Ahoana no no tokony ataoko?

1. ari.malala ( 16/03/2009 06:32)
Miarahaba ny rehetra.

Ahoana no tokony ataoko fa omaly zany ny zanako nitantara zavatra tamiko, ozizy mantsy anà, "neny a, zay mpiara mianatra aminay zay an, classe de 8è izy fa izy hono efa im8 "nilela" (miala tsiny aloha fa tena toy izao no nitenenany azy) d nanontaniako izy hoe inona izany? de hoe tsy haiko ouziz fa hoe mifampidipiditra be hono ny zz andry zareo de taitra be mitsn za, de ts sahy nanohy ilay resaka intsony izy. Izaho aloha tsy nibedy anazy satria tsy azy ny hadisoana, fa ny zavatra noteneniko azy de hoe ts mbola tokony ieritreritra anizany aloha enao zao no tsy tokony hanao anizany fa ny fianarana atao tsara. Noraràko iany koa izy tsy hifandray @ ilay ankizy satria raha sanatria ampianariny anzany ny zanako sao hahitako loza eo! nalaelo mafy izy satria iray fikambanana aminy ilay ankizy ankoatran'ny maha mpiara mianatra andry zareo... (samy mpiservy sady samy scout @zay samy mbola louveteau kou zareo) de eo no mipetraka ny fanontaniako hoe tokony mihaona @ tompon'andraikitra isan'isany @ ireo sehatra telo ireo v aho manazava izany zavatra izany sa ahoana (ny sekoly, ny resp ny mpiservy, ny resp ny scout) satria iray fikambanana ao ireo tsy maintsy miaraka foana izany! Ny handrara azy tsy hamonjy ireo fikambanana masina ireo kosa aloha tsy hataoko satria fanampin'ny fitaizana azy iany ireo mantsy! Raha ianareo no eo @ toerako d inona no teneninareo ny zanakareo d inona no ataonareo? Misaotra mialoha.
novalian'i Hinagasy ny 25/03/2009 04:15
2. caprio ( 16/03/2009 07:07)
Fa firy taona kay ilay zanakao azafady?
3. ari.malala ( 16/03/2009 07:38)
mandray 10 taona @ ity taona ity izy (azafady fa adinoko tokoa ny niteny an'iny)
4. mathla ( 16/03/2009 08:11)
Ny voalohany aloha dia tsara ny nataonao tsy nibedy avy hatrany fa somary efa nisy fahadisoana sahady nataonao tamin'ny fandraràna azy tsy hiaraka amin'izany namany izany. Satria hitanao ny reaction nataony fa tonga dia alahelo avy hatrany. Ny fananany fitokisana anao no nahatonga azy hitantara tamim-pahatsorana ny zavatra henony ary tsy fantany ny maha-ratsy ilay zavatra notantarainy raha tsy izany dia nafeniny ary tsy ho fantatrao mihintsy. Amin'izao zao manana ahiahy ao anatiny ao izy satria nosakananao, ka hanomboka hangalatra hiaraka amin'io namany io hatrany ary vao maika hanitikitika azy mafy io resaka io (enga anie tsy ho izany fa probable be mintsy io).
Tsara ny nataonao nampandre an'ireo mpanabe isan-tsokajiny mba hanara-maso akaiky azy mirahalahy ireto (satria ataoko fa bandy kely izy ireo).
Ny zavatra tokony hataonao,araka ny hevitro, dia miezaka hanamafy hatrany ny fifampitokisana eo aminareo mianaka aloha voalohany indrindra ary fisarihanao azy hatrany mba tsy hanafina na inona na inona aminao (ho sarotra nefa io raha toa ka tsy nisy izany teo aloha, kanefa mino aho fa manana fitokisana be aminao io zanakao io matoa nitantara an'io zavatra io taminao). Manaraka izany dia anjaranao ny manazava aminy tsikelikely araka izay mety ho takatry ny sainy (ary ianao ihany no afaka mahalala an'zany raha fatatrao tsara ny zanakao) mikasika ny fivoaran'ny toe-batan'ny olombelona sy ny adidy aterak'izany. Ny hevitry ny hoe firaisana ara-nofo (raha toa ka ilaina ny hanazavana aminy amin'ny ankapobeny mikasika an'izany).
Mila fitandremana betsaka ny fanabeazana ankehitriny ka mahereza e.
Soso-kevitra ihany ny ahy fa ianao no tena afaka mahalala izay tena tianao fantarina.
5. ari.malala ( 16/03/2009 08:40)
mathla, misaotra @ torohevitra. Ny fifampitokisana aloha dia tena mipetraka eo aminay mianaka e! Izay mitranga rehetra @ fiainany d tantarainy ahy daolo, ary isaorako azy izany. Tsy mbola nandeha nihaona t@ mpampianatra azy aho (adinoko iany koa fa izy classe de 9è moa ilay namany classe de 8è) ka izay no akàko torohevitra etoana hoe tokony hoany ve aho sa izy fotsiny no anazavàko ny rehetra mba itandremany?
6. mathla ( 16/03/2009 08:50)
Tsara ihany no handehananao amin'ireo mpanabe azy. Tokony hambaranao amin'izy ireo fotsiny fa fanaraha-maso no tokony hataon'izy ireo fa tsy tokony hisikotra zavatra maro ary indrindra tsy tokony hanova ny fomba fifandraisana efa misy eo amin'izy ireo ny mpanabe mba tsy hanana sens de culpabilité ilay boay kely. Ary raha mahita zavatra ma fihetsika hafahafa dia mampan-dre anao avy hatrany no tokony hataon'izy ireo, nefa raha tokony hi-intervenir dia ferana amin'izay acte hitany teo ihany no tokony hoteneniny fa tsy hilaza zavatra hafa (ary tena tokony hofadian'izy ireo ny milaza hoe efa niresaka taminay ny reninao ary nampanara-maso anay, ka ho hitanao tsara ny hahazo anao any an-trano...). Amin'izay dia ianao no mitondra ny fanabeazana sy ny toro-lalana tokony hataonao amin'ny zanakao.
Tsy manafoana ny anjaran'ny mpanabe izany. Manana ny anajarany ny mpanabe hafa fa tokony ho fanamafisana sy fanampiana izay efa ataonao ihany ny azy ireo.
7. ikaretsaka ( 16/03/2009 20:08)
tokony tenenina aloha le mpanabe an-dry zareo any ampianarana any , dia tsara koa ianao hoe tsary nisafoaka na gaga aza, fa na iznay aza eduqueo ihany ny zaza @ io resaka io na quite hoe @ vocabl tsotsotra aza sao manao ilay sipakely any bresil eo.

