Ny antony nialan'i Ravalomanana

1. essera ( 18/03/2009 06:11)
Salama daholo é.

Ho an'ny mpanohana an'i Ravalomanana sy ny mpomba an'i TGV.

Efa maro loatra tato ho ato ny tsaho sy ny fandranitana na avy amin'ny andaniny na ny ankilany. Izao dia lasa ny TIM indray no manao barrage. Vaky ny banque centrale é, etc etc...

Amiko ny antony nialan'i Ravalomanana na tsy nisy teny "fialana" aza tamin'ny déclaration nataony dia ireto antony ireto :
- Tsy maintsy nisy ny pression avy amin'ny diplomates rehetra (satria fantatry izy ireo ny grandeur ny avy any am TGV).
- Efa tsy nadio tamin'ny fifandraisana Ravalomanana na tiana na tsy tiana (valiny tsy nahafapo nalefany tamin'ny mpamatsy vola, incident diplomatique tamin'ny ny namerenana ny ambassadeur frantsay nisy teto amintsika...)
- Tiany sady efa nahazatra an-dRa8 ny mitsipaka ny namany ka nivadika daholo ny namany noeritreretiny tamin'ny fotoana tsy nampoizina.
- Tsy noeritreretiny hoe bandy kely no hahavita handrava ny empire saika hatsangany.
Ahoana ianareo amin'ireto fiteny ireto :
-> "Mbola tsy hary elatra akory dia te hanidina"
-> "Tsapao aloha ny hery vao mifanandrina aminay"
-> "Raha mbola misy koa ny azo totofana dia totofana hanatsarana ny tanana"
-> "Raha sandry samy manana ny azy"
-> Vao tamin'ny alahady : "Misy mieritreritra hoe han... A A AAAAAAAAAAAAAAAA" Tsy hiala aho e (dixit Ratsiraka et Ra8)
-> sns sns.

Tsy nahay nifidy adversaire Ra8 fa noeritreretiny ho toy ny combat tamin'ny Pety, Roland Ratsiraka, 3 Frères...

Anatra ho amin'ny sisa ireny zalah hoe ny vava tandremo ihany ny vava tsy ambina sy ny fanevatevana fa manangona fotsiny ange ny olona "anontaniany anao amin'ny andro iray". Oups

Mazotoa daholo ry zareo a
novalian'i endrika01 ny 18/03/2009 14:42
2. ifiona ( 18/03/2009 06:33)
zany eo ihany, ilay pression avy @ diplomaty koa teo,fa indrindra indrindra, efa nisy taratasy avy any @ HCC izay efa voavidy vola any ho any tokony hanaiky ny déchéance an'i Ravalo... raha tonga anefa zay taratasy zay dia tsy afaka mi-se présenté @ élection manaraka ntsony lery...

dia naleony niala talohan'ny nahatongavan''izay taratasy izay

zao koa ny fantaro hoe TGV a triché! TERRORISME no nataony niakarana teo @ fitondrana. Tsy i Ravalo akory no dictateur fa i TGV, ary hita nibaribary zany omaly ( fangalana an-kery ireo jeneraly sy fanerena hanaovana sonia).

Mila mijery dico kely ny olona rehetra miteny hoe dictateur ravalo fa tena mbola tsy hainy zany hoe dictature zany.

Miampy amin'izany dia tsy nandalo ELECTION i TGV vao niakatra, i Ravalo voafidy (54% t@ 2002, + de 60% t@ 2006).

Vita tompoko fa ndé hianatra ny ankizy

3. ravatorano ( 18/03/2009 07:21)
ifiona < =)) =)) =)) =))
4. essera ( 18/03/2009 08:03)
Ifiona,

dictateur nom masculin
1. Antiq. Rom. Magistrat suprême investi temporairement de tous les pouvoirs politiques et militaires, en cas de crise grave.
2. Mod. Chef d'État qui, s'étant emparé du pouvoir, gouverne arbitrairement et sans contrôle démocratique ; autocrate.
- Par ext. Personne très autoritaire.

