Miaramila nandroba ireo mpandraharaha sinoa ny zoma alina

1. klitika ( 21/03/2009 15:57)
Miaramila mirongo basy avy amin'ny CAPSAT no nanafika an'ireto mpandraharaha sinoa ireto, teny Behoririka, ary dia nidaroka sy nanery azy ireo hamoaka ny vola any aminy. Marihiny moa fa noho ny toe-draharaha misy ankehitriny dia naka vola tany amin'ny banky ireto sinoa ireto mba hialana amin'izay nety tsy fisian'ny vola ao amin'ny banky foibe intsony.

Dia noterena ireto hamoaka ny tahiry, ary dia vola an-jatony tapitrisa no lasan'ireto miaramila nirongo fiadiana ireto.

Ny Miaramila sasany moa dia sahy nilaza nandritry ny fandrahonana fa "Ny karana efa nanome ny anjarany, fa aiza izay an'ny Sinoa"

Eo ampandinihina ny toe-draharaha ny fikambanana Sinoa eto Madagasikara ankehitriny
novalian'i xxx ny 22/03/2009 11:41
2. yuka ( 21/03/2009 16:03)
Izao no atao hoe fanjakan'ny dahalo :twisted:
Tsy mahagaga ny zava-misy sy ny hisy satria, tolon'ny pandroba no nandresy
tanana efa zatra mitsotra io e! :(
3. Mirananirina ( 21/03/2009 16:09)
Mbola aiza re izany e,vao manomboka ny asany tgv e.Nahazo rariny indray ny miaramila sasany satria nanome toerana azy
4. dadabe ( 21/03/2009 16:32)
sao dia mba fanaratsina izany ry zareo a?? jereo tsara kosa aloha ny vaovao sao dia mba miteniteny foana tsy manao analyse isika e
5. Mirananirina ( 21/03/2009 16:40)
Marina mihitsy izany;mety misy koa anie jiolahy dia mody manao akanjo miaramila eAmin'izay manaratsy miaramila ny sasany.
6. Harinavalona ( 21/03/2009 19:15)
Ny tafika malagasy sy ny hoaviny ?

1- Inona moa no zava-misy ao?
2- Ny tranga niseho tao tamin’ity korontana ity
3- Ny Directoire militaire
4- Ahoana ny hoavy?


Miaramila ny tenanay mpanoratra ary mahalala tsara ny Tafika Malagasy satria efa ampolo toana maro no nifanerasera tamin’ireo olona maro voakasik’izao raharaha izao (na ireo efa lasa nisotro ronono na ireo mbola amperinasa).
Manarak’izay dia fanahiniana nosoratana amin’ny tenin-drazana izy ity satria Malagasy no manome fanazavana ary mametraka fanontaniana amin’ny mpiray tanindrazana.
Nalefa tamin’ny “Internet” izy ity satria io amin’izao fotoana izao no sehatra afahana miteny malalaka amin’ny olona afaka hatakatra ary handray ny zavatra ho lazaina na mety tsy hitovy hevitra aza. Ary tonio tsara ny fo, aza tezitra fa mandiniha tsara.


Inona marina moa ny zava-misy ao amin’ny Tafika Malagasy amin’azao fotoana izao? (18/03/09)

Toy ny tafika rehetra eran-tany dia mitsinjara ankolafiny telo ny ambaratongam-pahefana (hiérarchie):

