Mivavaka amin'ny anaran'i kristy ...ahoana izany ?

21. niryna ( 31/03/2009 15:28)
coopsal:

Miarahaba indray e,
nona no atao hoe mivavaka ?


Na inona finoana dia samy mivavaka ilay zavatra tsy hita maso ,na zavatra hita maso ,zavatra na olona na hafa koa ka atao ambony noho ny zavatra rehetra .Io no ataoko hoe mivavaka,tsy ny kristiana ihany fa na dia ny tsy kristiana koa aza dia mivavaka ary miseho ao amin'ny baiboly iireo olona nitomany niantso ny andriamaniny( baala) .
Maninona ny olona no mivavaka? mitady vonjy,mino ny fanantenana,mba hiala amin'ny tahotra sy ny disadisa ,ny fiahiana ,ny zavatra mety mitranga amin'ny fiainana ,toy ny firenena latsaka ankaterena ,dia samy mitady sy miezaka miantso ilay Atra hinoany avy ny olona .Matetika izany ao anatin'ny fahoriana ,olona tsy mety voavahan'ny tena irery,ny zavatra mitranga ka tsy ahitana vahaolana no mivavaka ny olona ,matetika hoy aho a,

I Mpanjaka 18:26-29
http://baiboly.org/toko.asp?boky=IMPANJAKA&toko=18&andininy=26-29&dika=
Mbola hitohy fa maninona ny olona no mivavaka ?

22. niryna ( 02/04/2009 17:49)
coopsal:

Miarahaba indray e,
nona no atao hoe mivavaka ?

Ny atao hoe mivavaka dia fihetsika iray hanetretena(humble worship) izay hitadiavana an'ilay Atra ao am-po

raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
II Mpitsara 7:14


Rehefa mivavaka matetika dia manomboka amin'ny fifonana sy ny fiaikena ny heloka ( confession of sin)
Fa ny heloko no hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo] Salamo 38:18

Ny mivavaka koa dia mangataka amin'Atra mba itarika ny dia na ny zavatra atao mba tsy anaonao foana fa manankina izany Aminy:

Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina. II Sam 5:19

36 Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.I Sam 14:36


Raha tohizako ny atao hoe mivavaka dia :
*fomba iray hifandraisan-tsika amin'ilay amin'Atra Ray izay any an-danitra ( intimate relationship with our heavenly Father .

Ny fanontaniako dia hoe ny baiboly ve mampianatra antsika anao hivavaka, (right way to pray?)

Moa ve Atra mamaly vavaka foana ? sa rehefa tsy mitovy ny eritreritsika ilay vavaka nangatahina dia milaza isika fa tsy mamaly vavaka izy ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1905