SAMIA MANDINIKA

1. ninimalala ( 19/03/2009 04:48)
Mahagaga ahy fa de be mahitsy ny mpanolotra hevitra eto @ ity sehatra politika ity, fa ny tsapako ko de be ny mpankafy an-Dra8. Tsy omena tsiny nareo fa samy manana ny tiny io de zay le demokarsia hoy nareo, saingy zao efa ratsy ve de mbola ho tsara eh, tadidio fa ny Alika no miverina @ nalohany de avelao mba hanao lay ao aloha eh, tsy nisy tombotsoa na de kely aza azon'ny madinika tam Dra8 fa mety nareo mimenomenona reo no nahazo taminy tadidio fa ny classe moyenne teo aloha de lasa 4mi de zany ve de mba tsara ? Na izany aza de mampionona anareo aloha de andraso lay 2ans de eo ndray mifidy eh sa anongana ko fa mbola tsy maty voalavo ankibo ?
novalian'i fijo ny 19/03/2009 22:59
2. ifiona ( 19/03/2009 05:00)
fa nénareo nga niakatra teo @ pouvoir t@ fomba demokratika????

na Ravalo na tsy Ravalo ry kiala rehefa tsy légal dia tsy ekenay a! ary tsy azonareo terena hanaiky an'izany izahay! olona tsy voafidy sy tsy nandalo fifidianana akory ve dia ho ekenay e! raha tsy vendrana izahay ko! =)) :-@



sady nénareo efa hita be zao fa masiso be fa lery vao andro iray nanao KIDNAPPING ireo jeneraly ary NANERY ireo hanao sonia ilay ordonnance, dia ny ampitsony efa niaiky azy ho prezidà ny HCC! zany ve ry kiala tsy hasiso be!
raha mba une semaine na un mois aza ny elanela-potoana dia ekena fa lé izy tena maika be no mahagaga sy mampieritreritra!

3. naritsimba ( 19/03/2009 05:26)
Ho antsika rehetra tsy an-kanavaka.
Demôkrasia no noresahina ka nahatonga izao fiovana izao, tena ekeko tokoa izany ary ny tenin'Ingahy Andry Rajoelina dia mazava hoe: efa najoro ny kianjan'ny Demokrasia ka malalaka ny fitenenana eny rehefa misy ny tsy mety saingy kosa ao anatin'ny porofo mazava.
Raha mba nitaraina mantsy ny tenako t@ taona 2008 mikasika ny zavatra tsy nety tato @ orinasa iasako, ary izany dia niaraka t@ porofo mazava dia tsotra ny tenin'Ingahy Ministry ny vola t@ zany, roahy ireo fa manelingelina.
Raha nanao valan-dresaka t@ mpanao gazety ny tenako t@ izany dia tsy nahazo namoaka ny vaovao ny RNM sy TVM na dia nanatrika aza.
Eto dia sahiko ny milaza fa tsy maintsy milaza ny tsy mety hitako foana aho miaraka @ porofo ananako eo @ sehatra iasako na iza na iza mitondra eo, fa kosa raha misy ny sakantsakana dia tsy maintsy hilaza koa aho fa tsy mety ny ataon'ny mpitondra.
4. rabaradaka ( 19/03/2009 05:37)
Zao dadatoa, mba henoy ihany ny teniko, fanonganam-panjakana no nataon'ny TGV. I rabaradaka manokana de te-hiova saingy tsy ny président élu démocratiquement no esorina eny andalana ka ny andevolahy sy ny andevovavin'Antananarivo no handrava ny fitondrana. Tsia. Tsarovy indray ity tenin'ny rabaradaka ity : tsy ho ela dia hidaraboka i TGV
5. naritsimba ( 19/03/2009 05:51)
rabaradaka> rehefa manao ny tsy mety sy tsy mahafehy ireo ministra sy mpitantana isan-tsokajiny manodikodim-bola dia aleo miala amim-panajana fa tsy hidongy seza.
6. ravatorano ( 19/03/2009 06:50)
amiko dia efa nametra pialana ingahy ravalomanana ary hitako fa efa mihamalemy ireo mpanohana ny ara-dalana fa efa lasan'ny teny "ankianja" ny fahefana feno sy ny fitondrana.tsara raha hy fitondrana hajoro aorinan'ity tetezamita ity no iarahana mijery sy manamboatra mba tsy hiverenan'ny baroa sy barofo ankianja intsony ary koa mba hilana amin i'ty fanavakavahana saranga lazain i rabaradaka etsy ambony ity fa na andevo na hova na andrina samy malagasy avokoa ary amizao mitovy daholo fa tsy hoe misy ambonin'ny hafa kory ka noho izany mba hisian'ny fahamarina-toeran'ny fitondrana dia aleo tena apetraka tsara avokoa ny aro fanina rehetra amin izany !
TGV hidaraboka aloha tsy d mampaninona anay ihany fa ilay firenena hikoroso fahana tanteraka raha tsy hita izay tena politika itondrana azy ao anatin'ny faneken'ny besinimaro no tsara imatimatesana izao.
Fa na izany aza lava loatra ilay 24 mois ! ela !
7. soanja ( 19/03/2009 07:34)
rabaradaka:

