Aoka izay ry CAPSAT

1. vilambava ( 17/03/2009 19:13)
Hisaorana aloha ny CAPSAT fa "nahatanteraka ny baiko nampanaovina azy". Tena tsy maniry fitondrana tokoa ny miaramila ka notereny ny namany mba hamindra ny fahefana natolotra azy ho an'olon-tsotra.
Tokony hiala amin'izay izy ireo ka hiverina amin'ny toerany teo aloha ary hanampy sy hiara-miasa amin'ny fandaminana ny tanĂ na sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany (ny ahy aloha ny fananako arovako tsara e, efa manao slip doble za zao).
Efa "tafita ny tolona" ka tojo tamin'ny tanjona niriny ny mpitolona milaza ho tia tanindrazana. Enga anie ho marina ny zavatra nolazainy sy hitany fa dia aleo ny asany no hitsara azy ireo ary ny vahoaka no hitsara ny zava-bitany. Ny "Asa Vita no Ifampitsarana" koa no hitondra zany amin'izao ka dia hotsarain'ny vahoaka tokoa anie izy ireo.
Ho hita eo izay ekipa hatsangany fa dia hiaraha-mijery izay fitrangany.
novalian'i xxx ny 17/03/2009 19:35
2. xxx ( 17/03/2009 19:35)
izao izany le hoe mpanafana ny lanonana.. orkestra DAP CAPSAT KO
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0546