Tsy manaiky mitsy le pro ra8

1. shoooter ( 24/03/2009 04:40)
TSy manaiky mitsy le pro ra8 na dia efa fantatra aza fa tsy possible, tsisy miaramila hanaraka anazy tsony eo sady ra8 nge ka nanipy gans fa tsy niatrika hatramin'ny farany araka ny lokalokany teny iavoloha e. Milaza ny Tim oé nandroso madagasikara nanomboka tam 2002 nge ka 9000 fmg ny euro e amzao efa lasa 13 000fmg ny menaka nge ka 9 500 fmg e tam 2007 efa lasa 24 000 fmg ka asa na nandroso zany lalana 1500 km eran'i madagasikara ve no hilokalokana hoé tsara ra8 raha mpanao lalana maninona raha tsy niala tam frantsay satria ireny no tena nahavita lalana be indrindra teto noho izany aleo frantsay tam fanjanahantany saingy misy tsy rariny ao matoa ny olona mitolona de mahereza fa malalaka ny 13 mai aza kivy fa asivo korotana fotsiny de amzay tonga ny miaramila de vetivety ny tolona dia vita. :-D
novalian'i kalovavy ny 24/03/2009 15:03
2. xxx ( 24/03/2009 05:21)
vive alain andremiseza, ny anarany aza mo misy seza ko aiza no ahazo?? taiza lery t@ tim teo mahamasina. dikan'zany, hay votampi-bava koa t@reny fotoana reny. hay nila ny fisian'ny demokrasia? hay nila an'lay kianja iany??
vive constan raveloson, ngà moa mila midina an'andalambé iany é? hay moa ka mety rehefa ianareo no mampiasa ny kianja? zao zany lay oé "crise urbaine" io hoy ngahy marcel ranjeva? samy mahatadidy an'zay isika an!
vive le tim, hay moa zany ilay fanambarana tao @ gazety omaly ireny oé, mila fiainga vaovao, mila fanamboarana marina ny tena hitondrana ny firenena, hay moa zao no dikany?
mazotoa é, demokrasia zao. manitra loatra io seza io.
ny andrasana sisa, dé ny filazan'ny fjkm manerana ny fiangonana eto tanà ny fanentanana ny mpino fjkm hameno isa an'reo eo ambohijatovo, hidina 13mai.

VIVE LA DEMOCRATIE A LA MALGACHE, UNIQUE AU MONDE, AVALISER PAR LA COMITE INTERNATIONALE
HOMBA ANTSIKA ANIE ANDRIAMANITRA
3. xxx ( 24/03/2009 05:41)
ka mafy anie zany very fihinanana e!
4. ravatorano ( 24/03/2009 05:48)
malalaka ambohijatovo
malalaka ny kianjan'ny 13 mai
efa toerana ifandimbiasana io fa dia ho jeretsika eo ny tohiny e !
5. xxx ( 24/03/2009 06:00)
Ka ilay euro 9000fmg t@ 2002 anie lasa 13000fmg, midika izany fa niakatra fa tsy nidina hoy ry zalahy mahay manisa e :-D :-D :-D
Ilay menaka 9500fmg lasa 24000fmg dia mbola niakatra koa :-D :-D :-D
Ny lalana 1500km angamba tsy nitombo fa ny teo no natsaraina sy norakofana mba ho fijery ivelany fa tena miakatra ny firenena :-D :-D :-D
Fa adinon'i rashooter ilay fiakaran'ny isany 4amis noroahina tetsy Analakely :-D :-D :-D sy ny fiakatry ny mpanendaka,mpangalatra izay manana fitaovana arifomba toy ny AK47 sy PA nefa famataran'andro na portable iray no edahina eny @ ilay olona :-D :-D :-D

Dia tsy azo adino koa ny fiakaran'ny velaratany azon'i ra8 t@ tsy aradalana.... ara-dalana mantsy e!

Tena niakatra tokoa aloha raha atao ny kaonty e! :-D :-D :-D
6. papala ( 24/03/2009 06:28)
tsy manaiky mihintsy zahay :
-efa miala any ny miaramila tsy azon'ny TGV (Taranaky Galliéni Vaovao) notambazana vola be !
- efa tonga i Pierre be ny kungfu
-efa mipoitra daholo ny tena atao hoe vahoaka marina.
-ny organisme internationale efa tsy Nanaiky ny : fanjakana forcé, tsy nisy fifidianana, fa mpanongampanjakana mpitam-basy, amin'izay lay ""foza orana"" andry rajoelina oh ny alika mitono-tena ho eny antsena hoe izy hono no prézidá nefa tsy nisy nifidy azy kory teo?