(c) Larousse.

Ilay faharoa no tian'ny olona tenenina eto satria nasainao nijery diksonera moa zany izahay.

Tena niharihary be io teto an-tanindrazana fa mety tsy mipetraka eto angamba ianao :
- Akatony iry orin'asa iry. Dia "ainsi soit-il" Ny "amen" contrôle financier amin'io.
- Ranona gadrao. Dia mivoaka ny didy fampisamborana. Nisy nivoaka avy eo vao tonga saina fa tsy nitombina indray ny fampidirana azy tany am-ponja. Cas an'i Roland Ratsiraka io. Nosakanana ankolaka izy tamin'ny fifidianana maire dia nampanaovina vacances kely tany am-ponja.

Ny nandeha tamin'ny télé omaly ange ré oul ka olona tsy olona no nandray an'i roland ratsiraka tao tamatave e. Hita be hoe reven'ny olona any lery fa natao tery vai-manta tsy hiakatra fifidianana satria tonga dia potika ny TIM raha lery no adversaire ao.

Misaotra Ifiona

5. majakely ( 18/03/2009 08:11)
tsssssssssssss,elah ve tsy mahay politika sa inn e?' ny politiciens tsy maintsy be VAVA ,raha tsy izany izy tsy hahazo olona mihitsy fa vava ,vava,vava hatrany,ho tanteraka io sa no??on s'en F ,tsy maintsy mitennnyyyyyyyy fonafonafona,otran le zazakely manao tatara reny ...ça tourne à 1000 /heure ny ao ambavanyna ts ymifanaraka amin eritreriny aza izany...Azo hianarana enge io ry essera ee!!raha te hanao elah de atao prezida koa e!!hihihihihihi
6. bibidia ( 18/03/2009 08:20)
salama e Mahafinaritra ahy ny fanazavana entinoa eto . Fantatro inao olona mahay miady hevitra tsara . misy anie ry akama ny olona manao tora-po fotsiny
izay no tsyy tiako mamaky ity forum ity matetika.TSORIKO aminao ry akama izaho dia efa 20 ans niala an'i dago . efa nitety firenena maromaro ihany sauf U.S.A nanadaolo tany dago 2 mois 2005 dia efa nahatsapa fa misy lesoka goavana ny ataon'' président RAVALOMANANA niandry aho hoe hiova izy nefa vao maika nivily lalana ny politikany . Misy nieazaka natonony tamin'ny lalana ny sekoly, ny fiaramiasa @ amin'ny vahiny eo no misy lesoka satria mihinanan amam-boliny ranamana ny mpanolotsaina no tene maivana dia maivana. Ny amabaniovohitra dia maboly tsy mahavokatra dia noana (mamatsiaro ahy ny BRSILIEN ) izany hoe misy elanela goavana eo renivohitra sy amabanivohitra. Izaho dia zana mpamboly 100% .Be ny alabotry mamely ny dahalo miraviravitanana ny tantsaha dia noana . aiza ve ny akama ao ANTANANARIVO mbola heno foana hoe "EO HENE ANTSASAKINY FEFANY E aza tao betolana"
mafy anie izany ry akama ny lasantsy mitovy vidy ao frantsa raha tsy diso aho nefa ny karama farany ambany 5O EUROS lava ny resaka fa mba mirary aho mba handidy ahita ny vaniny ary hanapaka ahita toniny any izay olona hitondra @ manaraka veloma é
7. essera ( 18/03/2009 08:36)
>bibidia.

Misaotra anao tamin'ny famaliana an'ilay hevitra e.

Nandiso fanantenana tanteraka ny fitondrana 7 taona lasa teo. Tena tonga dia azoko lazaina mihitsy hoe : "Tapenana amin'ny zavatra hita maso ny tena réalité amin'ny fiainan'ny malagasy".

Tsy afaka ny hiteny aho hoe tsy nanao n'inon'inona Ravalo. Saingy kosa dia azoko tenenina hoe fetsy be tena fetsy be izy.

