Aza mifanendrikendrika rehefa voky ronono an-t...

1. essera ( 25/03/2009 13:56)
Tantara tena marina fa tsy noforonina na notaterina.

Mba nahatsikaiky ahy ilay hevitra natsipin\'ny am lé oé \"tsy mahatanty demokrasia ny tgv.\"

Tsy azo atao kosa angamba ny tonga dia miteny avec conviction an\'izany. Vao manomboka leroa ny lanonana na ny avy amin\'ny andaniny na ny ankilany.

Omeko tantara iray ianareo fa tsy tantarain\'olona, tantara tena marina ary tena nisy nandritra ireny fandrobana ireny.

Teo amin\'ny tanana iray miala km vitsivitsy ny Tana ville mianatsimo dia nandeha ny fandrobana tao amin\'ny magro, france pub, jumbo score. Ny maire eny dia TIM ary azo atao hoe tena mamy hoditra tamin\'ny vahoaka teny ary tena nanao zavatra fa tsy hoe \"tsy mitovy tadin-dokanga\" tamin\'ny tena dia omena ny \"alako bika tsy tiko tarehy\".

Ny mahagaga dia ireto andian-jatovo TIM rehetra ireto indray tompoko no tena tompon\'antoka goavana tamin\'ireny fandrobana ireny (iray quartier ireo ary tena tontakely ikoizana eny amin\'ny tanàna). Ny masoko izao no nahita fa tsy notaterina tamiko akory. Miandry fotsiny ry zalah ny barrage apetraky ny tena ANDRIMASOM-POKONOLONA dia ndao fa ampiany koa iny dia iny izy no mamely ny \"IO IO IO IO IO IO (mihorakoraka io). Dia vita ... ny tantara... Maty aho re razako...

Dia miditra daholo mibata izay zakany na ny TIM, na AKFM na MFM, na ry satrobory n\'iza n\'iza, eny fa na dia ireo andrimasom-pokonolona tratran\'ny fakam-panahy aza. (sic)

Ireo ankizy voalaza teo ambony ireo ihany koa no niaro ny commune tao amin\'io faritra io raha saika nisy handoro.

Ny iray tanàna tompoko dia mahafantatra an\'io zavatra io fa tsy hoe izaho mitantara ihany. Eny na dia ny quartier misy an\'zareo dia ireo hitanao varotana tsy amin\'ahiahy ny entana voaroba fa sarotra ny hiady amin\'ny olona toy izany satria tsy iray fa tena andiany amam-polony maro ireo... Ianao indray ve sanatria no hody hariva ka ho tratran\'ny loniloniny eo ? Ialako lavitra.


Voalohany, raha fehezina izany dia tsy azonao atao ny miteny hoe i TIM na TGV no nandroba teo na nanakorontana teo fa rehefa entin\'ny fahantrana dia tsy miraharaha fa ny tolona tohizana ihany avy eo rehefa vita ny ataony.

Faharoan\'izany, efa avo lenta ny an\'ny mpampiasa vola ka azo atao koa ange ny mieritreritra hoe ianao ihany no manakarama olona higafy ny anao mba hanasoketana ny hafa e (efa hatramin\'ny fanjanahan-tany io). Ary na ny ankabeazan\'ny olona tena manao amin\'ny fo aza tsy mahafantatra fa tonga dia hitsara hoe avy amin\'ny fahavalontsika ireny.

Ho an\'izay nanaraka tamin\'ny MATV dia nahita santionany angamba tamin\'ilay tovolahy efatra notifirin\'ny mpiambina ny magro. Tena tsy tia \"V\" ireny fa tsy nahalala oniny koa tamin\'ny fandrobana dia mbola niverina tao amin\'ny magro indray.


Ao ve, tout est possible ?


novalian'i fijo ny 25/03/2009 21:43
2. andrywui ( 25/03/2009 14:06)
Ka izay anie no namporisihako teo ny F.O oe tifiro mihitsy zay tratranareo mandroba any ry miaramila a !satria rehefa nojerena sy nofantarina daholo ny faty hita de na izy manana karatra Tim na mpitarika madinika tao amin Tim no ankabeazany ! toko faly ery ah tamireny ry zalah tato nihidakidaka tato reny oe ts fantatry ry zalah reto mants oa fa TIM aby anie no ankabetsahanreo goaka V reo e !
3. Oay ( 25/03/2009 14:07)
Essera ohatrany diso mazava loatra klé!
4. essera ( 25/03/2009 14:18)
Tena marina ange ltia ry Andrywui sy Oay io resaka io :

Hitan'lisan zany hoe :
- Ity ny maire reventsika eto am tanana arovana, na ny tenanay manana firohana hafa aza. Satria tsy faute-ny fa an'ny dada ihany fa izy nanao zavatra ary tsy nahitana fanakianana teo amin'ny tanana, na dia efa nisy afera saika nahapotika azy izay ihany aza.

- Ny commune teo amin'ny tanana : efa vita nilay be ka narovanay tanteraka, samy miaraka eo na tim na tgv e.

- Fa teo amlé fandrobana no tena napmé fa tsy nety daholo ny pronostic. Kôfa TIM be izao no tonga dia hitanao "gbà gbà gbà ny vavahady horobaina". Rehefa avy eo, mpinamana daholo ry zalah na TIM na TGV, na arema, n'inon'inona rehefa ankolafy politika, miloloha izay zaka.

Fanampiny, nisy hatramin'ny vazaha ange nibata tao amin'ny courts. Marina io a. Tsy fanitarana.

Izay mba nanana conscience sisa no nandeha nody. Raha amiko mantsy olona mba mitady koa aho ohatran'ireo voaroba ka tsy mety raha hivaly amin'ny taranako.
5. fijo ( 25/03/2009 21:43)
ny fandrobana ,na tim na tgv no manao azy dia ratsy ary tokony hialana.fa ny demokrasia kosa,dia ny vahoak aio.ka izao ny vahoaka no mihetsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2565