Tsy atao SORONA ny VAHOAKA. Mendrika Ravalomanana

1. penguin ( 23/03/2009 14:20)
Rehefa voavidy ny Miaramila dia ny VAHOAKA tsy atao Sorona ka ny miaro ny ainy no dikan'ny Fialana fa tsy inona akory. Tsy adala ny mijanona ho TIM ary tsy mihevitra ny hivadika ho TGVendrana ny akama fa aza manahy.
2. karavasy ( 23/03/2009 14:26)
Olona lany tamin'ny fifidianana Ra8 ka tsy izy mihintsy no hanao sorona ny vahoaka ary tsy ho ela fa madeha sy mitombo ny fanoherana ny tsy ara-dàlana. Ho mafy ny ahazo ny manaotao foana.
3. xxx ( 23/03/2009 14:26)
Ianao ry peng no tgvendrana dondrona tsy misy saina mpiteny ratsy sy mpanozona olona , JESOSY no hivavahana fa tsy olombelona :twisted:
4. andrywui ( 23/03/2009 14:32)
Efa tsy mi-existe eto M/car tsony zany ra8 zany fa ambary ny fo sy ny saina e ! (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l)
5. xxx ( 23/03/2009 14:33)
Ny tenanao karavasiana fa mila izany :( dia ataovy sorona ho andra8 koa ny lohanao tsotra izany fa tsy mila adihevitra betsaka
6. karavasy ( 23/03/2009 14:34)
Koa naninona no tsy nianina tamin'i Jesosy i lavasanga ?
7. xxx ( 23/03/2009 14:37)
fa iza no niteny t@ karavasymbitsika hoe tsy niaina t@ jesosy izy
8. penguin ( 23/03/2009 14:42)
Fa inona no mihaino ny anao ra-xxx ? Fa nisy resaka Jesosy ve ny nataony nanagantanana ? Nefa dia lazaina fa Andriamanitra no resahan'i Ra8 fa tsy Jesosy ary Andriamanitra koa no noventesiny. kravaty mena mihosin-drà rehefa hanaovan-dRa8 saingy nanaovan'i lavasanga dia lasa tsara vé ?
9. nikah ( 23/03/2009 14:42)
Ka tsy maitsy mba manamboatra fo sy saina zany ry zareo pro Ra8 eeee!De hoe tsy hatao sorona ny vahoaka refa avy nangalatra ny fananan'oull ra8 an!
Ny fotoampivavahana farany teny Iavoloha iny de natao ho fibebahana izany hoe nahatsapa ny fahotana be vitany ra8 ka de nibebaka ny heloka vita ary niezaka hiala @ ratsy fanao ka de naleo nametrampialana no mety.

Tsy misy mpampionona aza mou tompoko mionona ka de amboarina sisa ny fo sy ny saina fa lasa nandao tsy fidiny ra8 sniff sniffff
10. andrywui ( 23/03/2009 14:45)
Mba omeo hoe ny hevitry Penguin amlé ody gasy be ray gony be ??? aza atao hoe vao nampidirina mitsy aloh ireo satri mpanao gazety bedebe , vahoaka sy miaramila bedebe , olontsotra bedebe no namoaka anireo avy ao anaty lava tranainy fa tsy vao 2 !! mba valio letsy !!

???????
11. xxx ( 23/03/2009 14:55)
kinga mitsara olona nefa ty ra8 mpanao bodingerina , mpiantsy ady manozona olona miresaka vetaveta lava izany ve ????????? mahatsiarova saina
12. andrywui ( 23/03/2009 15:05)
Tsy namaly i Penguin rehefa voasintoko tao amin'ny sangany !!! ha ha ha ha !!! ko tsy valiana penguin aa !! sa vo mitady fialana bala ndray ???

:-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w
13. ravonjison ( 23/03/2009 15:19)
andrywui:

Mba omeo hoe ny hevitry Penguin amlé ody gasy be ray gony be ??? aza atao hoe vao nampidirina mitsy aloh ireo satri mpanao gazety bedebe , vahoaka sy miaramila bedebe , olontsotra bedebe no namoaka anireo avy ao anaty lava tranainy fa tsy vao 2 !! mba valio letsy !!