ny ahy ny niece ko 8 taona dia efa eduquena @ ireny momban'ny ireny vonompaiso lasa voankazo ireny no nitondranay mirahalay aby azy .. au moins fantany hoe inona no nahatonga ilay izy fa tsy miracle fotriny.. na hoe tsy notsimponina tany @ hopitaly akory izy fa kobony hoe fa hoe rehefa lehibe i dada sy i neny dia ambolen'i dada voanjavatra ao anaty kibon'i neny dia mitombo le izy de rehefa avy eo avoakan'i nenyany @ hopitaly de lasa zazah, dia hoe rehefa misy volombava ilay lehilahy .. na hoe rehefa hatreto ny halavanao na rehefa misy nono ianao..... na rehefa tsy mianatra fa miasa @ izay vao mety izany...

fa io le hoe "tu es trop petit pour comprendre" io koa anisan'ny fahadisoana be .. indrindra rehefa ny fiaraha monina no mampianatra azy!
8. soanja ( 17/03/2009 03:44)
Misy hitovizany be amin'ny hevitr'i Mathla ny hevitro fa ny hany zavatra tiako hanampiana iray kosa dia tsara ny ampafantarina ny Ray aman-drenin'ilay zaza ny zavamisy satria any mantsy ny olana raha izany. Ny fanabeazana ny zaza dia tsara iraha-manana sy ampitovitoviana ka ny fomba entina hanabeazana izany zaza niresaka izany dia tena atao vaindohan-draharaha tokoa. Hazavaina tsara ny ray amandreny fa tsy ny fikapohana na famaizana ilay zaza no tanjona fa ny hanabeazana azy ny tokony ho fantany. Fivoarina miaraka ny ray amandreny rehetra no tsara amin'izany ary tsy tononina hoe iza ilay zaza afa tsy ny ray amnadreniny ihany no mahalala izany sy ianao niteraka ilay zaza naheno feo.

Ny mpanabe resahina eto amiko dia ny mpampianatra sy ny lehiben'ny sekoly mba hahalalandry zareo hoe inona no mitranga ao anatin'ny sain'ny zaza iray na maromaro momba izany ka ahafahandry zareo manome ny torolalana akaiky na manabe na mampiditra izany ho isan'ny fandaharana -momba izany fanontaniana mety manitikitika ny mpianany izany.

Amin'io taona io ny zaza dia manomboka miditra amin'ny fiodinana manaraka ny fitomboany, efa mihamiala ny fahazazana, zavadehibe amin'izy ireo ny resaka fitoavam-pananahana satria miova ny toe-batany moramora ao, ka na zavatra tsy nisy aza dia ataony ho misy mba hahafahany mahazo kilasy tsara/ toerana ambony mahalala raha noho ny ankizy namany. Mitaky fivondronana na fihatsapana fifandraisana miaraka (belonging to) io taona io ka izay fomba ahazahoany an'izany dia tadiaviny avokoa ary mampiasa sainy izy hahazahoany ny namany hifantoka aminy sy ilay ivo toerana.

