Vaovao vao izao: MAY KOA NY......

1. Randria2009 ( 17/03/2009 22:30)
Vakio hatramin'ny farany:

ANTSO AVO

Daty: mar 17 mars 2009 22:11:27

Ho an’i Terak’Iarivo iray manontolo,

Ho an’ireo Terakin’ny faritra hafa nefa monina eto Antananarivo sy ny manodidina,

Ho anareo rehetra mandala ny rariny sy ny hitsiny,

Ho anareo tia ny mariny ihany sy ny marina hatrany,

Ho anareo mandala ny ara-dalana,

Ho anareo rehetra tsy mankato ny barofo be fahatany,tsy mankato ny herisetra ,

Ho anareo mankamamy sy miloloha ao an-tampon’ny loha ny soatoavina malagasy, ny hasina amam-pahendrena maha-malagasy, ny fihavanana,

Ho anareo rehetra na inona na inona ny firehan-kevitra politika anananareo, nefa Malagasy tia fandrosoana hianareo, Malagasy tia an’I Madagasikara hianareo, Malagasy tia an’Antananarivo hianareo, Malagasy tia fifanajana, Malagasy, tia ny firaisankinan’ny samy Malagasy sy ny firaisampirenena ,

Ho anareo miaramila am-perinasa na efa misotro ronono nefa manaja izany atao hoe “discipline” izany na fitsipi-pifehezana eo amin’ny samy miaramila,



Tompokolahy sy Tompokovavy,



Noho ny maha-malagasy tia manaja ny ara-dalana anay, satria atosiky ny feon’ny fieretreretanay izahay no anaovanay izao antso avo izao ampanetretena, ampitiavana sy ampanajana ho anareo satria:



Nodoran’i TGV I Antananarivo,

Nopotehin’i TGV I Antananarivo,

Nolevonin’i TGV I Antananarivo,

Ho lasa lavenona I Antananarivo,

Ho kila forehitra I Antananarivo,



Ho potika I Madagasikara,

Ho levona I Madagasikara,

Ho sambo lehibe rendrika I Madagasikara,

Ho saro-kenatra I Madagasikara



Tsy hahita ny anjara masoandrony eo anivon’izao tontolo izao ny taranak’ I Madagasikara,

Ho sokina nanani-bato tapi-dalan-kaleha ny taranak’ I Madagasikara,

Ho jamba eo anivon’ny fahazavan’ izao tontolo izao I Madagasikara,



Satria



Ho viravirain’ny amboa dia avy eto antoerana sy avy any ivelany I Madagasikara,

Harapan’ireo mamba noana I Madagasikara,

Ho rasarasain’izireo ny atin’ I Madagasikara,

Ho lasa tsikafona eo anivon’ny Ranomasimbe Indianina I Madagasikara,



Tsy mendrika izany rehetra izany I Antananarivo sy ny mponina rehetra ao aminy,

Tsy mendrika izany rehetra izany I Madagasikara,



Noho izany,



Ndao hifanome tanana hiaro an’ Antananarivo

Ndao hifanome tanana hiaro an’ I Madagasikara,

Ndao hidina marobe eny an-dalam-be hanao rodobe hifanitsa-kitro hanentsina ny arabe, avy avaratra ka hatrany atsimo, avy atsinana ka hatrany andrefana,tsy ankijanona mba hanehoantsika izay manaja ny ara-dalana eo imason’izao tontolo izao fa maro an’isa isika tsy manaiky velively izao fanazimbazimbana ny rariny sy ny hitsiny ankehitriny izao, fanitsakitsahana ambany faladia ny voninahiny sy ny haja aman-kasin’ny vahoaka Malagasy izao, fanariana any an-dava-piringa ataon’ny olom-bitsy toy an-dry TGV sy ny forongony toy an-dry Jacques Sylla tsy mena-mivadika toy ny tanalahy,ny safidin’ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo taminy 2006 ary indrindra ny famarinana an-kady any anatin’ny lavaka lalina mangitsokitsoka tsy hita noanoa an’ I Madagasikara malalantsika sy Antananrivo renivohiny ankehitriny izao.
Tsy rariny izao koa tsy tokony ho ekena,

Ndao hiaro ny ara-dalana amin’ny fidinana eny an-dalam-be eny andalambe sy eny amin'ny kianjan'i 13 Mey hanehoana fa firenena tan-dalana I Madagasikara. Aoka hiandry ny fifidianana 2012 izay tsy faly fa tsy tokony ho tretriky ny hanongam-panjakana fotsiny. Mitsangana fa lehilahy misikina fa vehivavy hiaro ny ara-dalana
Misaotra anareo, mankatelina anareo tia ny ara-dalana sy ny rariny.