???????

Ny gasy hoa dia tena mampalahelo mihitsy , minomino foana. Tsy misy ody gasy mandaitra izany, ny fomba fisainana ihany no mitondra izany.
Mety hoe fanomezana avy @ olona ireny, rehefa betsaka dia feno ny trano, noho izany tsy maintsy ampirimina any ambany any.
Ny olona atý andafy atý koa dia manana ireny koa, ataony haingotrano, ary tsy misy resaka ody izany, fa ny antsika gasy tonga dia izay ny fanazavana, fanararaotana, FANDEMEN-TSAIM-BAHOAKA.
Amboary ilay fomba fisainana e.
14. Oay ( 23/03/2009 15:30)
Tsy hitako mihintsy izay hiadiana hevitra @ izany satria tsy antsika ny mitsara an'izany fa anazy sy an'ilay ao ambony raha tsy hoe angaha tena nisy niaraka taminy nandeha tany @ dada Rabe, na hoe dada Rabe mihintsy no manamafy fa d zaza notazainy i Marc Ravalomanana fa avelao any ilay honohono é!
15. nyavo2000 ( 23/03/2009 15:42)
O! ry adala lahy ity a! ngaha tsy hitan'ialahy ny démenti nataon'ny ambassadeur iray nilaza fa nalahelo mihintsy t@ nandorana ireny fanomezana sarobidy avy any aminy ireny ze noheverina hoe sampy sy ody?

Ny tena marina de izao ny MPAMOSAVY de tena FADY OSY, asio osy na sarina osy na tandrok'osy ao an-tranonao, ka raha olona milalao ody no miditra ao dia mivoaka avy hatrany satria fady osy izy.

Koa i Andry RAJOELINA sy ny ekipany isan'ilay fady osy de tsy maintsy nopotehina ilay izy...

( Mba jereo ilay sarina TOTEM, mampiseho ireo foko 18 eto madagascar, fanomezana avy amin'nyy skotisma eto M/car dia lazaina fa sarina mpimasy, tena gidrolahy mihintsy le TGV sy ireo mpiandry sandoka FPVM ireo. Ny mpiandry iray, izay mpiseho foana de fantatra fa olona mpanao chèque sans provision gaigilahy, efa ho trosa plus de 200 millions no nataony kanefa de manatsara tena eny hoe mpiandry aho hoe sns...: AFAKA OMEKO NY ANARAN'IO SY NY ADIRESIN'IO RAHA MITADY POROFO i ANDRYWUI, de ndana mka chèque any @ leiry de tsapao hoe marina sa tsy marina)

andrywui:

Mba omeo hoe ny hevitry Penguin amlé ody gasy be ray gony be ??? aza atao hoe vao nampidirina mitsy aloh ireo satri mpanao gazety bedebe , vahoaka sy miaramila bedebe , olontsotra bedebe no namoaka anireo avy ao anaty lava tranainy fa tsy vao 2 !! mba valio letsy !!

???????

16. xxx ( 23/03/2009 15:43)

ravonjison:

Ny gasy hoa dia tena mampalahelo mihitsy , minomino foana. Tsy misy ody gasy mandaitra izany, ny fomba fisainana ihany no mitondra izany.
Mety hoe fanomezana avy @ olona ireny, rehefa betsaka dia feno ny trano, noho izany tsy maintsy ampirimina any ambany any.
Ny olona atý andafy atý koa dia manana ireny koa, ataony haingotrano, ary tsy misy resaka ody izany, fa ny antsika gasy tonga dia izay ny fanazavana, fanararaotana, FANDEMEN-TSAIM-BAHOAKA.
Amboary ilay fomba fisainana e.

Izay ilay saika holazaiko, inona moa no idiran'ny ody gasy @ fiainam-pirenena ? Voararàn'ny constitution angaha ? Mandaitra @ fiainam-pirenena angaha ireny ? Personnel be ireny ary aleo ho azy samirery f

Manana ny fétiche ny daholo ireny olona mpanao sport avo lenta ireny ohatra
Ratsiraka nanana iny tehina iny ohatra ihany koa
17. taralila09 ( 24/03/2009 07:49)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0463