Manisa andro sisa TGV

21. pitchou ( 23/03/2009 23:03)

Ary tena nisy nahita maso ve hoe i TGV no nandroba e! tsy namahana basy hamonoana azy ve izy raha izy no nandroba nandritra ny fihetsiketsehana? satria tactique anti-greve koa ireny zavatra ireny!
Fa izao, Tsotra : ovay klo io constitution constitution-nareo io d raiketina ny fifidianana! izay mpitondra lany eo tsy mahazo mikasika an'io (sahala ny nataon'ny sasany teo)
d izay lany antsasa-manila eo no Filoha fa tsy hoe tsy hanaiky 2ème tour rehefa tsy feno 50,01% akory, d manambotrambotra valim-pifidianana eo
ilay averina hatramin'ny communales koa fa tsy atao hoe rehefa tsy oloko no eo d ho faiziko hatramin'ny tanana!!!!
(miala tsiny raha misy olona sendra mifanandrify @ ze teneniko fa ohatra ny ahy ireo :D )
22. taralila09 ( 24/03/2009 07:32)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
23. diamondra27 ( 24/03/2009 08:15)
pikatti: tsy mbola niteny mihintsy aho hoe tgv ka
samy nisy fahadisoana na ra8 na tgv de aleo tsy miditra lalina fa mangataka fandriampahalemana fotsiny hoe aza asiana vonon'olona intsony rehefa mitolona ianareo fa mitokona fotsiny fa zany ny demokrasia

ny olona tsy manantsiny no mijaly tsy mihinan-kanina sy maty am napa

iza ndray no mahita fa manao vazaha mody miady fotsiny eo ry tgv sy ra8 fa manao lova tsy mifindra
naninona aza ra8 tsy nikozy mihintsy tam ireny fikabe nataon'i tgv ireny nefa raha ny olona sasany izay efa voasambotra le zalahy iny
lazaina fa niditra ny zone rouge ny olona de we ze nanome ordre no diso etc... nefa tsy natao inona akory tgv
ny tiako hambara dia izao : voalaza fa resaka adimpianakaviana no niandohan'ny tolona, de niitatra hoe tsy nahazo vola mr le maire hanatontosana ny asany , de hoe nidina ny viva de etc etc farany niongana ny fitondrana nefa de mbola le famille ihany no mitondra ny fanjakana izao na dia hoemifandrafy aza
rehefa eo amin'ny fitondrana nge i tgv mety hanampy ny gasy izy , arahabaina soa nefa kosa mety mba manao reserve kely ohatry ny rehetra ihany ka rehefa voaboty eo de même rang am ra8 ihany de hihavana amin'izay ary hanao hoe ndao hanao associé isika mba hahatafita ny zavatra efa naorina=empire

noho izany analyse rehetra zany ry pikatti de aleo mijanona neutre ihany a!
mety diso izany fomba fijery izany hoy ianao nefa hummm eritrereto ihany fa sao de marina tampoka

ny vahoaka fotsiny no ampiadiana

politika ange io e! ze tsy mahatanty de midina eny ampandehanana sady efa hoe tgva zao mitondra ny gasikara fa tsy train à vapeur tsony.

24. diamondra27 ( 24/03/2009 08:26)
miandrandra le V zany hoe peace and love e!

omeo fotoana izy mba hanaporofoiny an'io fa aza tonga dia sakanana kosa e!

le zen attitude dia tena milay ary ny orange aloha de couleur pacifique no tena hamantarana azy e! ka enga anie ka mba ho tany anjakan'ny la paix tokoa i gasikara na iza no eo am fitondrana na iza.

25. alina ( 24/03/2009 15:45)
On dirait qu'ils délirent ou bien je dirai un soubresaut! :lol: :lol: :lol:
26. Oay ( 24/03/2009 16:07)
alina:

On dirait qu'ils délirent ou bien je dirai un soubresaut! :lol: :lol: :lol:



Ce n'est ni un soubresaut ni un delire mais c'est qu'ils ont subit un saut brusque aucours duquel leur corps reste dans la position verticale,jambes serrées et pointes de pieds baissées.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1115