Zao dadatoa, mba henoy ihany ny teniko, fanonganam-panjakana no nataon'ny TGV. I rabaradaka manokana de te-hiova saingy tsy ny président élu démocratiquement no esorina eny andalana ka ny andevolahy sy ny andevovavin'Antananarivo no handrava ny fitondrana. Tsia. Tsarovy indray ity tenin'ny rabaradaka ity : tsy ho ela dia hidaraboka i TGV





:cry: :cry: :cry: :cry: :cry:
8. rasobakobako ( 19/03/2009 09:10)
Amiko, ny atao hoe demokrasia dia famelana ny olona haneho sy hitazona ny safidiny fa kosa tsy hanakorontanana ny hafa.
Na i Ra-8, na i TGV, sy ireo mpanaraka azy 2 tonta samy manana ny safidiny koa, fa tsy raharahako rehefa tsisy fiantraikany amin'ny fiainako.
Ny ahy ny safidiko, dia miasa, ho ahy sy ny vady amanjanako, ... Aty Majunga izahay no mipetraka, na dia tsy tany fiavianay aza aty, satria izahay mivady samy miasa aty.
Hatramin'izay nisy korontana izay dia niova ny fiainanay :
- mitaintaina lava isanandro
- ho avy ve ny karama ? Mety ho tara ve ?
- ahoana izay ny ankizy any ampianarana ? miala aloha ato ampiasana , miazakazaka maka mpianatra, 3 ny zanakay mianatra
- ny ankizy tsy mianatra lava, ny écolage aloha foana
- ahoana ilay zanakay any antrano 1 kely miaraka @ mpanampy, sao misy mandroba ao?
- aleo aloha ampadeferina ny fividianana an'izato, na izato, fa aleo atao betsaka ny provision
- ilay provision novidiana avy eo simba fa be loatra
- ny crédit mitombo hiantsoana olona any Antananarivo lava hoe ahoana indray ny vaovao aty ?
- ny tena mba vehivavy ihany, tsy maintsy ampadeferina aloha ny fanaovambolo, sns izay heverina fa mba mety tsy laharampahamehana
- ny asa tsy hay na ho tapitra na ahoana no iafaran'ny toerampiasana
- hisy adimpoko ve ?
- very fotoana isainana politika ka mihena ny fotoana iasana
- any antrano mbola mieritreritra izay iafaran'ny firenena

raha izay rehetra izay, miampy izay tsy voatanisako no resahina dia MIOVA tanteraka ny fiaianako, tsy sitrapoko anefa no nahatonga izany, satria ny SAFIDIKO dia hoe
- miasa tsara aho
- mihavana amin'ny olona rehetra aho
- tsy manelingelina an'iza an'iza aho
- misy vola isambolana miditra amin'ny tokantranoko, izay tsy betsaka, saingy mba azoko tantanana sy tsitsiana eo, nefa izao maty daholo ny programako

Na dia te hiasa aza izahay, dia tsy afaka, fa misy antokon'olona jiolahy, manao didin'ny be sandry, tsy haiko na Ra-8 na TGV na hafa mihitsy, fa ny hitako dia TERENY sy RAHONANY izahay tsy hiasa sy hivoaka ny toerampiasana ?
Ary ireo Jiolahy mafana fo ireo, ho lasa MINISITRA ve ireo amin'ny fanjakana izay harovany ?

Izany ve no DEMOKRASIA , izany ve no fitiavantaninandrazana ? tsy SAFIDIKO izao, fa voatery aho, tsy afa manoatra, satria mbola malagasy, satria mbola eto Madagasikara.
fiakarana.


-
9. xxx ( 19/03/2009 09:31)
vonoy vonoy daholo ze gasy manaradalana amizay tsy misy mi se plaindre tsony
vonoina ny mahantra
vonoina ny atonony
amizay ny tgv sisa manjaka
vonoina ra8
10. fijo ( 19/03/2009 22:59)
ravato an,rah ahotafita ity tetezamita ity,fa to aefa manombok any tsipaka ankarona ko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.056