LE PETROLE DU MADAGASCAR

1. xxx ( 15/03/2009 20:59)
Asa na tena mandinika isika vahoaka na tsia fa ny zavatra fonosin'izao savorovoro eto amin'ny firenena izao dia ny resaka samy te ho patron-ny petrole izay efa an-dalam-pitrandrahana amin'izao fotoana izao.
Jery todika vetivety:
I Ngahy Ratsiraka no nanomboka ary nikarakara ny projet sy ny etudes voalohany.Tsy vitany anefa izany satria mbola tsy rentable ny vidiny tamin'izany ka dia tsy maintsy niandry taona maromaro.Nefa izy dia tsy lany filoha intsony.

Amin'izao fotoana izao dia hita fa ambony ny vidin'ny petrole ka dia profitable ny hitrandrahana azy. Ka dia i Ngahy Ravalomanana no eo amin'ny fitondrana ka dia izy no hanantateraka izany projet izany.

Etsy andaniny anefa dia tsy faly ary tsy manaiky ny tariky Ngahy Ratsiraka satria miheritreritra fa izy ireo no nahita ny voay ka ny hafa no hitifitra sy hiravaka ny vanginy.

Hitan'i ngahy Ravalomanana fa mety hiisy tombony be ho azy koa anefa ity resaka petrole ity ka dia io izy midongy toerana io satria izy dia efa nanao investisment ao koa.

I Ngahy Rajoelina indray moa dia mpanatanteraka mission ihany no toerany.

Mody arirarin'izy ireo (Ratsiraka & Ravalomanana) ny tantara sy zava-miseho nefa dia io PETROLE io no tena ambadik'izao rehetra izao.

Isika vahoaka moa dia tsy mahazo ny vaovao tena marina mandrakariva ka dia isika indray no mifandrafy sy lalaovin'ireo mpanao politika . Nefa ny tetik'ireo mpanao politikantsika ireo dia ny mba te ho patron be toy ireo arabo, Venezuelan, Nigerian sns...

Ka dia anjaran'ny tsirairay no mandinika.

novalian'i nyavo2000 ny 16/03/2009 08:39
2. TEGEVE ( 15/03/2009 21:15)
anaka xxx r8 tsy midongy izany ,izy no filoha légitime ary tsy mbola vita ny mandat-ny no ito TGV ito no maika te hitrandrandra sahady (l) (l)
3. xxx ( 15/03/2009 21:26)
Tsy ny maha legitime sy voafidim-bahoaka azy no mikaonty ry Tezeve! fa ny hoe mahavita manantateraka ny filan'ny vahoaka ve izy.
Raha nividy fiara ve ianao,ka hoe Toyota corolla no nandoavanao vola nefa Toyota Camry no atolotry ny mpivarotra anao dia hanaiky ve ianao? samy Toyota ireo ary samy fiara nefa tsy Camry no notadiavinao.
Dia mitovy amin'izany ity raharaha ity.
Ary ny tenako dia tsy miandany @ tgv na Ra8 na Ratsiraka fa kosa miandany @ vahoaka Malagasy izay atao kilalao sy tohatra fiakaran'ireo mpilalao politikantsika.
4. fijo ( 15/03/2009 23:53)
de iza no hoafak atena hanome ny vahoak ailay tena ilainy ohatra?
5. ndenn ( 16/03/2009 00:36)
Izaho !! :oops:
6. xxx ( 16/03/2009 01:09)
de iza no hoafak atena hanome ny vahoak ailay tena ilainy ohatra?

Aminao kay ahoana no nahitan'ireny firenena mandroso ireny ny filoha izay nampndroso ny fireneny?
Tsy hanome anarana aho satria haiko ihany ny toe-tsain-tsika Gasy. Fa ny mba teniko dia isika vahoaka no tokony hitady ny mpitondra antsika.
I Ngahy Ravalomanana dia nanana opportunite be ny hampandroso an'i M/car sy hitiavanny vahoaka azy fa saingy tsy nahay nanararaotra izany fa nanao tenda an-kanina ka kenda.
7. mpandalina ( 16/03/2009 07:45)
Miandrasa fifidianana rangahy a !

