ALEO HIASA ALOH NY FANJAKANA VAO2 FAZA MAIKA NY HITSARA !!

1. andrywui ( 23/03/2009 13:23)
rehefa voasoratra sy vita ara-dalana ary légal tanteraka ny Fitondrana vaovaontsika , dia mba avelao aloha izy hiasa malalaka ahitan zay vokatra eo !! fa raha mbola hanala azy sy handrodana indray dia ho avy indray ny ady be sy ny Grevy lavareny !! de izay ve no tsara raha te hampandroso sy hitsinjo marina anilay gasikara isika e !!! aleo aloha izy hiasa de ho hita eo ny vokatry ny asa afaka mandat iray dia eo indray isika mitsara azy !! fa tsy hoe 7 taona ngarangidina otran'ny an'ny sasany tsy hita ihany lay Tany Kanana nampanantenaina !!! :@
2. hery ( 23/03/2009 13:31)
Fa angaha mieritreritra ny hiasa lava? :-)

FA tsy efa izany ve no naverimberina hoe nivaly tamin-dRavalo ny nataony... dia hivaly amin'i AndryTGV koa ny nataony izany :-)

Izay ange no iandrasan'ny olona fifidianana e.

Fa amin'izao efa zatra tsy miandry fifidianana dia lasa indray izao ny eny @ 13 mai.
3. yuka ( 23/03/2009 13:33)
Tsy ny tinao no atao,fa izay tin'ny be sy ny bokaka ihany io !
angaha mitsatsaka???
matahotra vrai-tolona ???
tsy mila fanjakana fozaorana zany zay ry akama a!
na tsy hiverina aza Ra8 zay tsy mila TGV :D
4. hery ( 23/03/2009 13:38)
Yes... tsy ny famerenana an-dRavalo no tanjona fa ny fanesorana foza orana
5. gasmlay ( 23/03/2009 13:38)
rehefa tsy miverina fotsiny i ra8 de zay! ze ataonareo eo! fa ra mbola iny no eo de tsy hisy filaminana mitsy eto!
6. yuka ( 23/03/2009 13:48)
Tsy maintsy lasa io ra oui,oui a!
vita zay ny anareo,fa anjaranay ndray zao :D
Akanga maro tsy vakin' amboa !
7. sitlo ( 23/03/2009 13:55)
Ny anay ra8 ihany kle!

Raha mbola tsy misy olona atokisana mitsangana eo dia mbola ra8 ihany no grand. Izaho tsy miteny hoe tsara daholo izay nataony fa tsy mahalala olona mahavoa azy aho aloha hatramin'izao.
8. andrywui ( 23/03/2009 14:09)
hoy iHery hoe :


Fa angaha mieritreritra ny hiasa lava?

FA tsy efa izany ve no naverimberina hoe nivaly tamin-dRavalo ny nataony... dia hivaly amin'i AndryTGV koa ny nataony izany

Izay ange no iandrasan'ny olona fifidianana e.

Fa amin'izao efa zatra tsy miandry fifidianana dia lasa indray izao ny eny @ 13 mai.




Andraso kosa aloh fa ny premier mandat ny efa nandalo teo fa tsy nisy vokany de mbol hiandry mandat faharoa ndray ve ? de hidina otrinnn ny karama afaka 5taona vao2 ananan an an !! efa tsy nahavoa izy de aleo maka souffle kely ndray alou ,,, nefa mbola afaka milatsaka anie avy eo e !! fa raha voampandrosony tao anatinzay anie io de tsy nisy nanala azy zany teo ! fa reefa tsy mety de miala fa rehefa tsy mahavoa d mba manaja tewna indray
9. gasmlay ( 23/03/2009 14:24)
tsy takany less zany wuiwui ah! :-P
10. karavasy ( 23/03/2009 14:30)
Tsy milay izany lisany ary tsy avelanay hiasa izany ny fanjakana adimboron-tsiloza. Ny vahoaka tsy fahavalonay fa ny mpamarina ankady no tsy amelanay.
11. gasmlay ( 23/03/2009 14:33)
de ifapinan'le nosotroin'i pasitera eto ndray zany ko!! :-D
12. tovolahy007 ( 23/03/2009 14:35)
wi wi> Efa ho herin'andro zany zao i TRAIN no teo, efa mba misy vavan'asa mba natombony ve?? Ohatra hoe efa mba manomboka manarina ireo zavatra marobe nosimbany ireo, sns. Ataoko fa tsy mbola mba mampiseho hoe io izahay fa efa miasa hatramin'izao. Inona no mbola andrasana? Sa mbola anontany ny frantsay indray hoe inona mo izany zao no tokony atao ry MAMAN CHERIE? Toa azo indray izy ity vao tsy hita izay atao. Hoy ilay fiteny izay hoe:FALY SAHIRANA OTRAN'NY OLONA BANGA, FALY FA NAHAZO KITOZA, NEFA NY NIFY HITSAKONA AZY TSY MISY. hahahaha. TGV NEFA TOA MBOLA MIRAIKIRAIKY tssss.

13. andrywui ( 23/03/2009 14:40)
Aza matahotra i Tovolahy fa ho andraoina masaka tsara sy malemy tsara io hena io e !! mbola mandamina fa avao omaly no omaly ve Fanandratana de gidraina sahady e !! ny sasany aza 7 taona ngarangidina oa tsy natao innnn fa nienoeno teo fotsiny ee!
14. tovolahy007 ( 23/03/2009 14:47)
wiwi> Sao ary ity TGV ny la ity efa TGV okazy fa tsy doriziny??? hahaha. Toa TGV Train a Petit Vitesse ny any la ity ka.
15. andrywui ( 23/03/2009 14:52)
Diso be elah ry Tovolahy fa nareo anie tsy miandry ee !!! !hitanlah eo anie fa mirifatra be sy vaovao be vao jojopil be vao nivoaka garazy io e!! mandeha io an !!!! 350km/h
16. nancy ( 23/03/2009 16:20)
Esory tany io tgv io fa maharikoriko. Vao manomboka ve de ny dahalo no avoakanao lelike. Enga anie ka ny tranon-dry andriwui sy ny fianakaviany no vantanin'i coutiti voalohany.

andrywui:

Diso be elah ry Tovolahy fa nareo anie tsy miandry ee !!! !hitanlah eo anie fa mirifatra be sy vaovao be vao jojopil be vao nivoaka garazy io e!! mandeha io an !!!! 350km/h



17. taralila09 ( 24/03/2009 07:59)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0919