Ohatra iray ity :
Namboariny tsara daholo ny làlana tsy nisokatra sy ratsy taloha. Tena faly ary tena na izaho aza nahita ny vokany. Saingy, tato aoriana kely dia nahita isika fa ny valin'izay dia natao am-pihimamba ny tsenan'ny produit laitier rehetra teto amin'ny nosy.

Société Lalasoa, Socolait. Aiza ireny izao. Sahia miteny eto izay mahafantatra société manao produit laitier ka mahenika faritany iray fotsiny ohatra. Omeko bizourka izay mahita. Tsy misy.

Ny menaka, tsy mahita menaka tsy miloko TIKO izany ianao fa vitsy dia vitsy raha hahita. Sa ve mandainga aho ?

Ny namako iray izao mpivaro-kena anisan'ny mba mpamatsy commune iray teo aloha. Izao na ny tsenany aza mila tsy ho vitan'ny omby alainy intsony fa voatery mandeha miverina maninjara indray maka any amin'olona. Ny antony dia efa teo am-pamolavolana ny hi-monopoliser-na ny resaka varotra hena ka efa nopotehina tsikelikely izay tsy mpiara-miobon-antoka.

Ny dikan'ilay izy. Asainy mitehaka isika amin'ny zava-bita fa ao ambadik'ilay izy tena "MAGOUILLE avo lenta dia tena avo lenta".

Tsy afaka ny hanery anao mpamaky aho hino na tsy hino fa hevitra ihany iny ary fomba fijeriko manokana nefa tena hananako conviction.

Misaotra é
8. Oay ( 18/03/2009 08:44)
ifiona:

zany eo ihany, ilay pression avy @ diplomaty koa teo,fa indrindra indrindra, efa nisy taratasy avy any @ HCC izay efa voavidy vola any ho any tokony hanaiky ny déchéance an'i Ravalo... raha tonga anefa zay taratasy zay dia tsy afaka mi-se présenté @ élection manaraka ntsony lery...

dia naleony niala talohan'ny nahatongavan''izay taratasy izay

zao koa ny fantaro hoe TGV a triché! TERRORISME no nataony niakarana teo @ fitondrana. Tsy i Ravalo akory no dictateur fa i TGV, ary hita nibaribary zany omaly ( fangalana an-kery ireo jeneraly sy fanerena hanaovana sonia).

Mila mijery dico kely ny olona rehetra miteny hoe dictateur ravalo fa tena mbola tsy hainy zany hoe dictature zany.

Miampy amin'izany dia tsy nandalo ELECTION i TGV vao niakatra, i Ravalo voafidy (54% t@ 2002, + de 60% t@ 2006).

Vita tompoko fa ndé hianatra ny ankizy

ifiona a! mba azavao tsara toa ny fanazavana omen'i essera fa aza boloky mamerina tsianjery é!
Aza laniandro manaratsy ny vatan'olona fa hevitra avoaka fa tsy maharesy lahatra anay vahoaka tsy miandany ny filazana fa:
Akoho lahy fataka é!
Kely fingotra é!
lava sanga é!
Lucky Luke é!
TGvendrana é!
Jiolahimboto é!
DJ é!
Ny hitanay izao d izy no eken'ny rehetrarehetra!
Momba ny hoe voavidy vola d i Marc Ravalomanana no Malagasy voalohany nieritreritra fa azo vidiana vola daholo ny zavatra rehetra eny fa hatramin'ny fanjakan'ny lanitra.Porofo:
_milliard ny vola nomena ny fiangonana hanoanana anazy.
_Nataony izay hampatanjaka ny TIKO (monopole) ka izay rehetra nikasa ny hifaninana taminy d nopotehany ohatra @ izany :3 frères, Quartz, Ramanadraibe, Andry Rajoelina ary indrindra ireo tambanivohitra mba miompy omby be ronono @ faritr'i Ivakinakaratra iny.