Misy koa anefa dia noho ny efa traikefa misy izay nanjo an'ilay zaza: na nahita maso ny ray aman-dreniny na ny olona akaiky azy nanao izany izy na izy mihitsy no victime ny fanimbazimbana efa misy (abuse) eo amin'ny manodidina azy. Ny Psy no afaka manampy azy manala izany raha toa ka mandalo trauma ilay zaza. Matoa ny zaza iray no miteny dia tsy manana tanjona akory izy fa ny zava-mianjady azy ao anatiny no tiany hanalefahana dia lasa hafa ny fihetsika sy ny teny mivoaka. Ny behavior dia karazana symptom fa tsy io akory no fotot'aretina. Mbola maizina kokoa noho izany ny zavamisy iainan'ilay zaza saingy tsy hainy ny mamoaka izany dia lasa resaka sy ny heveriny fa natao no resahiny. Mila tsaboana ilay zaza raha izay na mila investigation. Asa anefa moa any Mada mbola tsy misy an'io child abuse office io sa efa misy???

Mila beazina ny ray aman-dreny hahalala mitily ny olana eo amin'ny zanany. Mbola betsaka ny tsy manana izany raha ny any Mada satria tsy ampy ny fitaovana sy ny famatsiam-bola ary ny politika hanamafisana ny fanabeazana ny zaza sy ny ray aman-dreny.
9. ari.malala ( 17/03/2009 05:47)
Miarahaba indray,

Misaotra anareo rehetra t@ valin-teny. Vao niverina niresaka indray izahay mianaka omaly hariva, ary notantarainy ahy antsipirihany ny resak'izy roalahy. Ts nanapaka ny teniny mitnsy aho fa navelako nitantara hatr@ farany izy. Refa tapitra ny teniny dia ozy a mantsy anazy we mbola hoavy ny fotoana iresahantsika mianaka momba an'izany fa izany zavatra izany natokana hoan'ny olon-dehibe efa manambady iany, ary tsy azo ataotao foana. Tsy haiko hoe mety ve sa tsy mety io valinteniko io... Fa tsy maintsy hitady fotoana faran'izay haingana mintsy aho izany hiresahana @ mpampianatra azy.
10. RATOVOARY ( 17/03/2009 08:08)
Ari> zay aho vao nahita ity dinika ity. Tsy hilaza zvt betsaka aho fa efa ireo natolotry ny namana ireo ny soso-kevitra fa ny hitako ho mety koa dia tsy ny mpampianatra azy ihany no antoninao fa tsara koa raha ny RADn'ilay naman'ny zanakao raha iresahana kely. Mety tsy mahalala ny fisian'izany zvt izany ireo RAD ireo, mety hanampy anao @ fanitsiana azy izany, indrindra ny fifandraisan'izy ireo.
Ao @ scout koa misy rafi-pitaizana hoe "visite des parents", isan'ny asiana resaka @zany ny toetra sy ny fiaraha-monin'ilay zaza ( na antsekoly na antanàna, indrindra nby ao antokantrano ) tsara koa io hanararaotanao iresahana amindry zareo ny toe-javatra misy eo amin'izy roa ireo. Na raha tsy manao an'io ilay fikambanana dia tsara raha manantona azy ireo mivantana ianao.
Izay fa mirary soa.
11. mathla ( 17/03/2009 09:05)
ari.malala:

Miarahaba indray,

Misaotra anareo rehetra t@ valin-teny. Vao niverina niresaka indray izahay mianaka omaly hariva, ary notantarainy ahy antsipirihany ny resak'izy roalahy. Ts nanapaka ny teniny mitnsy aho fa navelako nitantara hatr@ farany izy. Refa tapitra ny teniny dia ozy a mantsy anazy we mbola hoavy ny fotoana iresahantsika mianaka momba an'izany fa izany zavatra izany natokana hoan'ny olon-dehibe efa manambady iany, ary tsy azo ataotao foana. Tsy haiko hoe mety ve sa tsy mety io valinteniko io... Fa tsy maintsy hitady fotoana faran'izay haingana mintsy aho izany hiresahana @ mpampianatra azy.


