"Natao Mariazy ny Reniakoho..."

1. soanja ( 12/03/2009 23:55)
Tsy tadidiko intsony hoe iza no mihira azy ary ahoana ny tononina fa io dia anisan'ny hira tena nampihomehy ahy tokoa tamin'izany fahazazana izany. Gaga aho hoe hay ny Gasy tena mahay mampihomehy amin'ny alalan'ny hira fa ny henonay hatramin'izay mantsy tamin'izany dia ny hiran-dry Vicky Leandros sy ry Nana Moskouri ary i Mireille Mathieu. Tamin'ireny moa dia tsy andry ny hahalehibe ahazahoana ny tena tonin'ireo mandeha amin'ny diska 45 toro ireo. Dia tampoka teo hoe misy hira mandeha amin'ny radio de fampihomehezana daholo ny tononony.

Nahafinaritra tokoa ireny fotoana ireny ary tsy andry mihitsy ny hamoahan-dry Sakelidalana sy ny hafa hira vaovao mampihomehy. Asa ianareo raha mahatsiaro ny tsapa any anaty tamin'izany. :-* :-*

Misy mahatadidy io tononkira iray io ve mba hohiraiko ho an'ny zanako sy taranako :-* :-* Misaotra mialoha e.

Natao mariazy ny reniakoho dia tao anaty garaba ny randevo
...... tsy tadididko tsony...
novalian'i roja ny 27/06/2023 15:26
2. Mandefitra ( 13/03/2009 04:50)
Kely fotsiny no tadidy :

Natao mariazy ny reniakoho
tao anaty garaba ny randevo
nahita an' zany ra ganagana
tehaka nihira sy nikorana

ny vorontsiloza mirefarefa
......


tohizo o
3. sitlo ( 13/03/2009 05:02)
natao mariazy radadafara
tao anaty garazy i nenifara
tonga avy any radadatoa
tehaka, nihira, namono akoho

tohizo
4. ari.malala ( 13/03/2009 08:29)
Natao mariazy ny reniakoho
tao anaty garaba ny randevo
nahita an' zany ra ganagana
tehaka nihira sy nikorana

ny vorontsiloza nanarak'efa
avy ao arina nirefarefa
niventy ny hira tsy nisy beso
ka ny gisa rehetra no indray naneso
ka iaô ka ia ô ka iaô

d ts tadidy tsony hihih
5. ravonjison ( 13/03/2009 11:44)
ari.malala:

Natao mariazy ny reniakoho
tao anaty garaba ny randevo
nahita an' zany ra ganagana
tehaka nihira sy nikorana

ny vorontsiloza nanarak'efa
avy ao arina nirefarefa
niventy ny hira tsy nisy beso
ka ny gisa rehetra no indray naneso
ka iaô ka ia ô ka iaô

d ts tadidy tsony hihih



....sakafo @ izay nampilendalenda
ka mailaka ery ry lavatenda....
6. ari.malala ( 17/03/2009 08:14)
Tropin'ny bitro ny orkesitra
karama karoty efa volongesotra??
nahita anizany ny akoholahy
.........
sakafo natao nampilendalenda
mailaka ery e ry lavatenda
nivalana sisa no niafarany ka rotaka be tsis otr'izany o
ka iaô ka iaô ka iaô
7. ikaretsaka ( 17/03/2009 16:59)
fa iza aloha no tena mpihira an'io e?
i bouboul?
8. ari.malala ( 18/03/2009 10:39)
Tsy i bouboul fa tsy tadidiko :-P rangà komik b zay koa izy fa ts mety tadidiko!
9. xxx ( 18/03/2009 10:56)
ari.malala:

Tropin'ny bitro ny orkesitra
karama karoty efa volongesotra??
nahita anizany ny akoholahy
.........
sakafo natao nampilendalenda
mailaka ery e ry lavatenda
nivalana sisa no niafarany ka rotaka be tsis otr'izany o
ka iaô ka iaô ka iaô




karama karoty efapolo kesika
10. ikaretsaka ( 20/03/2009 03:03)
fa mba fantatrareo ve hoe ia angaha ro mihira an'io?
dia ilay misy hoe ..mianara re f'aza mora kivy iny koa azafady
11. ari.malala ( 23/03/2009 09:08)
ika, ko efa hoe tsary tadidy hoe ko enao kou! eo fa ezahina tadidiana na angatahana any @ radio hoe ia ro mihira azy e! :-P fa ilay hira raika teneninao io ve ilay hoe "nahoana zany zanako no lasa vinany...?
12. fahamarinana ( 23/03/2009 09:15)
:arrow: tapaka koa ny tsinaiko nahita ity dinika ity ,kay ! tsaroako tokoa akia ry soanja ,marina moa !
ari : ary hainjy tsara be ilay izy an !...ny ahy iao iao no tena tavela ! :-D (l)
13. ikaretsaka ( 23/03/2009 17:10)
ari.malala:

ika, ko efa hoe tsary tadidy hoe ko enao kou! eo fa ezahina tadidiana na angatahana any @ radio hoe ia ro mihira azy e! :-P fa ilay hira raika teneninao io ve ilay hoe "nahoana zany zanako no lasa vinany...?


Iny mihitsy
14. ari.malala ( 24/03/2009 07:24)
Hoan'ika, io ilay hira

Nahoana zany zanako no lasa vinany,
Misentosento ary misefosefo toa mitomany?
Reninao ty manatona anao mba te hanontany
Fafao re ny ranomaso
Tsy nahomby re ny fanadinana izay natao
Ka very hevitra aho ry neny amizao fotoana izao
Inona re no hatao? hanohy ve sa hijanona eto?
Ny fianarana dia tsy vita mora ry sombin'aina
Ny tsy hianatra dia esory avy hatrany hiala ao an-tsaina
Ny fianarana ry zanako no mba antoky ny aina
Mianara re aza mora kivy
Ilofosy re ny fianarana izay natao
Ny tsy fahombiazana tsy miala amizao fianana izao
Mahereza re aza mora kivy
Zaho reninao mbola eto anilanao

Mihirà finaritra :)
15. ikaretsaka ( 24/03/2009 18:49)
mampome be le manao ba gasy anazy
16. ni81 ( 24/03/2009 19:22)
fa iza aloha no tena mpihira an'io e?
i bouboul?
i Lefona no mihira an'io fa nodimandry t@ 2008 teo angamba izy iny moa fa voan'ny accident.
17. ari.malala ( 25/03/2009 06:39)
ni81, misaotra nampahatsiahy! marina akia izany!

ika, in no mampime?
18. roja ( 27/06/2023 15:26)
T@ radio RDB nahenoko an'io farany, t@ 2012 tant.
Otrany hoe tsihelonina no mpihira azy an,
50% de certitude
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2253