Tsy i TGV no tena fahavalo

1. xxx ( 24/03/2009 02:08)
O rey olona a, ny anarany aza antsoinareo hoe TGVendrana ka aoka tsy hiady @ vendrana fa ataovy sanatria ny miady amin'adala.

I TGV dia saribakolin'ny mpanjanaka. Rehefa ny mpanjanaka no voatohitry ny Malagasy dia mitsingidina ho azy i TGV.

Fomba vitsivitsy hanoherana ny mpanjanaka:
ialao ny teniny, ialao ny kolotsainy fa ratsy sy feno fanjanahana, fadio ny mifanerasera aminy, ialao ny toe-tsainy, aza mividy ny fiarany, aza manafatra entana avy any aminy intsony, sns...
2. nancy ( 24/03/2009 02:33)
Ka izay miaraka amin'ny fahavalo dia fahavalo e.

xxx:

O rey olona a, ny anarany aza antsoinareo hoe TGVendrana ka aoka tsy hiady @ vendrana fa ataovy sanatria ny miady amin'adala.

I TGV dia saribakolin'ny mpanjanaka. Rehefa ny mpanjanaka no voatohitry ny Malagasy dia mitsingidina ho azy i TGV.

Fomba vitsivitsy hanoherana ny mpanjanaka:
ialao ny teniny, ialao ny kolotsainy fa ratsy sy feno fanjanahana, fadio ny mifanerasera aminy, ialao ny toe-tsainy, aza mividy ny fiarany, aza manafatra entana avy any aminy intsony, sns...



3. xxx ( 24/03/2009 02:56)
Koa na i Ra8 noheverina fa hiala @ ilay faha8 voalazanao aza toa niady ny handray sy hampiatrano ny kolotsain'ireo faha8 ko! Ny anao zany toa hevi-jaza ko!
4. taralila09 ( 24/03/2009 07:08)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3342