9. majakely ( 18/03/2009 08:45)
de à partir n'izao andro anio izany zao de ho lafolafo kokoa ny vidin'ny rononon'i bebe anay any ambanivivohitra satri dépuis ny greve zay de tsisy mpividy le ronono nefa io mba volakeliny....misaotra anareo izna kooo....
10. Oay ( 18/03/2009 08:57)
Mazava ho azy ry manjakely fa hiakatra ny vidin'ny ronono eny @ mpamokatra satria tsy ny TIKO irery no hametraka izay vidiny tiany hividianana anazy.
Ary hihena ny vidiny eny @ mpanjifa satria hisy fifaninanana mazava io ilay lalanan'ny "Tolotra sy ny Tin'ady" (Loi de L'offre et de la demande)
11. xxx ( 18/03/2009 09:00)
Namboariny tsara daholo ny làlana tsy nisokatra sy ratsy taloha. Tena faly ary tena na izaho aza nahita ny vokany. Saingy, tato aoriana kely dia nahita isika fa ny valin'izay dia natao am-pihimamba ny tsenan'ny produit laitier rehetra teto amin'ny nosy.

io lé oé "RIP", route d'interet presidentiel. efa nolazaiko teto io, fa ny sasany moa tsy nino.
i sambaina-faratsiho-soavinandriana saika "RIP", fa tsy tafa tampoka ny fahazona lay tany B tao faratsiho tao, dé nidoboka teo io fikasana io. efa faly ery nefa ny tambanivohitsha, fa oé hisokatra ny lalana, efa faly ny mpitatitra, fa hisy lalana iray vaovao ndray zany. saingy indjish!!!

12. Oay ( 18/03/2009 09:19)
Aleo aloha azavaina kely fa tsy vola nivoaka tany amposin'i Marc Ravalomanana ny nanamboarana ny lalana fa ny vahoaka no handoa ny trosa.
_T@ androdratsiraka d nopotehina ny lalana satria amin'izay sarotra ny fifamoivoizana d izay manana fiara matanjaka ihany no tafiditra any @ faritra maro manerana ny nosy.
_T@ androravalomanana indray d namboarina ny lalana fa kosa nohamafisina ny sakana eo @ fanaganana orin'asa mikasa ny hifaninana @ TIKO.
Mitovy ilay fomba fiasa na d tsy sahala aza ny tanjona d "Famoretana vahoaka" satria ny vahoaka dondrona sy noana d tsy afaka hisaina sy handinika.
Maro ny olona nanome tsiny an'i Pr Zafy momba ny Mada Raid kanefa lazaiko fa mila natao ireny ahitana marina ny tena zava-misy saingy "Ireo olona marina izay antenaina ny ankamaroany d mitavozavoza"
13. xxx ( 18/03/2009 10:15)
Oay:

Fa nahoana koa no tokony ho volan-Ra8 ? Négociation no anjaran'ny fitondràna fa tsy mamoaka vola am-paosy ... Mba mianàra ihany ho aho

ho hita eo ny tsy famoretana ataon'i TGV e
14. xxx ( 18/03/2009 10:22)
Entre le "méchant" et le "très méchant", les malgaches ont choisi le "très méchant" !!! Euh est-ce qu'ils ont choisi ou est-ce que le très méchant les a forcé ...
15. endrika01 ( 18/03/2009 14:41)
bibidia>mampalahelo tokoa reo tsy mba mahavidy,afa-tsy HENA ATSASAKINY FAHEFANY ,vahaolana amzany ve tsy aleo ihidina 1000ariary ny kg ny hena dia mba ahavidy FAHEFANY izy ireo,zany hoe ny VARY mba 250ariary ny kg (fa tsy ariary 5 hoy ny sasany) hi hi hi,
16. endrika01 ( 18/03/2009 14:42)
bibidia>mampalahelo tokoa reo tsy mba mahavidy,afa-tsy HENA ATSASAKINY FAHEFANY ,vahaolana amzany ve tsy aleo ihidina 1000ariary ny kg ny hena dia mba ahavidy FAHEFANY izy ireo,zany hoe ny VARY mba 250ariary ny kg (fa tsy ariary 5 hoy ny sasany) hi hi hi,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.054