Ny tantara amin'ny baiboly sy ny famoana mahatsiravina.

1. soanja ( 12/03/2009 15:01)
Mahavarina ahy ity Boky iray ity ka. Tena matanjaka mihitsy ny heriny. Asa anefa fa dia mahavita raha tokoa ny olona tantaraina ao. Andriamanitra eto- aminy mpitantara- dia mamaly faty ny nahazo ny Zanak' Israely ary araho tsara anie ny fomba hanantanterahany izany fikasan'Andriamanitra izany amin'ny alalan'i Mosesy. Famonoana tsy misy ohatr'izany miaraka amin'ny zaza madinika tsy manantsiny!

Andriamanitra o! Tsy ianao velively no "ratsy" fa ireo izay nanoratra tsy mendrika ny tantara momba anao. Ny fitiavana natolonao dia ahafantaranay fa FENO NY FITIAVANAO NY OLOMBELONA REHETRA NOHARIANAO!

Nomery 31: 1-18

1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao hianao.

3 Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.

4 Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.

5 Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.

6 Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.

7 Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy;

8 ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra.

9 Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman-ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.

10 Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.

11 Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,

12 dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

13 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.

14 Ary tezitra tamin'ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,

15 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?

16 Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.

17 Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.

18 Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.

novalian'i fijo ny 18/03/2009 21:43
2. rakaroka ( 12/03/2009 20:34)
Raha ny marina, nandalo "sehatra" isan-karazany ny fanoratana ny baiboly vao iny vakiantsika iny.
Ny nanoratra ilay izy koa,raha zohina ara-tantara dia ni-subir ny rafitra nisy t@ fiaraha-monina t@ izany. Nisy "pressions" isan-karazany.
Taloha nasiaka tokoa ny RAR na ny mpampianatra na ny rafitra faha-mpanjaka: fanjakan´ny kapoka @ endriny famonoana mihitsy, dia zary nosariana toa izany koa ilay Ray, entin-kanorenana ny rafitra tian´ireo nitarika niharo ny fombafombany,Dia nisy soratra nanohintohina an-drizareo, toa tsy nampidiriny tao anaty baiboly.
Ankoatr´izany mbola nandalo fandikan-teny, izay tsy mora mihitsy.
Donk ny hitompo teny fantatra dia hoe "izay tokoa ny voasoratra tany aloha dia hanahirana ihany an!
Ary ´za efa namaky boky hafa maro mitantara sy mampiseho ny piecen´ny "puzzle" tsy feno @ izay voasoratra ao anaty baiboly!
3. Mirananirina ( 13/03/2009 12:58)
Tena nisento mihitsy aho ry Soanja namaky ilay tantara.
Mahagaga mihitsy fa dia lazaina fa Andriamanitra daholo ny naniraka raha te hamono olona ny olona 1.
Izany anie no mahatonga ny musulman hoe:raha misy manao ratsy aminao,dia vonoy,satria io no misoratra ao aminy coran-ny.
Satria izany no nataon'Andriamanitra.
Jereo reo tantara betsaka ao aminy BAIBOLY ,mifamono sns.........,dia Andriamanitra no naniraka.
Soa ihany ny Kristianina fa tsy manaraka ny baiboly an.
4. mion ( 16/03/2009 08:43)
Soanja, ito ny valiny
Ny zanak'Israely dia efa ela no nisy ny fizarana: Sioniste sy Judaiste, ny A/tr'i abrahama dia ilay tompoin'ny Judaisme, ilay Rain'i Kristy. Efa nolazaiko tatsy ambadika fa nisy fotoana tsy mi-concorde ny comportement-n'A/tra araka ny hita ao @ testamenta talou.
omeko reference enao raha mila , fa mbola misy doute be mintsy io andriamanitra mpamono izay nomba ny zanak'Israely io.
Araka ny tantara dia nezahina naparitak'ireo Sioniste (no-disperser-na) ireo Judaïste , samy Jody ireo. Ny etat d'Israel izao dia ireo jody sioniste no ao fa ny judaïste dia miparitaka maneran-tany fa tsy manana firenena. Même Israel ange ka tsy ni existe avant 1950 e, sous la pression européenne ho an'ny tombon-tsoany manokana sy usa dia noforonina ny etat d'Israel, ary nanampy izany fananganana izany ny Rosianina. Palestine no Etat efa nisy hatram fahagola. Ary izany no mapisy io ady ao moyen-orient io tsy mety vita hatram zao.
5. mion ( 16/03/2009 08:49)
Ny ampahany voalohany ao @ Baiboly testamenta talou ihany no mitaratra ilay A/tra be famindra-mpo sy fitiavana. andriamanitra lian-drà hafa mintsy no tohiny aveo. aty @ bokkin'i jôba vao miverina ilay A/tra tena izy
6. soanja ( 16/03/2009 20:35)
mion:

Ny ampahany voalohany ao @ Baiboly testamenta talou ihany no mitaratra ilay A/tra be famindra-mpo sy fitiavana. andriamanitra lian-drà hafa mintsy no tohiny aveo. aty @ bokkin'i jôba vao miverina ilay A/tra tena izy


Misaotra amin'i Mion nanome fanazavana ho an'ireo izay mandray ny baiboly ho tenin'Andriamanitra daholo no ao. Tsia, hoy aho misy tenin'olombelona koa ny ao sy ny heviny. Betsaka ny tenin'Andriamanitra ao anaty baiboly saingy mila mampiasa ny Fanahy isika hahafantarana hoe inona avy ireo teny mahasoa sy sakafom-panahy ireo fa tsy izy rehetra avy eny amboalohany ka hatrany amparany akory.


7. Mandefitra ( 17/03/2009 11:52)
ARy toa tsy miteny Ikaretsaka?
Efa tsimponina zany zao zay metimety ao @ Baiboly fa ny sasany tsy izy hehehe.

De ahoana zany ty zao :
Jaona 3:14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona

Tsy i Jehovah ve no nandefa ny menarana hamely ny zanak'Israely rehefa nimonomona ry zareo, ary Izy ihany no nampanamboatra ilay menarana hasandratr i Mosesy, mba ho sitrana zay mijery ilay menarana.

Ka aza heverina fa Fitiavana fotsiny Andriamanitra, fa Masina sy Saro-piaro koa Izy.
Ho an zay Mino ny Zanaka dia fiainana mandrakizay, zay tsy mino dia ny fahaverezana ...


8. fijo ( 17/03/2009 21:05)
ka aza hadino ,fa io anie ka bokin tantara e.tantara n oao,ary arak aizay mah atantara azy izay,dia samy nanome ny fomba fahitany azy ny mpanoratra
9. Mandefitra ( 18/03/2009 04:19)
Matio 11:21 lozanao, ry Korazina! lozanao, re Betsaida! Fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny

23 Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita hianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.

Sao dia tsy ilay Zanak'Andriamanitra ty sady manozona no mankato ny nandravana an i Sodoma ty?, ary tsy Andriamanitra moa no nandatsaka solifara tany sodoma?

Betsaka ny ohatra azo raisina ao @ TV, raha tsy hiresaka afatsy ny fanoharani Petera ny Batisa @ tondradranon'i Noa (IPetera 3:20), etc ...

Ka rehefa tsy inoanao ny maha "livre inspiré" ny Baiboly, mirakitra ny Tenin'Andriamanitra sy ny Soratra Masina, dia aza resahana akory fa tsy hahasoa anao izany.

Misaotra

10. fijo ( 18/03/2009 21:43)
tsianjery be fotsiny ity le
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0472