vaovao mampalaelo momba an'i KAMBA

1. ravatorano ( 19/03/2009 08:52)
Araky ny hafatra sy resaka nifanaovako tamin 'i anarim vao eto dia nilaza izy fa nindaosin'ny fahafatesana izao maraina izao i KAMBA ilay zaza nifanomezantsika tanana teto iny na ny namana serasera dago izany na ireo namana tsotra na ireo namana avy any ampita (france,italie,sns).
Tsy niresaka maharitra moa izahay mianadahy fa dia izay no vaovao ratsy anio.Atao ahoana fa mba efa niala nenina isika mianakavy efa nitondra ny anajara birikitsika.Ny namana serasera dago moa mbola namangy an io zaza io tamin'ny vacance farany natao tany mahajanga teo ary mbola misy namana anakitelo nanaraka hatrany ny fahasalamany sy ny fifanampiana teo amin'ny fianakaviany.
Mivavaha ho an'ny fanahiny mba ho eo ampelatanan'Izy Ray isika !

ravatorano
ny namana serasera dago
novalian'i endrika01 ny 08/04/2009 12:33
2. ari.malala ( 19/03/2009 08:58)
:snif: :snif: :snif: :snif: :snif: ontsa ny fo mamaky ny vaovaonao ry Zoky, fa dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakaviany! mivavaka hoazy ireo iany koa hahery ao anatin'izao fahoriana midona izao :snif:
3. ari.malala ( 19/03/2009 09:07)
:snif: :snif: :snif: :snif: :snif: ontsa ny fo mamaky ny vaovaonao ry Zoky, fa dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakaviany! mivavaka hoazy ireo iany koa hahery ao anatin'izao fahoriana midona izao :snif:
4. Ralay ( 19/03/2009 09:45)
Dia mirary fiononana ho an'ny fianakaviany, atao ahoana fa izay no lahatra. Koa dia mahaiza mionona. ^:^
5. RATOVOARY ( 19/03/2009 11:56)
Miar-ory @ fianakaviana, mafy zany namoy zanaka izany, sarotra ny ikosehana ny fahatsiarovana indrindra raha efa nifanerasara t@ tena.
6. soanja ( 20/03/2009 01:31)
E eh mampalahelo tokoa izany. Miara-miombona alahelo amin'ny rehetra noho izany fahalasany izany. Tombon'andro ny antsika fa izy nialoha lalana. Matoria ampiadanana Kamba zanaka malala. Soanja
7. Fanampy ( 20/03/2009 08:14)
E e,de manaho ny fiara-miory @ fianakavian'i KAMBA ny tenanay.de izay tompoko ny anjara fa mahaiza mionona.
8. mimioa ( 20/03/2009 08:48)
aza misosoka alahelo
9. ravatorano ( 20/03/2009 10:16)
ratovoary < any mahajanga any ange lety ry zandry no misy an 'io e !
asa raha noresahan dry zalah tamin lah tamin dry lerony nanao vacance tany ireny !
10. RATOVOARY ( 20/03/2009 12:42)
Ravato> eny tokoa, ary fantatro fa avy aty ry zareo fa t@ireny fotoana namangian'ny namana nanao vacance taty ireny tsy afaka niaraka taminy aho fa sedra pro-nifanindry ( en plus zah rery koa t@iny no tato antrano de sahiarana kely ), hany ka tsy fantatro ny trano misy andry zareo fa raha misy mahay na dia manondro ny fkt na quartier misy azy aza dia isaorana mialoha
11. Mirananirina ( 20/03/2009 17:28)
Mamangy amin'ny fahoriana tompoko.
Azonareo hazavaina kely ve ny momba io Kamba io azafady fa tsy mahalala izaho.
12. rakaroka ( 20/03/2009 22:42)
Ndriiiiiy :cry: :cry: :cry: Mamangy @ fahoriana ny fianankaviana sy ny namana manontolo, mahatsiaro manokana an´ikalamako aho: Tsy nitsahatra ny niresaka io zaza io izy na t@ `za tany italia na t@ fihaonan´ny Sera Dago farany teo tany Mahajanga , mbola nanontany vao2 sy nampamangy tany!
atao ahoana fa efa niala nenina isika!...
13. rakaroka ( 20/03/2009 22:51)
Mirananirina
I Kamba dia zaza sembana teo @ lohany nifandrombonana nikatsaha-panampiana t@ fitsaboana azy. Lava ny andinindininy fa misy sary iray ity
http://el-oso.net/blog/wp-content/uploads/2008/07/kamba.jpg
14. ikalamako ( 20/03/2009 23:37)
rakaroka, misaotra be dia be akia mahatsiaro manokana a.
Tena efa tsy mahita holazaina intsony aho, tankina tanteraka fa misaotra ny rehetra @ firaisankina sy fifankaherezana.
Izay izany no hitan'ny Avo fa zakan'ny ainakeliny e, fa Izy tsy mampitondra ny tsy zakantsika.
Isaorana i Kamba nanampy antsika rehetra hiezaka hitia bebe kokoa ny hafa ka nanao ireny ezaka nifandrimbonana ireny, tsy ara-bola fotsiny ihany fa indrindra tamin'ny Fitiavana. Izay kely vitantsika dia efa taramasoandro nanazava bebe kokoa ny fiainan'i Kamba kely hatramin'ny nahalalany antsika azy ka hatramin'ny ora farany izao.
Ary ny tena isaorako manokana eto indrindra dia "le trio de l'Armée du Salut" - avylavitra-anarim-mavo izay tena nahafoy andro sy hery ary ron-doha tokoa, ary tsy mba nitaraina na niamboho adidy nandritra izay fotoana rehetra izay, satria dia izay akaiky vilany tokoa feno arina. Misaotra misaotra misaotra.
Dia ho feno hery ny fianakaviany hiatrehana ny andro manjombona, ary hahazo Fiadanana ilay Anjely kely lasa namonjy ireo namany any an-danitra any.
15. Mirananirina ( 21/03/2009 16:28)
misaotra Rakaroka,andray mampalahelo be
16. Angie ( 21/03/2009 21:24)
avy @ avylavitra:

