Izahay Eto Antsirabe

1. JR2 ( 25/03/2009 09:05)
Nanomboka nanao fanehoan-kevitra izahay mpiaro an-dRa8 eto Bira androany ary hita fa nahavory olona noho ireo roa tonta milaza fa mpandala ny demokrasia. Ny fandrom-bahana seza ataon-ndRamerci ao @ kaomina no tena natao resaka tao. Dia naravona hoe tsy voa fidim-bahoaka izy telo lahy ireo fa mampihantra ny fanaon'ny TGV sy ny CAPSAT
novalian'i fijo ny 25/03/2009 23:03
2. ifiona ( 25/03/2009 09:08)
dia faly miarahaba anareo any Bira any ooooooo

arovy ny tanindrazana, sahia mijoro haneho ny safidinareo zay nohitsakitsahin'ireo tgv
3. essera ( 25/03/2009 09:10)
Tena nareo ao Antsirabe marina aloha nareo a.

Ary ahoana ry sé zan hoe tena faly dia faly ny tantsaha fa mba hiakatra ny vidin'ny ronono fa tsy ho tratran'ny ampihimamba terenkomasaka izany amin'ny fakan'ny orinasa mpamokatra produit laitier ao izany.

Ny henoko farany izao fa tsy haiko izay fahamarinana dia saika ho lasa ambongadiny hatramin'ny mponina Antsirabe raha nitohy ny fitondrana teo aloha satria ao ny tena foiben'ny Groupe Tiko amin'ny famokarana.

Ny tany Ambatondrazaka iny mantsy dia efa maniry dia maniry ny mba hiverenan'ny taniny aminy fa varoboba loatra no tratran'ny tsindrio fa lavo hono. Izay koa mbola tsy haiko marina.

Fa mankahery anareo aloha mba ho maro kokoa noho ny ao ny olona amin'ny izao tena fametrahana ny DEMOKRASIA izao.
4. rabaradaka ( 25/03/2009 10:46)
I RaMerci sy Paul Razanakolona no tena ratsy ao Antsirabe. Henonay fa miady seza ho chef de région mafy i Paul, dia hoy zahay hoe olona tsy alehany sady gadra lava ireny ve hitondra firenena sa hangalatra fotsiny. Mba mandiniha ry Gasy fa tena ataon'ny olona hoe Tena Giazana ny Vahoana (TGV)
5. xxx ( 25/03/2009 11:03)
essera:



Ary ahoana ry sé zan hoe tena faly dia faly ny tantsaha fa mba hiakatra ny vidin'ny ronono fa tsy ho tratran'ny ampihimamba terenkomasaka izany amin'ny fakan'ny orinasa mpamokatra produit laitier ao izany.




Vao hoe HIakatra izany, tsy hita hoe aiza izay porofo, @ izao aloha mbola midina aza no misy :-(

6. rabaradaka ( 25/03/2009 11:15)
Izahay vahoakan'i Bira dia tsy mankasitraka ny loham-boton'i Paul sy RaMerci
7. Noue ( 25/03/2009 11:24)
tena ambianse be hono ny any @ nareo any ee! milay be ka !!!

Grande manifestation anti-Rajoelina et pro-Ravalomanana à Antsirabe. (Photos à venir)

Les pro-Ravalomanana et anti-Rajoelina se mobilisent à Antsirabe pour dénoncer le “coup d’Etat” d’Andry Rajoelina de la semaine dernière. “La foule est venue nombreuse sans aucune organisation. Aucune animation mais juste la sono pour danser” déclare un internaute sur place.
=D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D>
8. saranga ( 25/03/2009 11:43)
Zao nama, zaho koa avy ao Bira ary tena mankasitra ny hisamborana an'i Paul Razanakolona sy RaMerci fa ho potika ange ny tanàna e ! Ireo roa lahy ireo no tena ratsy sy mpanimba zavatra satria samy jiolahim-boto
9. a256011 ( 25/03/2009 11:59)
Fa midina sa miakatra no tsara e?
Akarina ny vidin-javatra, mimenomenona ny mpanjifa, ampidinina mimenomenona ny mpamokatra (Na vidim-bary io na vidin-dronono). Fa ny tsapako aloha : dia tsy misy ohatra ny milamina ihany, ary ny tenanao ihany no ahavonjy anao (sy Andriamanitra raha toa ka mino ianao). ny tiako lazaina @ ilay hoe milamina : misy daholo ny zavatra ilaina an-davan\'andro na dia mety ho LAFO AZA, manaraka ny ara-dàlana avokoa ny ankamaroan\'ny olona. Fa rehefa tsy takatry ny volan-tsika ny vidin\'entana iza moa no hividy azy eo? tsy ho lo fotsiny eo ve? Ary raha mora loatra, iza intsony no hamokatra eo? Tsy mba aleony mitady lalana hafa indray.
Fa na t@ fotoana lasa, na @ izao fotoana izao ny fahasahiranana dia nisy, misy ary hisy foana. Fa ny an-tsika moa t@ ity indray mitoraka ity nisafidy manokana ny HILENTIKA LALINA. Dia mino sy mieritreritra ve isika rehetra fa niongana iny RAVALOMANANA, dia hitondra fiadanàna ho an-tsika i ANDRY TGV dia hahita asa sahaza azy avy ny MPANGATAKA, sy ny tsy an\'ASA, dia hitombo ny olona miasa? Sa andramana havadika indray ny tantara ka ny manan\'asa indray aloha mijanona hidiran\'ny tsy manana, ny Kaporaly indray no asaina mibaiko ny Zeneraly, ny mahantra indray andramana mba OMENA harena (fandrombana) mba ho tantanany ka ny mpanakarena ho dorana avokoa ny fananany mba haka ny toeran\'ilay mahantra? Afaka mitsara eny andalam-be ny olona rehetra, ka ny mpitsara manaraka izay tiana atao fotsiny? Ny zandriny indrindra no hananatra ny olon-dehibe, sy hitondra?
DIA HO HITANTSIKA MANOMBOKA ETO ARY NY HO TOHIN\'NY TANTARA. Misy fanandramana vaovao VITA GASY indray eto an-tany, ka NY FILOHA HAJAINA Andry Rajoelina no hiandraikitra izany, ny vahoaka Malagasy no COBAYE ary aty MADAGASCAR no atao. Enga anie ka mba ho tsara ny vokatr\'izany FANANDRAMANA IZANY. Dia mazotoa daholo.
10. essera ( 25/03/2009 12:19)
Ho an'i a256011 :

