Atao inona ny Jeneraly ho baikon'ny ambaniny izany ?
1. penguin
(
25/03/2009 10:24)
Voalaza hoe voavidy vola daholo ny Jeneraly rehetra ary tsy nizara ka izay no tsy nankatoavan'ny ambaniny azy. Nampalahelo mihintsy aza satria hatramin'ny sous-officiers avy no maniraka ny Jeneraly miaraka amin'ny fandrahonana. Koa raha tena voavidy vola ireo maninona no tsy roahana daholo fa lazaina ho zoky ary hatao handray karama fotsiny vé izany ? Ny Jeneraly izany lasa sahalan'ny voninahitra ka na filoham-pokotany aza mety ho Grand Officier vé ? Ary tsy tokony hisy Jeneraly tokoa vé izany fa nanao ny tsy nety avokoa ry zalahy ka tsy ho jenerany haingana ary vé io CEMGAM io ? Ho hitany koa izany tonga amin'ity hoe Jeneraly tsisy varany. Ny fidirana amin'ny politika no tena anton'io ?
novalian'i Harinavalona ny 25/03/2009 19:47
2. karavasy
(
25/03/2009 10:43)
Général sans Soldat moa inona no filaza azy ? Noho izany ny apombo no mitarika sy milaza manana ny fahaizamanao. Raha izaho aza dia mety ho tsara raha sergent no atao CEMGAM. Mandroso aingana manaraka ny fitsoriakan'ny TGV.
3. rabaradaka
(
25/03/2009 10:50)
Atao inona ny Jeneraly ? Ho an'ny tanindrazana ry dadatoa ! Zany ko ve tsy hainareo e ! Fa ny loza dia ity, i TGV sy Ndriarijaona ange ka miady izao e, dia zay ve homena ny Jeneraly ny seza, tokony tsy hanaiky ny Jeneraly afatsy Ramakavelo
4. karavasy
(
25/03/2009 11:00)
Ny jeneraly ilaina fa fanontaniana fitaka no napetrany ary tsy azonao razoky. Sa jeneraly retirety no mety, hihihihi
5. saranga
(
25/03/2009 11:37)
Amiko nama tsy Général digne d'un Général ireo satria mpamadika daholo. Raha tena miaina ilay filamatra hoe "an'ny tanindrazana" izy ireo dia tsy nomena an'ny TGV ny fahefana na dia nihatra amin'ny fahafatesana aza. Sa aleo omena an'i Ramakavelo
6. penguin
(
25/03/2009 12:54)
Ka tsy asiana Jeneraly ntsony ary vé fa alefa retirety daholo ry zalahy dia ajanona kolonely ny farany ambony fa samy grady tsy nandia gerrra, gerrra. Hahahaha. Mampitahotra ny sasany ny grady azo tamin'ny sarin'ady.
7. Andribe
(
25/03/2009 13:24)
zao no hoe baiko miakatra fa tsy baiko midina intsony zany an =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
8. karavasy
(
25/03/2009 14:50)
Zany rehefa be grady tamin'ny risoriso ko. Baikon'ny ambaniny fa tsy nihanan'nem sahala ilay iray akory an. hehehehe
9. Harinavalona
(
25/03/2009 19:47)
Valiny taratasy ho any Jeneraly Ramakavelo
Araka ny lahatsoratra nataon’nyJeneraly Ramakavelo momban’ny Foloalindahy izay novelabelariny tamin’ny SeFaFi dia maro ny hevitra tsy dia mitombona loatra.
Alohan’ny hanazavana izany anefa dia tsara raha mba fantatsika ny momba io Jeneraly mpanoratra io. Nivoaka avy any St Cyr izy. Raha ny sehatra niasany teo amin’ny tafika malagasy angamba dia vitsy ihany( Ecole des cadres, 2eme Bureau EM ary niaradia tamin’ny Cl Ratsimandrava). Tsy dia nifanerasera firy tamin’ny miaramila izy na dia izy ministrin’ny Fiarovam-pirenena aza.
