ela loatra le 24mois

1. zenamy ( 18/03/2009 15:34)
Araho tsara ny vaovao fa nisy deal nifanarahan'i frantsay sy i tgv ary ratsirahonana t@ fandrodanana an'i Ra8. Fa raha zohina dia toa tsy manaraka ny deal i tgv, satria fantatra fa i asterix (ratsirahonana ) no mpanolon-tsaina ao aorinay. Ny fahafantarako azy dia ny fanarahan'ireo dia hoe arodana i Ra8 dia miditra ny transition ka atao 2 mois eo dia election, dia eo no miditra milatsaka filohamp-irenena i pierrot , na i ratsiraka, dia miverina ny exilés rehetra. Ny zava-misy anaefa dia toa mivadika amin'ireo i tgv sy ratsirahonana, fa nohalavain-dry zalahy 24 mois ny transition. Ny dikan'izany dia i RATSIRAHONANA no te hitondra ny baolina koa raha ny fijeriko azy.
Fetsy lahy ity asterix ity re olona.Izy mihitsy no te hitondra eo, fa diniho tsara, nefa ny frantsay ny tiany hitondra eo ela sy hatokisany dia i ratsiraka na i pierot rajaonarivelo.
Ny olna dia tsy afaka ny hamono intsony an'i tgv ry ratsiraka sy ny tariny, satria raha sanatria misy izay dia tsy voaendrikendrika intsony i Ra8 fa efa tsy eo @ fitondrana intsony, ka mety ahazo favori tampoka i Ra8 dia tafaverina. Donc raha ny fijeriko azy dia mbola ho sarotra ihany ny hiverenan'i ratsiraka sy ny tariny eo @ fitondrana, satria, siora aho fa i Ratsirahonana mihitsy no te hitondra eo. Ny tantara no hitsara.
Manomboka miady an-trano ireo zao.
novalian'i Oay ny 18/03/2009 18:44
2. xxx ( 18/03/2009 15:46)
mety ho marina izany satria mety nisy fifanarahana ambadika t@ ra8 sy ratsirahona mba hisakanana padesm sy ny tarany tsy ahazo ny fitondrana,izay efa mikendry fatratra an'io toerana io.Ok ratsirahonana ianao indray izao no fitaratra mba hisakanana ny arema
3. xxx ( 18/03/2009 16:29)
zany lety rehefa manao zavatra tsy hampisainana a! aza zao vao mitsikera ny ambadika rehetra, maninona raha tany am-boalohany raha nisaina hoe mety ve ny fanonganana sa tsia, na d efa hita sy fantatra aza reo olona mody manohana d ny hahongany ihany,ho avy aminy lisany eo daholo ny olona tsy tiany hatr@ zay! aza atao mahagaga!
4. xxx ( 18/03/2009 16:37)
efa hiaraka indray izao ny tim sy arema hanao bradeso bradeso hanongana an'i tgv fa ela loatra le 24mois,jereo eo ny fiovany tantara satria tsy maintsy ny tim sy arema ihany no hanao ny final @ election 2010
5. Oay ( 18/03/2009 16:49)
Za koa aloha d mahita hoe ohatrany misy fihetsika mitady ny hanaovana antsisitosy an'ireo AREMA goaika antitra ireo ny paikapaika ndry Oulder sy Ratsirahonana é! fa mbola maika loatra raha izao fa mbola mila analizy sy tranga maromaro, fa na izany aza d mety hotsara ihany anie ny paika raha toa ka voatsipaka ry goaika antitra AREMA klé, efa mba ampy kosa izay ny an'ireny é!
6. xxx ( 18/03/2009 18:09)
mbola ady be io ary ho hita eo daholo ireo karazana alliance,noho le seza volamena,ary tsy akitsitsitsitsy mihitsy
7. Oay ( 18/03/2009 18:44)
xxx:

mbola ady be io ary ho hita eo daholo ireo karazana alliance,noho le seza volamena,ary tsy akitsitsitsitsy mihitsy



Ka tsy maintsy hiavaka ny vary sy ny tsiparifary é
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3235