Izao ilay fandehany ilay hoe ilaina ny miakatra sa ny midina. Kajy tsotsotra :

Oh :

Eny amin'ny tantsaha alaina : 400 Ar ny kapoaka.
Amidin'ny collecteur aty amin'ny client final : 1500 Ar.
Tombony : 1100 Ar

Izy ihany no afaka mametra ny vidin'ny entana.

Raha miakatra ny vidin'ny ronono 600 Ar ny kapoaka ka tsy manararaotra ny collecteur dia azony varotana 800 Ar ny kapoaka aty amin'ny client final.

voavaly ve ilay fanontanianao hoe miakatra sa midina no mahasoa.

Na ny mpamokatra na ny client final dia mizaka ny tsy eran'ny aina anaovan'ny mpanao ampihimamba ny tsena eto amintsika.

Tsy afaka manadio tena amin'izany ny olona sasany izay efa nampiharihary an'io toetra mamoehatra io.

Lesona azo tsoahina : rehefa monopoliser-nao ny entana iray dia ianao no mametra ny vidiny izay tianao anaovana azy ary tsy avelanao kitikitihin'iza n'iza io fa tonga dia migadra.

11. bozyboleta ( 25/03/2009 13:02)
Ary marina ve fa tapaka lalandra ra-merci??
le paul razanakolona koa aloha tena fatritran\'olona faikam-boto e. Tsy sahy mody aty Andranovelona na Ambohitrarahaba intsony na ny vady aman-janany aza fa tsy mahajery olona.

Raha miakatra ny vidin\'ny ronono 600 Ar ny kapoaka ka tsy manararaotra ny collecteur dia azony varotana 800 Ar ny kapoaka aty amin\'ny client final.
:roll: :roll:
Kay ve amidy @ kapoaka koa ny ronono e! Ary tsy naharaka koa zay zany an! :-D :-D :-D
Ny henoko farany zao dia ariana fotsiny ny ronono any Antsirabe fa tsisy mpividy. Mampalahelo. Tsy aleo ve angonina omena an\'le keliendaka tgv iny mba hampitombotombo azy fa jereo ty izy. Soa fa efa tsisy cyclone intsony fa zakan\'ny rivotra iny marina mafy.
12. Bazily ( 25/03/2009 13:32)
Tsy aleo ve angonina omena an'le keliendaka tgv iny mba hampitombotombo azy fa jereo ty izy. Soa fa efa tsisy cyclone intsony fa zakan'ny rivotra iny marina mafy.
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
13. Andribe ( 25/03/2009 13:39)
tandremo aza ahodinareo ao eo koa ny thb an =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
ahodinay ny tgv raha misy manolana ao ny thb =)) =)) =)) =)) =)) =))
14. xxx ( 25/03/2009 14:04)
Zah mahafantatra olona mpiompy ombivavy be ronono ao Antsirabe , fa h@ zay nisian`ny krizy izay dia tsy lafo intsony ny rononony nefa mila terena isan`andro kenefa tsy misy mandray ary voatery ariana . Ohatrinona ny fatiantok`ilay olona izany raha araky ny hevitr`i Essera ? Mikatona i TIKO zao , firy ny isan`ny olona mananapy ny tsy an`asa ? Efa mba neritreretin`i TGV ve zany ? Mino aho fa tsy takatry ny sainy akory zany na koa odiana tsy hita satria tsy probleme-ny !!!
15. fijo ( 25/03/2009 23:03)
izya no tsy noheverin'ireo tgv ireo.ny olona very asa rehetra anie izao manohana ny mpomba ny aradalana e.izao no atao hoe mamono tena arapolitika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0568