vady sy rafozana, ahoana no ataoko?

1. anatiko ( 25/03/2009 11:49)
bjr
hijanona aty France indray ilay rafozako (vacances 3 mois tao @y), nangataka taratasy hitsabo tena izy, mbola tsy sûr fa plus ou moins izany.
nanadany 600€ zahay t@ty volana ity fa nanao examens médicaux betsaka izy anisany cardio, nefa tsy marary fo akory fa ny poumon-ny no sûr fa marary.

Kikina zahay izao, na gasoil andehanako hiasa aza tsy misy (70kms ny trano ny asa)
anniversaire-janakay @ty semaine ty, maina be
mbola hanao examen ORL sisa dia miankina @io ny valiny préfécture.

Namangy ny cousine-ko zahay il y a 2 semaine, za matory dia izy mianka sy ny cousine-ko no teo, hoy izy mantsy lay cousine-ko "Ity zanako, sady vadiko, no anadahiko, raha tsy teo izy dia tsy tonga taty aho"
namaly cousine-ko hoe "tsy izy irery fa raha tsy taty cousine-ko nanafatra azy dia tsy avy taty izy"
tena mampalahelo ahy mihitsy, fa ny ramoseako angamba tsy milaza aminy fa na ny hébèrgement-ny mamany tsy vita raha tsy nisy ny CIN-ko, dia ny frais koa, raha tsy nanaiky aho dia tsy tonga anie izy e!
tena tsy misaina ny olona
za moa tsy miteny, fa miandry ny marina sy ny rariny eto.

Nandritra izay 3mois izay, dia tsy nandingana ny porte ny tranony RAR-ko ny ramoseako
Ny zanako saika mba andeha hanao vakans any @zokinay (manana zaza mitovy taona @ny anay), dia nolaizainy ramatoa hoe, AAA, tsy mandeha indry raha tsy lasa aho, tena mampalhelo ahy mihitsy ny ataondry zareo

Ahoana reto no ataoko?
za zao sahirana @ fianarako ka mody alina foana, lazaindrangahy fa mampirafy azy moa aho, nefa tsy misy an'izany akory, dia matetika mitsikilo ahy any am-miasana zareo.

izaho mba manentana ny vadiko hanagom-bola hiatrehana ny ho avin-janakay, nefa tsy ahoany izany, ka io no tena mankaleo ahy satria ny havany no ampiany toy izay mijery ny zanany.

Ramoseako, hividy ordinateur portable ho an-jandriny, (caméscope numérique, téléphone efa voavidy ho ani mamany)

za koa anie mba maman-jandry tokony ampiana e, sady miaina @ boursekely, sady mila ividianana ordi koa, fa ramoseako tsy mieritreritra izany akory, tena tia tena be ry zareo.
rhf mba miteny azy aho, dia lazainy fa aty daholo ny havanao afaka manampy, nefa dada sy mama aza chomeurs daholo

ka ny rafozako io, te hifaninana @RAR-ko aty, nefa ireo anie tsy manana akory e

vonona ny hiala aho raha toa ka tsy miova izy (ramoseako)

za miasa fa kely karama za fa apprentissage

ampio re aho, fa tsy hitako izay ato a

misaotra anareo
2. xxx ( 25/03/2009 12:38)
tokatrano fiafiana akia a!
3. karinah ( 25/03/2009 13:22)
Bjr! mbola resaka fitantanam-bola anie izany no olana eoa aminareo mivady e! ka izany ve de atao ampisaraka anareo?? izao indray atao: ny karamanao ikarakarao ny havanao izay tokonyhampiana, dia ny dépenses ao antokantrano avelao ho anazy, adidiny izany, rehefa tsy mety amin'izay izy dia asio carte sur table!! izay ny tena tsara ny mifampiresaka, de lazao eo daholo ny ataon-dry zareo, sy izay rehetra tsy tantinao, ny tsy fahatokisandreo sns eee.
mahereza. :-*
4. xxx ( 25/03/2009 14:05)
chapitre 3 ?
5. soanja ( 25/03/2009 15:04)
Ny fanambadiana ry Anatiko dia miatomboka voalohany foana amin'olon-droa: ianao sy ny vadinao. Raha tsy misy fifampiresahana eo ka tsy nahita/nisy fifandaminana mitondra fifankatiavana eo anivon'izany dia zava-poana avokoa ny rehetra.
Tsy ny rafozanao ny olanao hitako fa ny fanambadianao. Io aloha imasoana ny hanatsarana azy. Diniho akaiky hoe mbola tia ahy ve ny vadiko? maneho fitiavana feno ahy ve ny vadiko? Mikarakara ny fiainako sy ny zanako ary ny tokatranonay ve ny vadiko? inona avy ireo hetsika sy fankasitrahana vitako manoloana izany? Manam-potoana laniana amin'ny vadiko ve aho? inona no ataonay mitsam amin'ny fanatsarana fiainan'ny zanakay? Inona no fanabezana hatomboko ato an-tokatrano hanome filaminana sy fitoniana ho anay rehetra? Inona no tanjonay ato antrano?

Rehefa voavaly ireo fanontaniana ireo dia afaka mijery ny zanatohatra manaraka ianao dia ny fifandraisana amin'ny fianakaviana.

Alaivo tsiraidray ary ataovy misesy fa tsy alaina indray maka daholo.

Mila mitia ny tenanao ianao vao afaka hitia ny hafa. Misy tahotra ao aminao? io tahotra io no farito ho inona tokoa ary fantaro ny loharanony.