Nahoana re no dia nagatahana andro indray ny firesahana taminy e? Tsy efa fotoana nahampety ny firesahana ve ilay fotoana namborahany ny rehetra taminao reniny? Mety hitombo ny ahiahiny izao hoe nahoana ary i Neny no mila fotoana manokana sy mangataka andro vao hiresaka amiko ny mikasika an'iny zava-nitranga iny? Efa tena mangetaheta ny hahalala ny tena antony marina ny zanakao ka aza angatahana andro toy izany rehefa mamboraka zavatra aminao. Midika izany fa tokony hanana valin-teny vonona mandrakariva isika RAD manoloana ny zava-mitranga hiainan'ny zanatsika ary tsy mila angatahana andro ny zavatra sasany sy maika toy itony. Azoko ny eritreritrao fa hoe mila fotoana milamina sy mila dinihana tsara ny resaka mba tsy hivaona. Ny olana manko dia izao: amin'ilay fotoana mampalalaka anao sy tianao hiresahana aminy, moa ve vonona hiaino anao tanteraka izy, tahaka ny fahavononana nananany tamin'izy nitantara taminao ny zava-nitranga rehetra?
12. ari.malala ( 17/03/2009 09:55)
mathla, fa tokony omaly iany ve? dia ahoana indray izany izao no fomba hi abordeko an'izay resaka izay aminy?
13. mathla ( 17/03/2009 18:07)
Tsy maintsy mi-créer ambiance indray ianao ka (raha atao resaka kivalavala kely de hoe manao préliminaire). Izany hoe tsy maintsy tarihanao tsikelikely izy mba ho vonona handray sy hi-aborder indray io sujet io. Ary tsy hiandrasana fotoana ela kanefa tsy azo atao tery vaimanta.
Tsy azo atao ohatra raha hoe mijery télé am-le programme tiany iny izy de tapahanao tampoka we avia am-zay tsika mianaka hiresaka, na koa hoe tsapanao fa somary mandosindositra sy mialaala pas zany izy dia aza terena na hametrahana fanontaniana fa andraso izay fotoana mapalalaka sy maha-tranquille azy.
Fomba azonao hitarihana resaka ohatra raha hoe zatra manontany ny zava-nitranga tany am-pianarana na ny zavatra nataony tany am-pilalaovana ianao dia iny no hitondranao azy tsikelikely, ary tsara ny hitarihanao azy hitantara na hanoy ilay tantarany farany ary tsy tokony ho fantany fa hoe misikotra azy ianao. Dia amin'izay ianao no mampiditra an'izay fampianarana efa nomaninao entina hanampiana azy.
Ny tiako hatongavana dia hoe tsy tokony ho formel hatrany ny resaka hifanaovana sy hifandraisana amin'ny zanaka sy ray aman-dreny mba hisian'ilay confiance (ilay fomba mahazatra ny rar miantso ny zanany dia milaza hoe: mipetraha aloha fa iresaka isika dia tena manimba tanteraka ny fifandraisana satria toa midika fa miseho ho mpampihatra fahefana sy manery ny zanany hihaino azy ny rar amin'izay).
Io no nilazako tary aloha hoe tokony hanana valin-teny vonona hatrany ny rar amin'izay zv-mitranga eo amin'ny fiainan'ny zanany. Midika fa tsy maintsy manara-maso sy mahafantatra tsara an'ity zanany ity izy amin'izany.
Mahereza e, tsy mora ny asa fanabeazana.
14. ari.malala ( 18/03/2009 05:31)
mathla sy ireo namana rehetra namaly, misaotra indrindra :)
15. Hinagasy ( 25/03/2009 04:15)
Ary hono ho'aho, rehefa mitantara ilay zanakao dia hoe iza no hanaovan'ilay namany an'izany? Raha izaho aloha dia ohatra ny mahina ihany aho raha zanako ka hoe namany miaraka aminy foana fa sao lahy ny mpanabe manodidina azy ihany no misy ratsy toetra? misy io zavatra io fa mitandrema an!
Ny ahy ny zanako voalohany vao 3 taona bevohoka ny faharoa aho dia nanontany izy hoe fa ahoana no ahatongavan'ny zaza ao anaty kibon'i Neny, dia nazavaiko hoe ny atodin'i Dada no napetrany tao amin'i Neny dia lasa zazakely, dia izy nanontany hoe amin'ny fomba ahoana, dia nazavaina taminy ilay acte amin'ny fomba tsotra tsy misy filirony? dia nazavaina hoe ny olondehibe ihany ,no manao izany ; ary efa folo hafatra hatramin'ny mbola kely ny zanako hoe parties intimes anao tsy misy manana alalana mikitika, fa raha misy manao izany dia aza mety dia lazaina amin'i dada sy neny rehefa avy eo.
Tsy tiako ny mandainga aminy na mbola kely aza izy, fa ny fanazavana fotsiny no atao tsotra .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2208