Atokako ho azy ny aliko androany!

1. soanja ( 20/03/2009 02:17)
Miloloha lanitra tokoa isika ka tsy maintsy lena
Ary manitsaka ny tany ka tsy maintsy potraka
N'iza n'iza izay teraka dia naman'ny hanao diso avokoa
Koa dia ny aliko androany no hatokako ho anao ry ilay Filoha
Atokako anao, hametrahako ny fankasitrahana anao manokana
Apetrako amin'Andriamanitra ny fandaminana rehetra.
Enga anie ka ahita filaminan-tsaina ianao ao anatin'izao sahotaka izao
Enga anie ka hahatoky fa nisy hatsarana navelan'ny hatsembohanao
Tsy vahoaka aman'alina akory fa alinkisa no mampiasa ny asa-tananao isanandro
Ny lalana, ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny hafa tsy voatonoko.
Misaotra anao ny tenako raha sanatria ka tsy hahatsapa izany ny fireneko.
Misaotra anao nanome fanantenana ny tanora sy
Nampisy hery ny fisian'i Madagasikara teo anivon'izao tontolo izao.
Tsy misy fanaperana anefa isika.
Zava-poana daholo izao rehetra izao.
Fiainana no eto ary
Fandalovana ny eto.
Mahereza amin'izay rehetra ataonao.
Andriamanitra hitahy anao sy ny rehetra manodidina anao.
Tsara tso-drano amin'izay manahirana anao.
Atokako ho anao ny aliko androany
Hisaorako an'Andriamanitra sy hiderako ny anarany noho ianao.

Soanja



novalian'i soanja ny 20/03/2009 23:00
2. xxx ( 20/03/2009 03:08)
Fa i Lesabotsy sy Tantely
ilay mpatory ao Analakely
Tsy mba nisy izay nijery
raha nitomany samy irery

Nanantena mafy mantsy
Fa mba ho faly atsy ho atsy
Niandry fito taona tsy satry
Ka dia lany hatramin'ny vatsy

Mba nanantena ilay filoha
hanome hani-pitoloha
Kay vao maika nanindroa
Tsy mba nihinana izany akoho

Ny zaoridira no mba lapa
Raha tsy izany tsy mikapa
Ka dia ny alika sy ny amboa
No iadivan-kanina amin'apa

Atokako ho azy ireo kosa ny ahy ny aliko androany.


3. ikaretsaka ( 20/03/2009 03:24)
1- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'Reo zanany enjehina, hidina an-tranomaizina :

anaovana herisetra sy verezin-jo tanteraka ;

'reo zanany mioitra miantsoantso rariny :

giazana fatorana... fa mendrika famaizana !

Fantatry ny Ray !



Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra

ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !



2- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'Reo zanany madinika mitrongy vao mba homana :

tolorana ambim-bava ireo ho tamby fampanginana ;

'reo zanany fitahina amy lainga tsara lahatra :

tiavina, tiavina ho tohatra fiakarana !

Fatatry ny Ray ... !



3- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'reo zanany ialonana, fofoina sy somparana :

azera raha mijoro, finganina raha miarina ;

'reo zanany rorana, ka esoina raha miezaka :

kanefa dia latsaina raha kivy fo tanteraka !

Fantatry ny Ray ... !


4- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'reo zanany tomany fa nidonam-pahoriana :

milofika irery tsy mba manan-kianteherana ;

'reo zanany nanota ka ihofana torahana :

tondroina hoe voaozona, tsy mendrika ho velona !

Fantatry ny Ray ... !


Tsy ny aliko ihany no atolotro Azy ireo
http://www.dailymotion.com/relevance/search/+pere+pedro/video/x776mu_padre-pedro-3_news
4. rakaroka ( 20/03/2009 21:08)
´Ndriiiiiiiiyyyyyyyy :cry: :cry: :cry: Mba tiako io hira notsiahivin´i Ika io.
Misaotra!
5. soanja ( 20/03/2009 23:00)
xxx:

Fa i Lesabotsy sy Tantely
ilay mpatory ao Analakely
Tsy mba nisy izay nijery
raha nitomany samy irery

Nanantena mafy mantsy
Fa mba ho faly atsy ho atsy
Niandry fito taona tsy satry
Ka dia lany hatramin'ny vatsy

Mba nanantena ilay filoha
hanome hani-pitoloha
Kay vao maika nanindroa
Tsy mba nihinana izany akoho

Ny zaoridira no mba lapa
Raha tsy izany tsy mikapa
Ka dia ny alika sy ny amboa
No iadivan-kanina amin'apa

Atokako ho azy ireo kosa ny ahy ny aliko androany.





Raha ireo indray dia efa isanandro ny fiainako no natokako hitadiavako izay mahasoa an'ireo. Raha mbola velon'aina i Soanja dia izay no imatematesako, tsy ho an'iza fa ho an'ireo. Ny alina iray no foiko ho an'ilay filoha niala.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1049