Maro tamintsika no hahatadidy ny tantaran’i Kamba (na i Antefindrazana Tombotsara, amin’ny tena anarany, teraka tamin’ny 07 jona 2007 tao Mahabibo, Mahajanga). Ilay zazalahy kely nentina niakatra an’Iarivo mba hatao fandidiana tao amin’ny HJRA noho ny olana hatrany am-bohoka nahazo azy.Naseho an-gazety tao amin’ny Midi Flash tamin’ny volana jona na jolay 2008 tany ho any -volana nanaovana fandidiana azy indrindra - i Kamba tamin’izany fotoan’andro izany.

Niezaka isika olombelona ny hanamboatra sy hitsabo araka izay takatry ny saina, saingy Andriamanitra no mandahatra, ka naka an’i Kamba kely androany maraina.

Mbola hisy ny fotoana hanaovako tamberina fohy momba azy eto rehefa afaka ny alahelo sy ny ngidiny.

Maty tokoa i Kamba, tsy hitako izay teny hahalaza ny alahelo, fa toa sary vongana mandehandeha aho misaina izay rehetra nolalovana hatreto tamin’ny fikarakarana sy fanohanana azy sy ny ankohonany.

Androany maraina tokoa mantsy, raha niantso ny iray amin’ireo mpiara-mifarimbona amiko amin’ny fikarakarana sy fanohanana an’i Kamba ny reniny, dia niangavy fanohanana momba ny ho enti-manana ny hampidirana azy any amin’ny hopitalin’Androva - tratry ny fahatoranana i Kamba kely tamin’io fotoana io, ary efa an-dàlana ho any amin’ny hopitaly ry zareo - dia nandefasana crédit tamin’ny alalan’ny E-Recharge aloha ny reniny, no sady nafàrana fa raha vantany vao tonga manoloana mpitsabo dia miantsoa haingana aty Antananarivo mba hifampitàna vaovao momba ny tena fototr’aretina. Lasa iny crédit phone iny, dia niandry ny renin’i Kamba mba hiantso aho, saingy rehefa tsy nahandry intsony dia izaho no niantso mivantana azy. Navelany hipetraka tsara ny fanontaniako raha voarainy na tsia ny sandan’ny fahana nalefako, avy eo dia sady namaly ny faharaisana izy no nigogogogo nitomany nilaza fa ‘Lasa, tonton, Kamba kelintsika e! Lasa Kamba! Maty ny zanako! Tsy arakaraky ny nitondrana azy tan-Tananarivo tany fa maty Kamba‘.

