fahafahana

1. jetl ( 13/03/2009 13:11)
Ohatran’ny mba mahalasa saina ihany ity fahafahana izay takiana sy dradradradraina etsy @ kianjan’ny 13mai ity satria raha tena atao ny fandinihana dia tena fahafahana hiverina indray @ gaboraraka sy ny kolikoly ary ny affaire maloto isankarazany izay nanjaka teo aloha , nahatsapa ho voagejageja manko ireo nanao ny nataony t@ izany fotoana ka dia manohana ny tolona mafy . ity fangalana fahefana amboletra sy saritsariny ity koa dia tena mampihomehy sady mampalahelo, tsy tsara aseho télé akory ireny fa manjary mampiana-dratsy ireo taranaka ! raha ohatr’ireny foana izany no nde hataon’ny izay taranaka hifandimbindimby eto dia hahantra velona eto foana ity Madagascar ity.Ho an’izay mpitondra any aoriana any mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony dia tokony atao izay hanovozan’ny malagasy rehetra fianarana, indrindra ho an’ireo olona sahirankirana satria @ izay tsy ho azo ampiresahina sy fitampitahana toy izao intsony ny olona ; tsy ny olona eny @ 13mai rehetra akory no hoe tsy nahita fianarana fa azo lazaina kosa aloha fa ny atsasaky ny olona mandeha eny angamba dia tsy mahalala ny maha zava dehibe an’ilay « sommet » izay kasaina atao eto amintsika, raha ny zavatra takian’izareo aloha dia vao maika mapidikizo ny firenena, sady tsy misy mpanao magie koa aloha eo ka dia hanakarena tampoka eto isika,tsy hisy mana latsaka avy any andanitra eo fa rehefa miezaka ny tsirairay dia mandroso ny firenena ; raha amiko aloha dia diso hevitra sady voafitaka ireo mpitolona fa hoe raha miala ny filoha Ravalomanana dia hisy fiovana be sy miracle eto , fa vao maika ary pire noho izao . Ny hafatra farany dia hoe tandremo sao manenina fa diniho tsara ny zavatra atao.
novalian'i Oay ny 13/03/2009 15:51
2. Oay ( 13/03/2009 14:16)
Ka io ry jetl d fomba fanaon'ny mpanao politika rehefa tehahazo toerana ry zareo, jereo ohatra ny nataon'i Marc Ravalomanana t@ 2002
_Atao izay hampanankarena ny Malagsy tsiriray avy ka fara faharatsiny mba manana 4L isan-tokatrano d aiza izany izao?
_Ny zava-misy d ireo nanana teo aloha d nihena ny fananany ary Marc Ravalomanana d nihananakarena ihany ny sisa tsy voavidiny d ny fahamarinan'Andriamanitra fa na ny fiangonana aza d efa mikombobava satria i Marc Ravalomanana no manome vola azy ireny.
_Ny tena nampalahelo nandritra izao fitondrana izao d ny sakana atao rehefa misy zavatra azo atao ka hifaninana @ orin'asa i Marc Ravalomanana izany, ny tenako manonkana d nahita maso an'izany zavatra izany satria zavatra nihantra t@ havana, tsy taranaka mpanankarena anefa ny tenanay fa d tambanivohitra kely ary ratoa i Marc Ravalomanana manana 100.000 Ariary d izahay angamba mba manana Ariary fa d lazaiko anao fa nanaovany tsindry azo lena ny fianakaviana sy koperativa é. Fa tsoriko anefa fa fianakaviana Kristianina ny tena ka tsy tia ady d tsorina fa izahay tsy mandeha eny @ 13 mai fa ny vavaka ataonay d ny mba hiovan'ny mpitondra mba ahafahanay manao vadin'asa mba tsy hianona @ resaka fambolena fotsiny.
Ka miresaka fahafahana ianao izahay d mahita fa nisy fanagejana diso tafahotra ihany nandritra ity fitondran'i Marc Ravalomanana ity ohatra @ izany ny raharaha les 3 frères, ny tanin'ny mpamboly tany Ambatondrazaka, ny resaka fivarotankena tetsy Mahazo sy ny sisa tsy ho tanisaina,
Ka aleo aloha mba hiova raha izay no sitrak'Andriamanitra fa na tsy hiova aza io d mino kosa aho fa raha mbola olombelona i Marc Ravalomanana d mba hisaina @ izay atao amin'izay izy @ manaraka.