- Ny militaires du rang
- Ny sous-officiers
- Ny officiers
Marihina fa tsy nadika teny Malagasy ireo anarana ireo mba hanamora ny fahazoana.
Ny mibaiko ao anaty tafika Malagasy dia ny officiers, ary ny mpandray ny baiko izay omena dia ny sous-officiers. Manatanteraka ny baiko izy miaraka amin’ny olona 10 na 20 mihoatra zakan’ny grade izay lanjainy.
Noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena angamba tamin’ny andron’ny Général Rasolosoa Dolin lehiben’ny Etat Major Général(CEMGAM) dia nanaiky ny namoronana ny COSOFAM teo anivon’ny tafika izy. Ny Cosofam dia fikambanan’ny sous-officiers ary natao hiaro ny tsirairay mpikambana eo anatrehan’ny commandement.
Ny CEMGAM rehetra nifandimby raha ny fahalalako azy dia nandray an’io karazana sendikà araka ny niheverany azy. Tao ny sasany nampiasa azy hanamafy ny fahefany (au détriment des officiers), tao ny sasany kosa tsy niraharaha velively an’izy io ary efa nisy mihitsy aza ny saika hanafoana azy.
Rehefa nipoaka izao crise izao dia nidirana politika ny COSOFAM. Nandà ny baiko izay nomena ireo sous-officiers ary namahatra tao amin’ny CAPSAT. Izany anefa dia tsy nandeha ho azy raha tsy nisy manamboninahitra ambony namporisika ary nanohana. Jereo amin’izao fa efa nanala ny saro tavany izy ireo. Noterena ny Chefs de corps hankatoa ny fihetsehana nataon’ny sous-officiers. Isaky ny corps anefa dia misy sampana COSOFAM. Mazava fa tsy voafehy intsony ny sous-officiers ary nihintatra eran’ny Madagasikara ny fihokona.
Tafiditra tao anatin’ny COSOFAM ihany koa anefa ny hevitra voizin’ireo mpanao politika manao fanahiniana manafangaro ny fiavian’ny Chef suprême des armées sy ny fiavian’ny ankamaroan’izy ireo(maro anisa indrindra amin’ny tafika sy ny zandary tokoa manko ny sous-officiers avy any anindratany).
Tonga ary dia adino tanteraka ny hiérarchie. Lasa ny sous-officiers no mibaiko ny tafika, satria nangina ary mody tsy nahalala izany ny officiers rehetra. Efa teo ampelatanany avokoa ny fitaovam-piadiana koa nisitrika ambany latabatra daholo ireo nilanja bokotra tsisy lanjany.
Novingavingainy ny Général de Brigady Rasolomahandry CEMGAM. Tsy navela hiditra intsony ny birao iasany izy.
Natositosika ny Amiral minisitrin’ny fiarovam-pirenena ary natao tsisy hajany.
Teo angamba vao nisy ihany ny tonga saina kanefa efa tara loatra.
Nahatsapa kosa ny habehan’ny fahefana hanany ny sous-officiers.
Omaly 17/03/09 dia mbola niahara-nahita tamin’ny haino aman-jery isany ny fanositosehana ireo manamboninahitra Jeneraly ambony indrindra amin’ny tafika. Hita teo ny nangalany azy ankeriny ary ny nitondrany azy ireo tany amin’ny CAPSAT.
Teo isika no nahita ihany koa sous-officiers tonga dia namahana ny basiny ary tsy niraharaha ny tenin’ny Colonnel Ndriarijaona izay “CEMGAM” nofidiny.
Mampalahelo, ho aiza ity tafika ity?
Ny mety angamba dia tsy asiana izany COSOFAM izany intsony eo anivon’ny tafika.


Ireo manamboninahitra ambony indrindra eto amin’ny Tafika

Enina izy ireo no nangataka fihaonana tamin’Andriamatoa Ravalomanana fony izy mbola filoham-pirenena ary nanome karazana “ultimatum” fa handray ny andraikiny raha toa tsy misy vaha olana ny crise.
Ny filaharan’izy ireo amin’ny grade raha ny fahalalanay azy dia toa izao:
- Ny Médeçin Général Rakotovao Fred
- Ny Vice amiral Raharison Ramaroson Hyppolite
- Ny Général Ramananarivo Claude
- Ny Général Raharijaona Lucien
- Ny Général Rabarisoa Ranto
- Ny Général Razafindralambo Rivo Hanitra

Raha namindra ny fahefany tamin’ny Directoire militaire Andriamatoa Ravalomanana Filoham-pirenena dia tsy tao ny telo lahy faha ny Amiral Ramaroson, ny Général Rabarisoa Ranto ary ny Général Razafindralambo no tao.
Nankaiza ingahy Médeçin Général, ny filohan’ny Inspection général de la Gendarmerie, ny Général Raharijaona ?
Tsy nahasahy nandray andraikitra ve izy ireo ? Nihamboha adidy ve ? Sa kanosa ?

Raha amin’ny ankapobeny ireo manamboninahitra Jeneraly ambony telo izay tonga tamin’ny famindram-pahefana dia tsy nahazohazo ny Chef suprême des Armées :
- Ny Amiral Hyppolite dia efa minisitry ny jono tamin’ny andron’ny PM Sylla. Nohesorina teo izy noho ny antony tsy mazava.
- Ny Jeneraly Rabarisoa Ranto dia tsy nahazo toerana loatra tamin’ny fitondran’ny Andriamatoa Ravalomanana satria Porte-Serviette an’Andriamatoa Didier Ratsiraka izy teo aloha ary andiany faha VII ny akademia miaramila.
- Ny Jeneraly Razafindralambo indray dia anisan’ireo manamboninahitra nahatokisan’ny fitondrana indrindra ary nanao « ascension fulgurante » nahazo ny toerana CEMGAM. Tsy fantatra teo anefa dia nohesorina tampoka izy. Toa resaka tsy manjary avy aza no nandeha momba izany.

Raha fintinina izany dia tsy olon’ny Président intsony izy ireo toa ny filazan’ny haino aman-jery sasany azy.
Naninona no nafindran’izy ireo ny fahefany ?