NY TANTARA DIA MBOLA HITOHY EEEEE ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^
7. yuka ( 24/03/2009 06:53)
Valiny ho an xxx sy ny mitotovy fijery aminy!
Talohan'i ra8 ny menaka 9500fmg nefa tsy voavidin'ny olona :-D :-D :-D
Aza modina tsy hita ny fitombon'ny lalana,sy ny fanatsarana ny tanana!
Talohan'ny ra8 tsy nanome fitaovana ho an'ny mpianatra!
Talohan'ny i ra8 dia maro lavitra ny jiolahy,fa t@ andron-dravalo no nahery vaika indrindra ny famonoana sy fanenjehana azy,ary efa manomboka mivoaka
indray izao ireo tsy maty tamizany satria tsy eo tsony ny saka,fa voalavo atramin'ny mpitondranareo ao!
Efa maro lavitra tsy omby teny @ PEDRO ny 4amis t@ andron-dratsiraka,adino ve? teny anosy? tetezan-bekiraro sns...ra8 no nanadio ny 4amis navelan-dratsiraka,sady io misy foana naizanaiza na aty japon aza de maro ny 4amis refa tsy te hivoatra.
dia aza adino koa fa betsaka ny trano sy tanin'olona nobodondratsiraka!
Niakatra tokoa ka!
ny fahefamividy koa dia niakatra,satria t@ androndratiraka misy elanelany be ny olona @ resaka fitafiana io.Tato anatin'ny 7 taona anefa dia mifanantsahana
sy mitovitovy daholo ny olona eny andalana (nandroso zany fa tsy nihembotra)
niakatra koa ny fahefamividy satria ny isatokatrano izao saika manana TV,VCD
daholo,adinonareo angaha fa t@ andron-dratsiraka any anie ka mandeha mijery VIDAKA ny KIL fa tsy manana TELE e!
samy mahay mitanisa io ka!
8. taralila09 ( 24/03/2009 07:06)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
9. isalo ( 24/03/2009 07:08)
shoooter:

TSy manaiky mitsy le pro ra8 na dia efa fantatra aza fa tsy possible, tsisy miaramila hanaraka anazy tsony eo sady ra8 nge ka nanipy gans fa tsy niatrika hatramin'ny farany araka ny lokalokany teny iavoloha e. Milaza ny Tim oé nandroso madagasikara nanomboka tam 2002 nge ka 9000 fmg ny euro e amzao efa lasa 13 000fmg ny menaka nge ka 9 500 fmg e tam 2007 efa lasa 24 000 fmg ka asa na nandroso zany lalana 1500 km eran'i madagasikara ve no hilokalokana hoé tsara ra8 raha mpanao lalana maninona raha tsy niala tam frantsay satria ireny no tena nahavita lalana be indrindra teto noho izany aleo frantsay tam fanjanahantany saingy misy tsy rariny ao matoa ny olona mitolona de mahereza fa malalaka ny 13 mai aza kivy fa asivo korotana fotsiny de amzay tonga ny miaramila de vetivety ny tolona dia vita. :-D



1 - Ho anareo TGV, mba ohatrinona zao ny euro @zao andronareo zao ?
2 - Ho anareo TGV, mba ohatrinona zao ny vidim-bary, vidintsoloika, vidina menaka, vidina siramamy, ... sns @zao andronareo zao ?
3 - Ho anareo TGV mba ohatrinonana ny SMIG farany ambany omenareo ny mpiasam-panjakana ?
4 - Ho anareo TGV inona zao no mba hanampinareo ireo olona voarobanareo fananana sy ireo chomeur tsy fidiny ?
5 - Ho anareo TGV inona zao no mba fototdrafitr'asa mba hanatsarana ity nosy malalantsika ity ?

NY ZAVATRA IRIKO DIA TSY HISY TOHINY INTSONY ITY TANTARA ITY FA AVELA IANAREO TGV MBA HITONDRA MALALAKA SY AMPILAMINANA FA NY VAVOLOM-BELON'NY MPIASA NY BAINGA.

