raharahampivavahana

1. kabota ( 24/03/2009 12:21)
Miangavy anareo tena Kristiana izay manaiky an i Jesoa ho Tompo sy mpamomnjy mba hijoro vavolombelona fa tena latsaka ankaterena ny firenena amin ny ataon ny Kristiana
Fanompoana Sampy
Lainga
fampandriana adrisa
tandremo fa mbola ho tsaraina anie e
novalian'i kabota ny 27/03/2009 11:06
2. xxx ( 24/03/2009 12:30)
tsy anjaranao ny mitsara anizany, inona moa no atao hoe sampy? raha misy panjakaben-tany ve ao aminao de ho lazaiko hoe mpano)mpo sampy ianao? ary ny lohanomby haingotrano ao aminao, maro ny manana izany, mba madiniha ihany fa aza mitsolatsolana ohatrio :evil:
3. xxx ( 24/03/2009 12:59)
n'iza n'iza no eo am fitondrana, a Xna na tsia d tsy maintsy mandainga satria izay no politika.... ka sao dia heverinao fa ny fitondrana teo aloha no nanao an 'ireo fa tsarovy fa izay ho tonga eo d mitovy ihany!!! lol!!!!
4. Pilato ( 24/03/2009 13:12)
Aoka ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra !
ary ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara !

Ny olon'i Kaisara dia tena mitandrina tsara izay hananarana azy :
- Rehefa hamadika dia tsy mahazo mitondra elo mena (ohatra)
- Ny zanaky ny mpanao ody havandra tsy mahazo mihinana tongolo
- ...
dia tena manao daholo, ary tsy misy mandika lalàna mihitsy na iray aza !

fa ny olona mba hoe kristiana :
- Tsy mahazo misotro toaka nefa hoy izy : consommer avec modération !
- tokony ho maotina fihetsika hoy izy : any ampiangonana ihany
- tsy mahazo manompo sampy hoy izy : andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany .
- ...
tsy maintsy mahita andaharana foana, ary tsy mivaky loha fa mandika izay lalàna napetraka ho azy.
Tsy hoe manenji-dresy aho fa ingahy Ra8 aza fony izy nankalaza ny 12 desambra 2008 teny Iavoloha dia nanapoaka champagne nefa vice president-n'ny fiangonan-dehibe iray.
Ingahy TGV, le baron Barou, dia tratra tsara tam sary jereo eto http://malagasyaho.blogspot.com/ nanao dona miparita (tsy mendrika ny olon'Andriamanitra).

Fehiny : tsy misy kristiana ny malagasy fa misora-tena ho kristiana.
Ka aoka tsy hifanome tsiny.

Fa hoy mantsy Paoly tamin'ilay mpiambina saika hamono tena : Minoa an'i Jesoa Tompo ianao ( fa tsy ny mpitondra na ny pasitera na i dada na i neny)
dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao ( fa tsy ny mpitondra na ny pasitera na i dada na i neny).

Sarobabay ka ze voa aza tezitra.

Manasa tanana aho

Pilato, madio tanana
5. andrywui ( 24/03/2009 13:39)
Tena olona mahay manamboamboatra fanom-poantsampy sy demony mihitsy nareo!!

tsy anjaranao ny mitsara anizany, inona moa no atao hoe sampy? raha misy panjakaben-tany ve ao aminao de ho lazaiko hoe mpano)mpo sampy ianao? ary ny lohanomby haingotrano ao aminao, maro ny manana izany, mba madiniha ihany fa aza mitsolatsolana ohatrio


efa amantaona anie no efa nisy nilaza an'io osilahy io fa tsy oe vao teo amin'ny nahitana azy e !! ary aza ovaina koa fa LOHANOSILAHY LAY HITA TAO FA TSY LOHANOMBY (osilahy =symbole de satan / Zanak'ondry = symbole de Jesus Christ )vakio ny baiboly !! fa odiana tsy hay !! afinafenina nefa efa hita fa asan-demony be zao !! de mody mba hoe mbola mino anzany ve hianareo amzao andro zao éééééé !!! zao ééé!! rehefa tratra !!! angah misy mino anzany tsony !! sady raha nahery ny odiny maninona no mbola nataon'ny olona nihinana teo izy !! ny dikanzany tsy andairanzany tsony ny vahoaka !! ha ha ha! ha ! :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil:
6. ndenn ( 24/03/2009 14:34)
kabota:

