RVG sy ny POLITIKA

1. xxx ( 23/03/2009 11:53)
Tsy haiko na efa hitanao ity ry hery na tsia fa sendra nitsidika tao aho dia nahita azy ity. Tiako hamarinina ny fiasan'io na marina na tsia, raha eny, sao dia hiamparan'ny tetezamita hatezerany eo ny serasera.org, raha tsia dia aoka hasehonao fa tsy marina izany. Indrindra ao amin'io site tim io.
Ity resaka ity dia manamafy fa mampita ny RADIO MADA sur net ny RVG, ary manome vaovao isaky ny adiny telo ( tous les 3 heures ). Rehefa nihaino anefa aho dia tsy naheno na dia sombim-baovao avy amin'ny RADIO MADA akory fa hirahira hoatran'ny mahazatra no henoko tao.
http://www.tim-madagascar.net/
Misaotra mialoha.
novalian'i xxx ny 23/03/2009 13:43
2. hery ( 23/03/2009 13:29)
Tsy haiko hoe hiamparan'ny hatezeran'ny tetezamita ahoana koa :-)

I AndryTGV dia tompon'ny Injet. Hainy tsara izany resaka pub izany. Raha manome vola ny RVG koa izy dia azo alefa ao ny vaovaony :-)
3. xxx ( 23/03/2009 13:43)
Eny e! ekeko hoe nandoa vola ry zareo mandefa azy ao, fa raha @zao fitondràna barofo zao mety anahirana ihany satria ( tsy haiko aloha ) fa na ny maha-olona aza rehefa miandàny amin'ireo fitondràna teo aloha ( na tsy fiandàniana aza ) dia sahin'ireo zimbazimbaina (cf fapisotroana maloto mpitondra fivavahana ) ka manahy aho raha misy izany ny hanafoanany na hisakanany ny serasera.org tsy afaka ho azo eto M/car ( toa hoe azo atao izany ) . Izay no mampanahy ahy.
Misaotra anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4572