Raha araky ny fahafantaranay an’izy telo lahy ireo dia manamboninahitra tsy mitsaoka adidy izy ireo.
-Na nampitahorina ho vonoina izy ireo sy ny fianakaviany na nampanantenana (retour d’ascenseur) toerana ambony ao anatin’ny Transition matoa nanaiky namindra ny “Pleins Pouvoirs”.
-Ny sasany koa moa efa hisotro ronono amin’ny taona ho avy koa tsy aleo ve mihinana kely toa izay handry fotsy?
-Nahatsapa ihany angamba izy telo lahy fa tsy nanana miaramila tao aorinany. Tsy maintsy ho vaky mantsy ny Tafika amin’izay ary ady an-trano no hiseho. Tsy izany ve anefa no efa nataon’ny ankilany?
• Insolences
• Refus d’obéissance
• Menaces avec armes envers des supérieurs
• Kidnapping
• Mutinerie
• Coup d’Etat
ary ireo tsy voatanisa hafa.

Aiza no misy institution militaire ho mody fanina fotsiny amin’izany. Raha mbola tsy handray andraikitra ihany isika dia asa.
Efa tsy misy dikany marina ireny grade lanjaina ireny angamba?
Aza gaga faha afaka volana vitsivitsy dia hioko koa ny militaires du rang ary handrava tanteraka ny « unité de l’armée » satria mora ny manao izany. Mamaly ny baiko, manao didin’ny be sandry dia mahazo fanjakana na vitsy an’isa aza.

Ny hoavin’ny Tafika

Raha alaina an’eritreritra ny hoavin’ny Tafika dia tsapa fa tsy ilaina intsony izy. Manimba ny filaminan’ny fiainam-bahoaka. Fitaovana fangalana ny fitondrana ho an’ny mpanao politika (sans scrupules) koa tsy aleo ve foanana?
Ny Zandary sy ny Polisy dia mahavita miaro ny vahoaka sy ny fananany. Fandaniham-bola ho an’ny firenena mahantra toa isika ny mitazona ny Tafika. Maro ny firenena eran-tany no tsy manana Tafika. Souveraineté nationale diso toerana angamba ny antsika raha mitazona ireo be galona tsisy lanjany ireo.



7. klitika ( 21/03/2009 19:15)
Tsy fanaratsiana na hoe ahoana io, fa tena misy io ary tena nisy ny zoma alina teo.

Azo anontaniana ny ambasady Sinoa
8. Andribe ( 21/03/2009 19:18)
hiena ndray ny isan ny sinoa zany eto tananarivo :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
9. xxx ( 22/03/2009 11:12)
Miombon-kevitra 100% @ Harinavalona aho mahakasika an`ity Tafika Malagasy ity ! Raha zohiana ny Budget ministériel dia ny an`ny Tafika no tena betsaka indrindra . Sady efa handanian`ny VAHOAKA volabe tsy toko tsy forohana izy ireo no mbola hikomy sy hanongam-panjakàna koa ankehitriny . Tena tsy hitako intsony izay ilàna azy fa lasa ENTA-MAVESATRA ho an`ny firenena fotsiny . Ny zavatra tena mbola tsy azoko h@ izao dia ny famelàna ireto miaramilan`ny CAPSAT ireto hanao izay tiany hatao . F`angaha dia tsy misy Conseil na Comité afaka ny hiteny na hanasazy azy mihitsy eo anivon`ny Tafika fa dia avela hanao izay danin`ny kibony izy ireto ? Nahoana ny sampana hafa no matahotra azy toy izao ? Izany ve no atao hoe DEMOKRASIA an`i TGV sa hoe didin`ny MAFIBE sy ny BESANDRY ??? Dia ireo Corps sasany ve dia tsy misy tonga saina mihitsy amin`izao fitondran-tena mamohehitra eo anivon`ny tafika izao ? ary tsy ny DISCIPLINE koa ve no andininy voalohany ao amin`ny sata mifehy ny maha- Miaramila ? Mieritrereta ianareo Mpitandro ny Filaminana ( Autres sections de l`armée , la Gendarmerie , la Police ) fa raha izao no jerenareo fotsiny dia tena mirefarefa tanteraka ny hasinareo eo anatrehan`ny vahoaka ! Na ahoana na ahoana dia tokony ho NEUTRE foana ny Mpitandro Filaminana ka ny mission-ny dia ny miaro ny VAHOAKA ( tsy ankanavaka ) sy ny FANANANY ! Ireo izay manao POLITIKA ( tsy NEUTRE ) , na mivaona amin`izay MISSION izay kosa etsy andaniny dia tokony ho esorina malaky tsy ho eo amin`ny Tafika intsony fa manalabaraka azy !!! Tsy mitombina intsony ilay hoe BAILLONNETTE INTELLIGENTE ny Tafika amin`izao fotoana izao fa tena lasa REPAIRE DE BRIGANDS DE GRAND CHEMIN ET DES MALFRATS !!! Quelle honte pour mon pays !
10. xxx ( 22/03/2009 11:41)
manao azafady fa diso no nanoratako ny "baïonnette"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0345