Ny mba hangatahana :

Mba hatsaharo ny fampisotroina maloto ny olona mpitondra fivavahana
Enga anie mba ho eken'ny mpamatsy vola ity fitondrana azo t@ basy ity fa raha tsy izany dia lasa 25 000 fmg ny euro

FARANY AZA ATAO EXCUSE MINTS NY HOE T@ ANDRON-dRA8 ARY ... SATRIA RAHA FAVY NOHO IZY NAREO DIA MAHAVITA MAMPIDINA NY EURO SY NY VIDIMPIAINANA ARY MAMPIAKATRA NY KARAMAN'NY MPIASA.

TSY MAHAVOKY ANAY ZANY BLABLABLA TOY NY HOE "AFAKA NY JADONA, AFAKA MITENY @ RNM SY TVM DAHOLO @ZAY "

MAHEREZA

10. dalie ( 24/03/2009 07:17)
Mazotoa ianareo eny amin'ny Ambohijatovo very fihinana nahazo tombotsoa tamin'ny ra8 ianareo deputé very tombotsoa be mihoampampana ny malagasy sahirana fa ianareo kosa nahazo tombotsoa be rehefa leo ve ianareo tsy hiala eo
11. papala ( 24/03/2009 07:21)
zahay koa de tena tsy manaiky an'izany hoe : ireo taranak'olona ireo foana no hitondra ny fanjakana :
TSY MILA ARY TSY MANAIKY an'ireo olona ;
_ ANDRIAMANJATO
- MONJA
- RATSIRAKA
- AREMA
- AKFM, UNDD SNS...................!