Maninona tokoa ry TGV (terreur goka violeur ) raha miandry fifidianana a !

Raha miandry fiVidianana mantsy ianao ry lucky luke dia izao no zavatra hiseho :

1.Tsy izay mamim-bahoaka rehetra akory no ho lany fa izay mahay mangala-bato. Raha vao midina ny pourcentage ny vaton’ny mpitondra (ao amin’ny ministera fanisana vato )dia hidina (fermer) indray io fa hoe misy fahatapahan-jiro dia voaina afaka andro iray dia miakatra indray ny pourcentagen’ny filoha am-perinasa . Miracle mon ami!

2.Ny ordinateur ampiasaina (sy ny logiciel) ao anatin’ny ministeran’ny ati-tany dia « par le plus pur des hasards » dia ny olona ao amin’ny fitondrana no nahazo ary mbola hahazo ny marchés rehefa natao/hatao ny appel d’offres

3.tsy izay mamim-bahoaka no ho lany fa izay manana helicopters (avec un s) qui fait/fera/feront le tour de mada en 10 jours (tonga hatrany amin’ny fokontany tsy mbola fantatrao hatramin’izay niaiananao nefa ianao efa 25 taona , exp : fokontany Marka , region anosy)

4.tsy izay mamim-bahoaka no ho lany fa izay manana milliards (encore avec un s) ho zaraina sy ampiasaina . t-shirts, vary, ronono, school milk. Mety manana milliard enao ry tgv fa tsy haharaka ny azy mihitsy e! Izy anie tsy mandoa hetra e! Na ny vola hetra tokony naloany fotsiny no efa mille milliards de mille sabords koa!!

5.tsy izay mamim-bahoaka no ho lany fa izay mahavidy olona maro. Amin’ny 2011 ( fa tsy 2012 araka izay lazain’ireo mpandainga, 5 ans ny mandat iray ry Rina Rabetrano mpiasan’ny radio mada a! 2006+5= 2011, miracle e!), amin’ny 2011 izany dia mety ho tonga 200.000 fmg ny fividianana olona hifidy ny filoha am-perinasa. Ho milliardaire ny gasy amin’izany, raha misy olona folo ao antrano efa 2.000.000fmg!!! Enga anie hisy deuxième tour leaza!!!

6.hampiasaina koa ny fiangonana amin’izany 2011, ka raha tsy vice-président ny fjkm ianao ry tanora goaka voudy dia izao dia mialà fa mbola bitika enao e!

7.ny bileta inika (bulletin unique) tsy mbola ho ampiasaina fa manjary tsy maharesy ny olona eo amin’ny fitondrana raha mampiasa izany.

8.mbola ho ampiasaina ny karta elektera nefa karapanondro misy, raha voa fantatra mantsy fa hifidy tanora gaoka vooody ny olona iray dia tsy homena karta elekitera!

9.hisy indray ny fokontany, fivondronana fictif ka hahazo vato 90% ny filoha ao amin’io fokontany fictif io!!

10.any amin’ny toerana izay hita mazava fa resy ny filoha dia foanana ny vokatra ao ka lazaina fa nisy tsy nety tany!!!

FEHINY : na ny Malagasy 20.000.000 (tsy ny Malagasy rehetra akory no afaka mifidy) aza no tia anela ry dj tsy haharesy azy ialahy raha “fiVidianana” no resahina. Azafady fiFidianana kay lay izy!!!
8. nyavo2000 ( 16/03/2009 08:39)

DE TSY MILA FIFIDIANANA VE IZANY RY MISEHO MPANDALINA A ?
ALEO GIDRA TAHAKA NY MISY AMIn'IZAO ! MUTINS MAKA FITONDRANA MIARAKA AMIN'NY BAROFO ? ZAY LE DEMOKRASIA ?

mpandalina:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.16