Mahereza hatrany. Soanja
6. ikaretsaka ( 25/03/2009 23:28)
te hanambady eo fa!
io le hoe ny hovadiana betsaka fa ny ho rafozanina no tantara e
7. tafondro ( 26/03/2009 01:22)
Amin' ny saina tsy miangatra no handraiso fanapahan- kevitra Anatiko.
8. ari.malala ( 26/03/2009 09:36)
ikaretsaka:

te hanambady eo fa!
io le hoe ny hovadiana betsaka fa ny ho rafozanina no tantara e



8O andray!!! :? ty ika ty!!!!!
9. Mirananirina ( 26/03/2009 11:01)
Raha tiana ny vady ;ny rafozana no tsinjovi-mandeha.Hafaro koa ny reninao dia vita ,aleo samy ao izy 2,izay tsy mahatanty miala.
10. xxx ( 26/03/2009 11:06)
Mirananirina:

Raha tiana ny vady ;ny rafozana no tsinjovi-mandeha.Hafaro koa ny reninao dia vita ,aleo samy ao izy 2,izay tsy mahatanty miala.



Mety ho i anatiko no miala voalohany raha izao fandehany izao :-)
11. anatiko ( 26/03/2009 13:54)
vao avy niresak t@ aho teo, dia nilaza izy hoe "za tia tena sy halako ny mamany",
novaliako moa izay hoe, raha tsy nanome ny karapanondroko aho dia tsy vita akory na ny hébèrgement mamany, ka raha tsy tiako izy dia vitako ny tsy nahatongavany aty
namaly izy hoe"tokony tsy nomeko"

rahariva moa izahay miresaka ka ampio aho @ fomba anazavako azy ireo
12. rasobakobako ( 08/04/2009 14:56)
Ny fifandraisana eo @ vinanto sy rafozana dia tsy fitiavana fa fifanajana, tsy forcée na izy na ianao hitia ny andaniny sy ny ankilany.
Tsy tian'ny lehilahy ny fanaratsiana ny RAR na dia hita izao aza fa diso ny azy. Mila diplomatie ny firesahana amin'ny vady (aza mihomehy nareo a!), tsy hoe mihatsaravelatsihy. Omeko ohatra ianao :
Nividianan'ny vadinao appareil photo ho an'ny reniny ny vola tokony hataonao gasoil hiasana dia hoy ianao, raha Rakoto ny anaran'ilay vadinao :
- Rakoto a! tena marikoriko ahy nareo mianakavy fa tia tena ny reninao, zao aho tsy manana gasoil, sns ...
na hoe
- Chéri a! andao aho atero, na Chéri a! omeo vola aho ataoko gasoil

tsy maintsy hanontany izy hoe inona no antony ? sns
Dia mi-discuter nareo,

Ny ahy aloha dia izany no ataoko, ny vokany dia izao, ny vadiko ihany no tonga saina hoe ratsy loha ny RARniny, rehefa sendra misy fifanolanana, dia miaro ahy foana ny vadiko, satria aho hitany hoe tsy manaratsy an'ny RAR niny, rehefa mitaraina aminy aho dia henoiny tsara, dia pour ahy foana izy. Tsy midika akory hoe tsy mivazavaza aho, fa aleoko any amin'ny neninay, na zandrinay no mivazavaza, fa ampahendrena no iresahako amin'ny vadiko

Noho izany, mbà fetsy e! tsy hoe fetsy ratsy, tokony ho consciente koa ianao fa tsy maintsy mifankatia izy mianaka, fa ataovy izay itiavany anao koa e! sasanangy samy hafa mantsy ny fitiavana ny RAR sy ny vady , fa tsy hoe rehefa tiany ny RAR dia very seza ianao, samy tiany ianareo. Fa amboary ny fomba fitondranao azy, tadidio fa ny lahy no lohan'ny vavy e! atao ahoana fa isika vehivavy, AZA MISARAKA, TSY SOLUTION IZANY.
13. xxx ( 09/04/2009 09:19)
rasobakobako:

Ny fifandraisana eo @ vinanto sy rafozana dia tsy fitiavana fa fifanajana, tsy forcée na izy na ianao hitia ny andaniny sy ny ankilany.



Miombo-kevitra tanteraka aminao ! Izaho izao tsy hoe tia ny rafozako na koa mankahala azy, fa manaja azy ary manao ny adidiko aminy araka izay azoko atao. Milamina izahay rehetra


14. rasobakobako ( 14/04/2009 13:28)
Hoy xxx :
"ary manao ny adidiko aminy araka izay azoko atao"

Marina ny an'i xxx, misy ny RAR na rafozana toy ny ahy, ry zareo indray no manampy anay, eny fa na @ fotoana tsy mahasahirana anay aza, dia tiandry zareo ny manome zavatra anay : entana, écolage ankizy, akanjo, sns e!
zahay izany zatra omena. T@ zahay mbola nipetraka tao amindry RAR na dia efa niasa aza dia tsy nakany vola mihitsy.
Fa misy ny RAR sasany, tia maka valimbabena, dia toy izany ny rafozanao. Tsy tiako aloha ny toetrany saingy raha tianao ny vadinao dia ekeo hoe manana défaut ny rafozanao. Ary tsy hahaova azy velively ianao. Izay no ilàna teknika kely, ataovy ny anao foana no tonga aloha, ohatra hoe manambola ianao tonga dia ividiano izay zavatra tsy ampy ao aminareo, tsisy omena azy amin'izay fa rehefa mangataka izy dia teneno hoe "e! efa lany", raha manao économie nareo ataovy compte bloqué. Miareta kely aloha mandram-pandehany dia ataovy ankolaka izay tsy ahatongavany ao aminareo intsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0603