Miangavy anareo tena Kristiana izay manaiky an i Jesoa ho Tompo sy mpamomnjy mba hijoro vavolombelona fa tena latsaka ankaterena ny firenena amin ny ataon ny Kristiana
Fanompoana Sampy
Lainga
fampandriana adrisa
tandremo fa mbola ho tsaraina anie e


Raha tena mijery ianao kabota dia tsiahivo fa maro ny tsy kristiana eto ambony tany .Ary tsy ilaozan' izany koa iDago ,tadidio fa ny finoana izany dia ao an-dohan' ny tsi 11 ,izay finoana tokoa fa misy ny herin' ny lanitra omnipresent ary omnipotent , ary jereo koa ny finoana sasany manerana ny tany toy ny vaudou ohatra , tsy dia mino ny fisian' ny être suprême ,fa mino kosa ny relativité universelle .Dia mbola eo ihany koa ny hindouisme sy ny boudhisme ary ny taoisme sy ny animisme , raiso @ izany ny fipetraky ny toe- draharaha . Afaka atao vé ny hifanaraka @ olona izay tsy manana hena maso na kely akory aza ny momba ny finoana kristiana hanananao ? raha ny fomba fisiany aza dia amin' izy ireo dia tsy mifandika velively @ fisainany ny mitonon- tena ho kristiana ,na dia fotoana voafetran' ny eritreriny aza izany .Ohatra ny silamo .

:oops: :oops:
7. Oay ( 24/03/2009 15:38)
Ndenn ohatrany efa mazava ihany ilay tian'i Kabota lazaina d ny hoe :"Miangavy anareo tena Kristiana izay manaiky an i Jesoa ho Tompo" ka raha ny fahazahoako izao teniny izao d tsy miantso hafa tsy izay mihevitena ho Krisitianina i Kabota.
D i Kabota ihany koa d afaka miteny an'i @ i Marc Ravalomanana satria i Marc Ravalomanana d Kristianina iringiriny raha tsy hoe misy afaka milaza ny mifanohitra amin'izany angah eto.
D ny resak'i Kabota ihany koa d ny eto Madagasikara fa tsy erantany.
8. KALACK ( 24/03/2009 16:17)
Ny tody tsy misy fa ny hatao no miverina
9. ndenn ( 24/03/2009 16:25)
Misy indro kely ny tenin' i Kabota ry Oay ,manoloana ilay hoe " tandremo fa mbola ho tsaraina anié e".
Ary ny zavatra tiako nasongadina dia izao ; misy anie olona hafa confession fa tsy kristiana ohatra ,nefa dia afaka misalotra izany finoana izany izy ireny fa tsy mifanipaka @ foto-pinoany velively .Ka raha miteny iKabota hoe "ianareo izay mahatsapa tena ho kristiana " ,dia fantaro fa ireny olona nolazaiko ireny dia afaka manora-tena ho kristiana koa , ary lazaiko an' i oay aza fa na ao M/car dia misy ny olona toa izany ary tsy vitsy .
"tandremo fa mbola ho tsaraina anie e" io dia mametraka olana ara- pinoana satria jereo fotsiny ny confession religieuse sasany ,toa ny silamo ; misy ny ataon' izy ireny ny hoe ADIT sy ny ZAKAT ohatra ,ny fampiharana ireo zavatra roa ireo dia @ olombelona tsy hakanavaka ao @ fiaraha-monina ,na silamo ianao na tsia , ary izany no mahatonga ny olana sy ady eran' izao tontolo izao indraindray .
Dia raiso @ izay koa ny fomban 'ny kristiana manoloana ny hafa finoana noho izy .
:roll: :roll:
10. tgvra8 ( 24/03/2009 16:38)
de ahoana zany izahay tsy mpino fa mino ny vola tsy mahazo mitondra fanjakana ve hadinonareo angaha ny hoe aza akambana ny fivavahana sy ny politika
aleonay manao politika sy milalao vola ary milalao ody

i tgv zao no manome ody sy vola de aleo tgv ary rehefa tonga ra8 ka manome vola de aleo ra8 :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
11. Oay ( 24/03/2009 16:57)
Ny fahazahoako anazy aloha d hoe tsy voakasika @ io resak'i Kabota io rehefa tsy Kristianina é!
12. kabota ( 27/03/2009 11:06)
Misaotra amin ny fanehoan kevitra fa ny resaka ataoko dia ho an ny kristiana ary misaotra an ny oay
Aza mihatsara velantsihy fa rehefa ota dia ota, mpamono olona dia mpamono olona
Aza atao kilalao ny fivavahana ary afangaro amin ny resaka politika Mahereza mivavaka daholo izay olona mamaky izao ho an ny firenena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.11