NB;ATAO PHOTOCOPIE MAROBE ITY DIA ZARAZARAINA NA KOA AELY AVY ENY AMBONY HELIKOPTERA
novalian'i maronibe2 ny 18/03/2009 08:26
2. xxx ( 17/03/2009 22:39)
MARINA IZANY DIA MIRAY HEVITRA TANTERAKA IZAHAY ,MANOHANA IZAY ,ATAOVY MATOTRA FOTSINY DIA IZAY E HO ELA VELONA ANIE MADAGASIKAR MAMINAY (l) (l)
3. fijo ( 17/03/2009 22:48)
tsara fa ,saingy sarotra ny hanatanterahana azy.ny any antoerana no tokony taritina aloha .fa rah atafaverina ireny olona tao mahamasina ireny dia vita io
4. xxx ( 17/03/2009 22:59)
aza matahota ianao ry fijo 4mois i tgv raha ela indrindra no eo,izahay ho any dago ary vonona .Isika samy gasy iahny no mahalala eto,democratie a la malagache,nisy solony nify
5. badboy ( 17/03/2009 23:04)
Ataovy fa tohananay aneritreritra eh! :twisted: :twisted: :twisted:
6. fijo ( 17/03/2009 23:07)
za aloha le ady lava ity tsy voako.
io koa anie tsy mila ahongan afa mihongana hoazy e.
-vola aiza ano hiasany eo???
_ny rehetra ef anampitandrina fa tsy misy hanampy mpanongam panjakana.
_ny vahoak aao an toeran akoa,maro no tsy hanaiky izao,ary izany di ahangotraka any anaty any,aryhipoak ahoazy ny farany.
-ny asa efa nodorana,izany hoe ny niasa lasa tsy manana 'asa,ny tsy anasa moa efa maro.
-ny karaman'ny mpiasam panjakana ,aloha amin'ny inona???avy aiza,????
_ny vahoaka tsy manaiky ity barofo lava ity.
7. bazylou ( 17/03/2009 23:08)
tsy matanty resy indray tony dia mivazavaza ao !!
8. xxx ( 17/03/2009 23:10)
VOUS ALLEZ Où BANDE DE TERRORISTES? RAMENER LE PAYS A 50 ANS EN ARRIERE?NOUS SOMMES NOMBREUX A FAIRE OBSTACLES A VOS PROJETS, ET C'EST A PARTIR DE DEMAIN, VOUS N'IREZ PAS LOIN.
VOUS ETES DEJA PERDANTS.NOTRE PRESIDENT EST ALLE PRENDRE UNE PAUSE, IL REVIENDRA EN PLEINE FORME AVEC 80% DE VOIES POUR LUI SEUL.

TCHAO MON AMI
9. fijo ( 17/03/2009 23:11)
hihihi nen'ialahy barofo ko.izahay letsy tsy avy ao anjanomanalina an.kozy e
10. xxx ( 17/03/2009 23:14)
Vomanga be ilay mpitondra ronono.
RAMASA-bomanga.

Dia ho avy amin'izay ny FILOHA HAJAINA DIDIER RATSIRAKA hitondra ny firenena malagasy.

AVOAHY I Mr PETY , Mr VONINAHITRA Jean EUGENE,
Avoahy daholo ny gadra ao TSIAFAHY fa tsy hanaiky intsony izahay.
AVERENO DAHOLO ny refugié tany frantsa 2002 hody @ tanindrazana.

Dia i MR PIERROT RAJAONARIVELO ihany koa ho lasa Praiminisitra na président raha tsy mahavita intsony ny filoha Didier RATSIRAKA.
Fa i Rajoelina aloha dia Nandra tsalokely ka tsy omena toerana e!
Vita ny mission 'ny fa efa niongana i valokely mpitondra ronono ambaniandro.

Saika hadinoko ny RANO any atsimo . Omeo toeran i MONJA ROINDEFO fa tena taranaka mpitolona.

I Mr Xavier Ratsiraka sy Mme Sophie Ratsiraka koa mody @ tanana amin'izay.
Ry Mr Rossy asaina mandoko ny anjely mainty miaraka @ FOZAORANA sy ny BeMOURANGA.


11. fijo ( 17/03/2009 23:17)
izao kosa le resaka tsy mety.nilefa aloha izy de avelao hoany,fa aza be resaka rah atsy hita miverina eo izy.
12. zandikely ( 17/03/2009 23:30)
Mahaiza mihonona e!
Ampy izay aloha fa avadio indray ny tantara e!
Tara loatra zany proposition nareo zany, raha hendry RAVALOMANANA, raha tsy nanao JADONA , raha nitondra tsara ny firenena araka ny tokony ho izy tsy izao no niafarany.
Izy no tsy nahalala ny didy jadona natao teo, firy ny RADIO SY Télé nahidiny, tsy nikasa afa-tsy ny tombontsoany, ny orinasa TIKO OMENA tombotsoa, tsy mandoa TAX, omena izao facilités rehetra izao. Iza no tsy nigadrainy izay miseho ho mpanohitra, efa ain'olona maro maty mba hiarovany ny Fahefany....
Ny fitsarana nataony instrument politique.........

