Tsy nanapaka tetezana ny mpitondra taloha ka ndao ny TGV

1. penguin ( 18/03/2009 05:50)
Tsy nanapaka tetezana ny mpitondra teo aloha ka miandry ny hafangainam-padehan'ny TGV ho fandrosoan'ny firenena izahay. Aza maka ny tarika mpitondra teo aloha fa izay no nahavizana sy nahapotika anay ka mba hampetrao daholo ny TGV vaovao eraky ny Ministera sy toerana isanisany sao simba sahala anay.
répondu par Oay le 18/03/2009 09:11
2. njara2007 ( 18/03/2009 05:58)
Marina izany rahalahy; AOKA ho FENO HAFANGAINAM-PANDEHA Am'zay ny TGV
3. karavasy ( 18/03/2009 06:02)
Marina ny anao ary anisany tena manimba ity Madagasikara ity mihintsy ilay mpitsambikina sy milaza ho tsy mitaingina soavaly maty. Ny ao anaty nefa hamotika saingy aza adino fa ny asa soa ho an'ny Tanindrazana tsy ho an'ny TGV fa ho anao sy ny vady aman-janakao. Aza miosona amin'ny ratsy raha tsy tia ho lo vetivety. Azo tamin'ny vozon'ankanjony hatramin'ny filohan'ny FJKM satria izany no endrika tsara hoy ny TGV. Ampianarina ny ratsy ny vahoaka ka aza taitra fa ny anao ho avy ihany.
4. penguin ( 18/03/2009 06:08)
OK, mbola miaraka ny mitovy hevitra ary tandremo ny miray hina amin'ny ratsy araka ny voasoratry ny akama. Tsy mbola very fa mbola samy eto mifampitady eto amin'ny serasera eto. Ny fako eran'ny tanàna aloha miampy ny simba rehetra nanaovana sakana manginy fotsiny. Mafy ny asa miandry hoy ny TGV ka ho hita ny fialana ny Fahantrana amin'ny endrika TGV.
5. ifiona ( 18/03/2009 06:35)
merci less penguin
6. reeves ( 18/03/2009 07:10)
Efa miala any sahady ny kirizn`ny menaka , fa aiza ary ty ilay menaka 10 000 Fmg / litre ?
7. ravatorano ( 18/03/2009 07:25)
vao omaly ange lery no nahazo pleins pouvoirs e
fa d ho hitatsika eo ny TGV hikarakara ny fiainam bahoaka amiza
samia ary miara mikofoka mba hialana amin izao fahantrana izao fa aza manao hoe nenay ravalo ihany ka raha tsy eo izy dia tsy hiraharaha izay mitondra eo izahay.Ny ahy aloha izao dia ny fiandrasana fifidianana no tanjoko satria any ihany no hahafahako mizesta ao anatin'ny roa na telo segondra anadatsahako ilay bilétà anaty valopy iny
8. majakely ( 18/03/2009 08:05)
ny but ange de handroso ny malagasy,ts yho hisy intsony ny corruptions sy ny halatra ,sy ny fahalotoana sy ny fahalafon'ny fiananana ,donc andraso kely kosa ee!!izy zao no filoha de aleo omena tso-drano izy mba tsy hidona am pôtô hozizy tafita zay !!!de mba ho mora ny fianana ee ,zay ihany satria amin'ny tany mandroso aza mbola misy sahirana mafy ka raha ny any amintsika ho fongana ny fahasahiranana ben moi je dis bravooo déjà en avance!¨zay alouh ny ahy no faniriko ee,,,alao ariana any ny resaka principe hoe pro atsy pro ary fa ny hanasitrana ny firenena efa marary be io zao no tanjona !!Sa ahoana???
9. Oay ( 18/03/2009 09:11)
Ka ilay izy aloha tena tokony entité neutre kosa no hametraka an'ilay repoblika vaovao klé ny antony hilazako an'izany d izao:
_Marc Ravalomanana aloha efa lasa iny, ny fialany kosa anefa tsy tokony hadika hoe "tsy afaka manao politika intsony izy".
_Na tiantsika na tsy tiantsika d izao fiakaran'i TGV izao d ao ny manohina satria ao ireo mpomba anazy ary ao koa ireo mpanohitra noho izany
>>NY mpanohitra d tsy hijanona ny hanao izay tsy handehanan'io tetezamita io ka handany andro izany, faharoa rariny koa ny mpanohitra raha mieritreritra fa tsy maintsy hisy fiandaniana sy fitongilanana @ izao.
>>Ny mpanohana indray d hanery an'i Andry Rajoelina hanao izay fomba rehetra hitazonana ny fitondrana d miverina toy ny teo aloha.
Noho izany d mbola miverina @ ilay fanomezana ny fanjakana @ vondron'olona tsy miandany ny tenako io vondron'olona io d vondrona maromaro d tena tsy miandany ka tokony hiaraka ao ny Miaramila,FFKM,ary ny Société civile ireo no mitondra fa ny rehetra 'fihaonambe mpirenena) kosa no mamolavola ny lalana fototra hidirana @ repoblika vaovao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0621