilay tsy ampy t@ fitondran'i Ravalomanana.
7. Noue ( 25/03/2009 19:03)
Oay:
Noue a! tandremo ihany ilay fanatisme fa olona nianatra ianao an!
Oay aa ! tsisy resaka oe fanatisme mahintsiny aloha ny ahy eee ! ny zavatra fantatro fotsiny dia zao ! izaho aloha dia tena anti tgv eee ! nefa azoko lazaina koa oe tsy pro ravalomanana koa aho saingy zao kosa an !!! raha samy mifidy ihany dia aleko lavitra maka an'i ravalomanana ary contre ny coup d'etat aho ! moa raha misy olona azo hapetraka eo hanolohana an'i ravalomanana dia harosoy aza oe jerevana zany eee ! mais tout de même pas question oe ny ekipan'ratsiraka sy ny arema no atao eo ! io aloha dia nièt !!!! ka raha samy manohana ihany dia aleko lavitra manohana an'i ravalomanana ary raha te hanala azy eo dia miandrasa ho vita ny mandat-ny fa tsy manao bodongerina sy terroriste oatrizao ee !!!

8. xxx ( 25/03/2009 19:18)
ASSISE MENSONGERE NATIONALE TGV
VONOY IREO SADC A
9. Noue ( 25/03/2009 19:23)
Oay:
Jereo @ izao fa afaka maneho ny heviny anie ry Zafy sy ry Manandafy @ izao fotoana izao é! d izay fahafahana izay ilay tsy ampy t@ fitondran'i Ravalomanana.
aiza re zany eee ! ry zareo zao no tsy dakoro @ nataon'tgv kooo !!

10. Oay ( 25/03/2009 19:33)
Noue:

Oay:
Noue a! tandremo ihany ilay fanatisme fa olona nianatra ianao an!
Oay aa ! tsisy resaka oe fanatisme mahintsiny aloha ny ahy eee ! ny zavatra fantatro fotsiny dia zao ! izaho aloha dia tena anti tgv eee ! nefa azoko lazaina koa oe tsy pro ravalomanana koa aho saingy zao kosa an !!! raha samy mifidy ihany dia aleko lavitra maka an'i ravalomanana ary contre ny coup d'etat aho ! moa raha misy olona azo hapetraka eo hanolohana an'i ravalomanana dia harosoy aza oe jerevana zany eee ! mais tout de même pas question oe ny ekipan'ratsiraka sy ny arema no atao eo ! io aloha dia nièt !!!! ka raha samy manohana ihany dia aleko lavitra manohana an'i ravalomanana ary raha te hanala azy eo dia miandrasa ho vita ny mandat-ny fa tsy manao bodongerina sy terroriste oatrizao ee !!!

Misaotra an'i Noue,
Ny ahy aloha d tsy ekeko ny didy jadona
Za koa tsy tiako ny fakana fanjakana andalambe!
Tsy tiako ihany koa ny halabato (fraude électorale)
Ny nampalahelo ahy d tsoriko fa ireo d nataon'i Marc Ravalomanana daholo.
Tsy nanaiky nanao fihodinana faharoa izy t@ 2001
Didy jadona ny nibaikoany ny minisitra hividy ny fiaramanidina satria tadidio fa tsy nodébloquen'ny FMI ilay 35 millions de Dollars raha tsy nahita fanazavana ny fomba handoavany an'ilay fiaramanidina i Ravalomanana.
Ny halabato d mampalahelo satria any ambanivohitra be any d ny AREMA no nivadika ho TIM d lasa mpangalabato.
ZA koa tonga d tsoriko fa tsy mila Ratsiraka sy ny Arema.
Tsy mila AVI sy Ratsirahonana.
Tsy mila AKFM sy Andriamanjato
ary Tsy mila TIM sy Ravalomanana
Pr Zafy ohatrany mety kanefa ohatrany mitavozavoza sady tsy mazava saina.
MFM reveko ny fomba fijeriny t@ ireny taona 1991 ireny fa efa antitra loatra ilay mpitarika ka mila ovaina.
i Andry Rajoelina mbola kely loatra sady tsy manana traik'efa d mitovy aminay ihany tokony mbola mandinika aloha kanefa moa efa tafiditra eo nedala d ny hirariako hahita fika nedala haniliana an'ireo goaika antitra ireo.
Ny olana kosa anefa aloha ry Noue d lazaiko fa tsy mbola nizaka ny mafy tahaka ny nahazoanay t@ ity fitondran'i Ravalomanana ity izahay araka ny fitantaran'ny ray amandreny satria aleo hazava fa tambanivohitra tsy mba manao politika sady tsy hoe manankarena be an! fa ny tany kosa aloha d io no lova navelan'ny razana ho anay d ampitomboinay araka izay azo atao @ iny faritr'i vakin'ankaratra iny izahay fa tena nanaovan'ny TIKO antsonjay é!
Na izany aza anefa d za tsy maniry ny tsy hiverenan'i Ravalomanana eo @ toerana fa iriko kosa mba hiova ny fanaony.
11. fijo ( 25/03/2009 21:23)
oay an,mbola tany lada aho tamin'ilay fitokanana teo ambohijatovo,ary tsaroako tsara ilay nolazain'i andry hoe"tsy misy faninganam panjakana hoatao eto.fa fitakiana no atao"nefa inona no tena tetika.iny asabotsy iny aho mbola pro tgv.fa vao nilaza hoe "vonona aho handray ny tetezamita"dia hoy aho hoe tsy aradalan aizany ka hialao pas fa hivadika biby.izao tokoa ny valiny.vahoaka nomanome ,vahoaka no manala
12. Oay ( 26/03/2009 16:41)
fijo:

Fijo a! tsy misy fika azo natao nanalana an'i Marc Ravalomanana teo hafa tsy iny nataon'i Zoky Andry Rajoelina iny eny fa na d tsy ankasitrahako aza ilay fomba natao fa kosa la fin justifie les moyens.
Fa ny manaraka izao d hoe ahoana ny fika atao hanilihana an'ireto goaika antitra mpanimba tanindrazana ireto,
Olona efa manao poha ozy ny any aminay izay!
Tokony fakana hevitra ny anjaran'ireo fa tsy mbola ireo koa no hitady toerana eo klé!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0529