Ny mivadibadika toa ireo mpanao politika Malagasy no tena hainy. Mbetika izy manohana an’Ingahy Zafy Albert, mbetika izy toa miaraka amin’Andry Rajoelina. Ary tamin’ireny fitadiavana ny hevitra hivoahana ny krizy ireny, toa tsy anisan’ireo 3 lahy nisolontena andRajoelina akory izy nefa tonga nisolantsolana toa ny vinanto tsy mahare fosa teny Antanimena , nandray anjara. (Avy eo izy vao lasa solontena raikitra)
Inona moa no nolazainy?
Milaza izy faha misy fahadisoan-kevitra tanteraka ny fandraisan’ny filohampirenena ny maha filoha faratampon’ny foloalindahy azy. Ohatra omeny:
Eo amin’ny fanendrena ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny foloalindahy dia tsy voahaja ny fahelana amin’ny laharamboninahitra (ancienneté dans le grade). Ny CEMGAM; na ny Komandin’ny zandarmaria angamba no tiany tenenina. Ireo toerana ireo dia Haut Emploi de l’Etat ary ankoatra ny fahaizana manokana dia olona azo antokin’ny filoha,pirenena ( homme de confiance) no mitana ireny. Anjaran’ny Chef Supreme no misafidy ny olona izay heveriny hitondra ny Tafika Malagasy araka ny Politique de défense nomeny. Fomba eran-tany io. Tsy izay “ ancien en grade” foana no tsy maintsy CEMGAM na Komandin’ny zandarmaria.
Eo amin’ny fampisondrotana laharamboninahitra dia “pouvoir régalien”an’ny filohampirenena ny fampisondrotana eo amin’ny laharamboninahitra indrindra ny Jeneraly. Toa ny fanendrena ny CEMGAM, dia andraikitry ny filoha samy irery izany. Manao ny travaux d’avancement no anjaran’ny ambaratonga samy hafa fa ny Filoha no misafidy amin’ireo natolotra.
Ny fanatrehan’ny filoham-pirenena hatrany ny lanonam-pamindram-pahefana eo amin’ireo tompon’andraikitra ambon’ny filohalindahy dia zoany. Io no fotoana hafahany mba mifanerasera ary mahalala ireo manamboninahitra ny folohalindahy izay izy no manao sonia ary mamoaka ny decret fanondrotana ny laharamboninahiny na manendry azy.
Eo amin’ny fanantontosana ny andraikitra fitandrona filaminam-bahoaka dia tsy mahazo mitana fitaovam-piadina izy ireo.
Misy ambaratongany ny fitandroana ny filaminam-bahoaka
1) Service d’ordre
2) Maintien de l’ordre
3) Rétablissement de l’ordre
Ny 2 voalohany dia tokony zandary sy ny polisy no manao izany satria izy ireo no nianatra ary mahalala ny lalàna mifehy izany. Izy ireo ihany koa no manana ny fitaovana arifomba fitandremana ny fandriampalemana. Ny tomponandraikitra mifehy ny mpitandro ny filaminana amin’ireo dia ny Zandary foana.
Ny rétablissement de l’ordre publique kosa dia mazava ny texte mifehy azy. Mahazo mampiasa fitaovam-piadina ny mpitandro filaminana ary mandray anjara ny miaramila. Manamboninahitry ny tafika no lehibeny.
Na tiana na tsy tiana dia herimpamoretana foana ny folohalindahy. Na iza na iza no mitondra ny firenena dia tsy maintsy mila ny foloalindahy izy. Tsy ianao Jeneraly be io indray no hanaratsy ny folohalindahy ho mpamono olona.
Ny fampisana vahiny teo amin’ny tafika dia efa nisy foana. Ahoana hoy ianao amin’ireo manambonihitra frantsay miasa eo anivon’ny tafika sy zandary ary manao mihitsy fanamiana Malagasy?
Ny mahatonga ny tsy fanarahana baiko dia ny fidiran’ny politika teo anivon’ny manambonoinahitra lefitra.
Ny fanafodiny dia ny mandray andraikitra ny mpitondra ary manasazy ireo mihaompefy. Sazy tokony ho enjana dia enjana no ampiarina amin’izany ho hanatra ho an’ny rehetra