Tankina aho, nipararetra sy nalemy ny lohaliko ary na ny zavatra rehetra nataoko aza dia tsy nanànako antoka daholo.

Nitomany tanaty aho, satria mbola tany amin’ny birao. Tsy haiko nofefena kosa izany nony tany an-katakonana tany. Naka bàhana aho, ary rehefa nahazo hery kely dia nanapariaka ny hafatra ho anareo namana rehetra - ialako tsiny izay tsy naharay mailaka avy amiko noho ny fo feno tafahoatra -

Ny tao an-tsaiko voalohany dia ny niteny tamin’ny Lehibeko hamela ahy haka andro tsy iasana hahafahako mandevina an’i Kamba kely (Isaorako azy fa tsy nandà izy). Saingy rehefa niantso sy nifampiresaka matetika tamin’ny fianakavian’i Kamba aho, dia tsy ho tratranay telo mianadahy avy aty Antananarivo ny hitondràna ny razana hiala an’i Mahajanga, satria any ambanivohitra lavitra an’i Mahajanga no hitondrana azy,ka tsy maintsy miala aloha araka izay tratra ny fianakaviana, na dia mbola amin’y Sabotsy aza vao hasitrika i Kamba.

Ho anareo rehetra nahalala azy, ho anareo rehetra nahare fotsiny koa aza angamba, ary ho anareo vao nahita ny aminy amin’ny alalan’ity hafatra ity, dia fantaro fa TSY MATY AO AM-PO I KAMBA, mivavaha ho an’ilay anabavy kely kambana aminy, navelany ho irery eo anivon’ny fianakaviany, mivavaha ho an’ny reniny izay niezaka hatrany hitady ny soa sy ny tsara ho azy tamin’izay fotoana kely nandalovany teo anivontsika, sy niaretany izay rehetra azon’ny nofo keliny nozakaina tety ambanin’ny masoandro

Tsarovy ny fiaraha-mientana nentin’i Kamba teo amintsika rehetra, tazony izany ho fahatsiarovana azy sy ho fanohizana ny asa amin’ireo Kamba kely hafa mila izany, sy mbola hila izany

Maty izy, tsy nahavita nisaotra anareo rehetra tonga nijery, nitrotro sy nanafosafo azy fony fahavelony, maty tsy azontsika natrehina tamin’ny fotoana farany sy ny minitra fara-fananana azy koa, nefa koa VELONA SATRIA MBOLA EO ISIKA REHETRA NIARAKA TAMINY SY NANOHANA AZY

nalaina tao @ http://gazetyavylavitra.wordpress.com/


:cry:
17. Angie ( 21/03/2009 21:39)
vahotra ny lela
tsy mahita ambara
mahatsiaro lay zaza
i Kamba malala

efa nanao izay azo atao
mba nanampiana anao
zay natao tamin'ny fo
nefa atao ahoana moa?

ny hany azo atao
dia mitraka toy izao
mirary soa indray
ireo zaza miandry anay

koa miantso ny rehetra
mba hitia tsy misy fetra
indrindra fa ny ankizy
zay tsy manantsiny


:cry:
18. tywa68 ( 22/03/2009 11:32)
Mirary fiononana feno ho anareo namana nikarakara sy ho an'ny fianakaviana nilaozany. :-* :cry:
19. endrika01 ( 08/04/2009 12:29)
Na vao androany aza ny tenanay no nahita ity hafatra mampalahelo ity,dia mbola mandefa hatrany teny fampionona hoany fianakaviany,ny namana serasera rehetra,sy ireo olon-tsotra nanampy azy.Tsy manadino am-bavaka ny fianakaviany!!! :-*:-*:-*:-*:-*
20. endrika01 ( 08/04/2009 12:31)
Na vao androany aza ny tenanay no nahita ity hafatra mampalahelo ity,dia mbola mandefa hatrany teny fampionona hoany fianakaviany,ny namana serasera rehetra,sy ireo olon-tsotra nanampy azy.Tsy manadino am-bavaka ny fianakaviany!!! :-*:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1745