fa angaha moa ireo ihany no diplomé eto MADAGASCAR? fa ireo foana no tsy maintsy mitondra ny MADAGASCAR? FA AIZA ISIKA VAHOAKA E?
TEO ZAO pRÉZIDA RAVALOMANANA OLON-TSOTRA, DE NATAO MIHINTSY NY NANAPOTEHANA AZY? Tena ndaho hiady mihintsy ray vahoaka fa tena manao
monarchie mihintsy ry le tsivanona ireo.Jereo daholo ry le HAJO RENY arema be taloha efa voky mihintsy sns....................
de TSY METY TONGA SAINA MIHINTSY VE ISIKA VAHOAKA E?
12. xxx ( 24/03/2009 07:22)
Ny ahy dia tsotra ihany e! Avelao izy aloha mba hitondra kely satria efa io no niriny, fa rehefa tsy tafavoaka izy hotsarai'ny ataony eo foana. Efa nampianariny manongana mitambasy ny racil, de ireo ihany no hanongana sy hanambambasy azy raha diso paika eo izy.
13. taralila09 ( 24/03/2009 08:27)
Hoan'ny Taranak'i Gallieni Vaovao:ny tantara tsy fanadino,firenena iza eo ambany vahoan'ny renikely malala 'la frantsa' eran'izao tontolo izao no mbola tafavoaka.Zao hitondra indray ny taranaka PADESM;mivavaha 100taona vaovao indray.
-ny fahavoazana firy taona talohan-dravalo no nareminy 7taona monja,Diego-Tana anie zao ka vita 1andro e.Aza modina tsy hita ry zama soa navelany a.Mahaiza mandinika sy mijery de mivaha hoazy ny olana.
-TGVangence tsy misy foto-drafitr'asa de ny Map no tohizana,f'anga zany tsy efa vonona talohan'ny hakana fahefana e.
-mitapy fa tsy ilaina ny sommet afric. nefa mitetateta sy matikambo fa niresaka t@ Kadaffi.Ko ra tsy nandra ôtran'ny TGVendrana izy ko.
-zao ny sainan'ny gasy nalan'ny SADEC sahady.De mba hoaiza ary ono izy ity.
-48heures no nitondran'i TGVendrana zay de tsy mahazo miditra ny palais Iavoha sahady ny mpanao gazety.
-mafotaka ny fiadiantseza :-D @ zao.Mipatitaka sahady e.
-n'inn n'inn atao tsy tokony potehina ny infrastructures e.Zao hanangana indray de holany andro eo zao de toa lelon-jaza e!
Les tananariviens victimes.
14. xxx ( 24/03/2009 08:48)
Ny antony tsy hanekena ry Shooter tsy hoe pro Ra8 , ary tsy voatery anti-TGV satria samy gasy isika , fa resaka \"valeur\" , resaka \"foto-kevitra\" . Efa tsy tokony hisy @ zao taon-jato iainantsika izao intsony ny hoe \" hanongam-panjakana sy haka fahefana amin`ny alàlan`ny fampitahorana mitam-piadiana \" . Mahamenatra izany satria mihen-danja isika eo anatrehan`izao tontolo izao raha hanaiky an`izany . Tsy voatery hoe hiandry ny \"Communauté internationale\" hanameloka an`izany , fa na isika samy gasy aza dia efa afaka miteny fa tsy mety izany ka tokony ajanona haingana , dia izay no mahatonga ireo olona maro be eo amin`io \"meeting\" io . Isika rehefa misy zavatra tsy mety tokony tonga de sahy miteny sy mampaneno anjomara ho fanitsiana an`izany . Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nanala-baraka be tao amin`ny RFI anio maraina ny fanomezan-dry zalahy ny Definition-n`ny hoe \" Putch\" ka nanaovany tantara kely ny momba an`i Mada sy ny Putch nataon`ilay DJ miaraka amin`ny Miaramila \" armée jusqu`au dent \" hoy ry zareo kanefa dia mbola sahy milaza ihany fa \"Tsy nanao Coup d`Etat\" . Angamba heverin-dry zalahy ireto fa dia tena DONTO be ny Fianakaviana iraisam-pirenena ka tsy hahafantatra fa Coup d`Etat no nisy teto Mada izay nataon`ny CAPSAT . Dia hiezaka ho any ivelany Ingahy Ny Hasina handresy lahatra ny Vahiny kanefa mino aho fa \" HIVERIM-POTSINY \" izy satria , zavatra tsy azo negocier-na no handeha ho resahiny any , ny an`ny olona question de Principe , procedure efa mipetraka eken`ny rehetra manana BON SENS , ka tsy ho azonao hovaina araka izay hitiavanao azy akory . Rehefa manao fitakiana koa , tokony mba arahina asa ilay izy fa tsy kabary ambony vavahady fotsiny . Niady mafy ho an`ny Demokrasia i TGV nefa tsy manaiky fifidianana (referendum) , maka fitondrana amin`ny alalan`ny HERISETRA sy BASY ( CAPSAT) , culture avy aiza koa izany ? mivory eo Ambohijatovo ny olona dia manapoaka basy ny Miaramila , demokrasia ve izany ? Izany no manaporofo fa excuse nampiasain`i TGV fotsiny ny hoe \"DEMOKRASIA\" fa ny hanongam-panjakana mihitsy no tena tanjony , ny sisa rehetra dia fitaovany daholo . Ny tiako hisarihana ny sain`ny TIM fotsiny dia tsara raha raisina daolo ny fitakiana ataon`ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka ( na mpomba TGV na mpomba Ra8 ) dia tanterahina izay azo tanterahina ary hazavaina ny antony raha toa tsy ho tanteraka , dia mijanona eo amin`ny fitondrana Ra8 h@ faran`ny mandat-ny . Ovaina izay zavatra rehetra tokony hilana fanovana ka ny Assise no mi-determiner an`izay ( code electorale , constitution ..sns ) ary lanian`ny vahoaka amin`ny referendum ny fanovana tokony hatao . Tsy tokony hisy ny fandraisana fitondrana tsy nandalo fifidianana . Tokony hisy ezaka manokana avy amin`ny fitondrana ny fijerena ireo olona tena mahantra eny amin`ny faritra iva . Ny zavatra tokony tsy hadino koa aloha momba ny olona eny amin`ny faritra iva an , ry zareo rehefa omena tany volena eny Ambanivohitra sns dia mitsoaka mankaty an-Drenivohitra ihany , fa kamo miasa , aleo manao garde voiture, manendaka , ala-botry sns nefa efa mba misy amin`izao ny Ambanivohitra efa miroso amin`ny Agribusiness . Ny toe-tsaina koa izany no mampahantra ny olona ary ny ady amin`ny fahantrana voalohany dia ny fampianarana ny olona hiasa mafy fa tsy hanantena lava mana avy any an-danitra . Jereo fa Andrianampoinimerina raha nisy mpangataka sakafo , dia angady no omeny azy , jereo izany fahendreny na dia tsy nandia sekoly aza izy . Ny asa ihany no mampandroso . Manaraka izany , diso be ny fampitahana lava hoe tam`2003 , zao ny vidim-bary , am`zao ohatrinona ? Arakarak`izay vokatra eo amin`ny tsena no mamaritra ny vidiny ary eo ireo facteur sasany toy ny vidin-dasantsy . Vahaolna simpliste fotsiny izany ny hoe andeha hanafatra vary bdb any ivelany satria tsy voatery ho fanapahan-kevitra ekonomika tsara izany satria hitaky famoahana vola vahiny bdb !Ny tokony hatao dia ny fampitomboana ny vokatra eto an-toerana ohatran`izao ezaka ataon`ny Fnjakana Ra8 izao ! Ny hoe didijadona indray , izaho izany mihevitra fa isika malagasy koa olona \"TSY DISCIPLINE\" mihitsy ka ilaina ihany indraindray ilay didijadona indrindra eo amin`izay lafiny discipline izay ! Dia avy eo lasa afangarontsika daholo ny hoe \" discipline\" sy \"didjadona\" , ny \"demokrasia\" sy ny \"anarchie\" Izay aloha fa sao dia lava loatra ka tsy misy toerana ho an`ny sasany indray !
15. xxx ( 24/03/2009 09:03)
Salut daholo