Momba ny sommet africain d tsotra rehefa mbola tsy tonga ny anjarantsika handray an'izany d tsy tonga aloha.
3. andrywui ( 13/03/2009 14:39)
Ohatran’ny mba mahalasa saina ihany ity fahafahana izay takiana sy dradradradraina etsy @ kianjan’ny 13mai ity satria raha tena atao ny fandinihana dia tena fahafahana hiverina indray @ gaboraraka sy ny kolikoly ary ny affaire maloto isankarazany izay nanjaka teo aloha , nahatsapa ho voagejageja manko ireo nanao ny nataony t@ izany fotoana ka dia manohana ny tolona mafy . ity fangalana fahefana amboletra sy saritsariny ity koa dia tena mampihomehy sady mampalahelo, tsy tsara aseho télé akory ireny fa manjary mampiana-dratsy ireo taranaka ! raha ohatr’ireny foana izany no nde hataon’ny izay taranaka hifandimbindimby eto dia hahantra velona eto foana ity Madagascar ity.Ho an’izay mpitondra any aoriana any mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony dia tokony atao izay hanovozan’ny malagasy rehetra fianarana, indrindra ho an’ireo olona sahirankirana satria @ izay tsy ho azo ampiresahina sy fitampitahana toy izao intsony ny olona ; tsy ny olona eny @ 13mai rehetra akory no hoe tsy nahita fianarana fa azo lazaina kosa aloha fa ny atsasaky ny olona mandeha eny angamba dia tsy mahalala ny maha zava dehibe an’ilay « sommet » izay kasaina atao eto amintsika, raha ny zavatra takian’izareo aloha dia vao maika mapidikizo ny firenena, sady tsy misy mpanao magie koa aloha eo ka dia hanakarena tampoka eto isika,tsy hisy mana latsaka avy any andanitra eo fa rehefa miezaka ny tsirairay dia mandroso ny firenena ; raha amiko aloha dia diso hevitra sady voafitaka ireo mpitolona fa hoe raha miala ny filoha Ravalomanana dia hisy fiovana be sy miracle eto , fa vao maika ary pire noho izao . Ny hafatra farany dia hoe tandremo sao manenina fa diniho tsara ny zavatra atao.



----Marina zany fa izao koa anefa !! fa maninnn no tsy raisinao koa ary ny lafiny nahatonga ny olona naka le fahefana amboletra !! raha olona tena mamimbahoaka sy nadio tsara no tonga teo sy nitondra teo izy de tsy nisy mihitsy hanala azy teo fa ny mpiaro azy aza no ho100% !! jereo foana ny lafy tsarany de manotania tena koa ny lafy ratsiny nahatonga anle action!! satri ny hitsikitsika tsy madihindihy foana akory !! raha tena manotany ny olona avara-pi koa anefa ianao de le teny mafy sy avonavona ary ny fanambaniana sy fFanaovana z'inona ireo Manamboninahitra miaramila,zandary, polisy koa no tena nampitroatra mafy ny Force3 !!!
4. pikatti ( 13/03/2009 15:04)
Tsia lesy andrywui tsy fomba mendrika velively ny fanehoana ny tsy hafaliana toa izao ,tonga ve dia hoe miala teo , ary fandrombana ,n'aiza n'aiza ianao tsy ahita fomba hoatran'izany ^ firenena manaja ny demokrasia ,nefa indrisy fa ny 13 may place de la demokrasia aiza lity zany a!!!
5. Oay ( 13/03/2009 15:51)
Pikatti a! mba asio mipitika aty alou izany é, ny tiako lazaina d hoe olona nianatra ianao ka mba azavao tsara ilay hevitra fa tsy azonay d ozy za hoe oay klé! ny any i andrywui izao d hitako nihamatotra nedala d mihamazava tsara ny fomba fanohanany hevitra asa lasa mahatoky tena tsara angamba nedala(l'évolution positive au profit de son camp l'a boosté) hihihi...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1147