JE VEUX CÉLÉBRER SON DÉPART,


:lol: :lol: :lol:
13. xxx ( 17/03/2009 23:34)
VAVAN'NY MATY AN-DRANO , MBETIKA MANOZONA ,MBETIKA MIVAVAKA ,MBETIKA

MANELY TSAHO,MBETIKA MAMPISEHO SARY VETAVETA ,ITY FARANY ITY MOA DIA

NIKABARY ;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;; LASA ADALA NY TROUPEN'NY RA8 FA LANY NY

DATY NY RONONO TCHAO..........!!!

ho hitanareo fa io resaka vavaka ataony etsy ambony io dia hivadika teny ratsy indray bay gignol :idea:
14. fijo ( 17/03/2009 23:38)
aleo samy haneo hevitra e
15. xxx ( 17/03/2009 23:40)
i mongabe antitra adala indray io mivoatra @ ankondranana mikabaribary fahatany io , hampiadiana olona, efa diska goaka ry ilay fozanambositra ity a!
16. xxx ( 18/03/2009 00:26)
olona 20.000 sy miaramila 100 miaraka polisy sy zandary 100 ve no hibaiko sy hitondra ny baolina dia hanaiky izahay ,non dia ny samedi dia efa manafika e
17. kasimodo ( 18/03/2009 05:37)
Mbola ho avy koa ny anareo eh! ny Filoha aza efa miala mbola be vava eo ihany. tsy midina eto DAGo fa maninona no mijanona any an-davaka any eh!!!!!
ra8 K.O; aleo ho hita indray ny fandehany fa hoesorina ihany izy rehefa tsy mamely :P
18. xxx ( 18/03/2009 07:56)
Rahery a! io kambo Randria 2009 fa manao copie-coller ndray o !!esory ny ps any Rahery a!

:evil: :evil: :evil: :evil: :evil:
19. xxx ( 18/03/2009 08:20)
zao kama ààà,
1- nareo aloha raha any andafy, dé mipetraha miaraka @ exilés any, na koa modia miaraka @reo. aza B resaka eto.
2- ho an'reo niambina teny mavoloha, nareo no nanaiky nampandriany adrisa teny. efa fanapahan-kevitra efa ela zao. aiza izy zao? niara-maty t@nareo tokoa V?
3- ho antsika fjkm, zà matsy anisany, hay moa zany afaka manompo sampy malalaka isika? hay zany no nitondran'i ra8, ny didy folo avy any egipta? sà iza ndray no lazaintsika fa nametraka an'reny tao ambotsorohitra? tokny nisy mpiandry t@ 2002 ngé é. sà tsy nahay reo mpiandry t@zany? sà???????

ndana daholo makeny mahamasina ndray é, dé aza hadino ny mandoha ny frais-n'reo avy any @ faritra taterina @ auto. hay moa efa tapaka ny famatsiam-bola ko, oay tsa niteny ahako

20. maronibe2 ( 18/03/2009 08:26)
Ny demokrasia dia ady hevitra, koa na nenjehina aza ny TGV andry no narovana i RA8 teto dia amin'ny maha gasy antsika dia mandalà fihavanana,ny resy tsy ankoraina ny mpandresy tsy hobiana,fa politika no miady fa tsy isika samy gasy no hiadysy hifamaly sy hifanaratsy,efa iaraha mahalala ny fomba niakaran'ireo TGV eo fa hoe" tsy fantatra akory",niala ampahendrena i RA8 ,aza hadino fa na i Pierrot na i RATSIRAKA dia gasy ,koa noho izany na inona zavatra misy na inonona dia tokony ahay hifamela isika malagasy,satria taorian'ny 1960 dia i Madagasikara no antsika jiaby,ka ny mpitondra zalahy mandalo daholo,fa i Madagasikara antsika mianakavy,ka noho izany raha nahazo fahefana ry ANDRY TGV sy ny tariny dia aleo izy hiasa ary aza tonga dia tsaraina fa matoa izireo niziriziry tamin'ny heviny hatramin'ny farany dia mahatoky ny tenany izireo fa mba misy hoentina koa hampandroso ny firenena araka izay heviriny ho mety na iza ao ambadiny na iza nanosika azy na inona ny tanjony ,koa dia aza mifanasa vangy ry zalahy,fa olombelona isika fa tsy Andriamanitra ka hoe"tsy hisy kilema",aza hadino fa fahefana avy amin-dra8 ihany io fa ny endrika nanolorany azy no tsy mivantana,dia samia ho tahian'Andriamanitra daholo ary atsaharo ny korontana sy ny fifandrangitana fifandrafesana fa tsy mitondra mankaiza!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1119