vary= 200
16. ralevazou ( 24/03/2009 09:30)
ZANY V RA- Shoooter ?
Fa taiz nareo no nibôsy tam taloù ?
Firy àry ny fito ampiana iray ?
Tena Zé Vendrana kosa kaloù no tsy mahavalo an zany é !
Mahereza àry sô mba lasa minisitry ny fampianarana amin'io fitondran-jiolahimboto io ihany ny farany koh ! :^)
17. xxx ( 24/03/2009 10:36)
hifandimbiasana ny tolona e, ny fanjakana alaina @ herisetra dia tsy maitsy ho votsotra @ herisetra. Aza mampandry adrisa @ phrase TGV fa efa mipaika ny compte à rebours hialany ato ho ato.

TGV tsy manaiky assise nationale fa tsy maitsy hanaiky ihany rehefa ho tereny communauté international, 1 mois dia ho hitatsika eo ny valinizay.
18. Oay ( 24/03/2009 11:01)
Fa tsy manaiky assise natinale ahoana indray i TGV, fa angah tsy hoe ny hery rehetra misy eto Madagsikara no hikahondoha hanaganana ny raitra vao² ho @ repoblika vao²!
Za aloha d mbola averiko fa ny olana eto amintsika d ny mpitondra mihevitra fa rehefa azon'ny fanjakana d lasa fananany miaraka @ izay koa i Madagasikara sy izay rehetra misy ao aminy hany ka lasa manao didiko fehy lehibe izy ireo.D izay no tsy mampandeha ny firenena satria ny mpitondra mihamanankarena fa ny vahoaka mihamahantra.
Momba ny mponina eny @ faritra iva d tsotra t@ andron'i Guy Willy Razanamasy no nisy politika nentina namindra fonenana azy ireny fa tsy nahahomby satria tsy nanaraka ny fotodrafitr'asa fa jereo anie ny ataon'i Père Pedro é! mandeha satria manaraka tsara ilay drafitr'asa entina hitiavan'ny olona ny tontolo misy azy.
Ary lazaiko ihany koa fa ireo olona @ faitra iva ireo no ataon'ny mpanao politika hakana fanjakana ka ao ireo mizara aorta mandritra ny fotoampampielezankevitra ao ny nanao Tsaky POP moa izy izay raha tsy diso za... fa ny tena marina d satria mpangalatra sy tsy tia tanindrazana no nifandimby nitondra teto d efa fanatany fa raha vao miala @ fanjakana izy ireo d hohalambahoaka d izay no mahatonga anazy angalatra sy hametraka ny fananany any ivelany d izy mitsoaka any ivelany d ny vahoaka @ faritra iva nanohana an'azy mihinana a...mbany foitra sy maty ny hanoanana...
19. kalovavy ( 24/03/2009 15:03)
manahona daholo? , fa za anga te halala aiza kay zany faritra ambany zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0736