Halohalika ny ranom - bary

1. ronaldo09 ( 12/03/2009 07:44)
Mampametra-panontaniana tokoa ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Tsy mety ahitam-bahaolana ny krizy politika na dia eo aza ny fanambarana samihafa izay milaza fa mandroso ny fifampidinihana.
Toy izany ny eny ambony latabatra sy ny any an’efitrano rehetra any. Ny eny ankalamanjana kosa toa miha henjana ny lalao. Tsy misy fahamatorana sy fahendrena hita taratra eo amin’ireo tomponandraikitra ambony samihafa ka toa atao lalaon-jaza ny fitantanana ny raharaham-pirenena izay mamaivay tokoa amin’izao fotoana izao. Efa miditra amin’ny volana fahatelo ny krizy kanefa dia mbola tsy ahitana mangirana ihany ny mikasika izay mety ho fivoahana amin’izany. Tsy misy mampiseho finiavana ihany koa ny mpifanandrina roa tonta fa dia miziriziry amin’ny foto-keviny. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ny fahitana ny Filohampirenena afakomaly teny Ambohimananbola. Tonga teny an-toerana hono izy namaly ny fanasan’ny Ffkm sy ny Firenena Mikambana. Tsara dia tsara ny tetika satria nampiseho izy fa mbola te hifampidinika araka ny teny nataony ombieny ombieny. Tonga amin’ilay fitenenana hoe « tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany ». Tamin’ny alatsinany ihany koa no nanomboka nanao fihetsiketsehana ry zareo « Tim », ary mody atao hoe mpiaro ny ara-dalàna ka manainga ny olona hiverina hiasa. Hafahafa kely ity tetika ity. Nazava ny tanjona omaly : hirona ery amin’ny kianjan’ny 13 mey ary hanangana ady. Hampiadiana ny samy Malagasy. Avela sy amporisihina hifamono, ka tondroina fa ny mpanohitra no tomponandraikitra amin’izany. Etsy andaniny koa dia haneho ny fankahalany ny masoivoho frantsay noho ny baiko nomena azy ireo. Nandamoaka ny hetsika noho izany. Nefa fantatra tsara fa tsy ijanona eo ry zareo ka niverina teny Mahamasina haingana haka toromarika sy handray vola. Maro anefa ireo lasa nody. Efa halohalika tokoa ny ranom-bary ka nanao fanambarana ny Filohampirenena, noho ny tafika malagasy izay mahatsiaro voahitsakitsaka noho ny nafitsony. Mahatsiaro voahoso-potaka izy ireo noho ireny fihetsika mamoafady nataon’ny Emmo/Nat tamin’ny herinandro lasa ireny. Efa betsaka tokoa ireo tomponandraikitra ao amin’ny tafika malagasy no tonga saina. Mbola nanao sarin’ady ihany anefa ny minisitry ny Fiarovana vaovao. Mahalasa fisainana raha manamboninahitra toa azy no voatery sy norahonana mba hametra-pialana. Olona tsy manana hazon-damosina ve no omena ny fiarovana ity tanindrazana ity ?
Maro loatra ny fitaka nataon’ny mpitondra fanjakana ankehitriny sy ny fivadiam-pitokisana tamin’ireny famarotana tanindrazana amina vahiny ireny. Io no singanina manokana fa hita nihoapampana ny fanararaotana samihafa. Sarotra ihany ny hino ity fanambarana toy ny « heloka hibaboana mody rariny » ity. Ny votoatin’ilay fanambarana moa dia tsy miova amin’ny fandre isan’andro.
novalian'i fijo ny 12/03/2009 21:19
2. majakely ( 12/03/2009 07:57)
nareo ve de matoky fa ireo mpanao politika efa mainty tsinay reo ve no hanavotra an' i Madagasikara rehefa ho lasa i Ra8??Sahy mijoro amizay ve nareo ,sa ho pire nohon'ny andro tam Ratsiraka?'Efa hita zao fa efa azo vonoina am tsisy dikany ny malagasy donc ho hita eo koa zay ho mpitondra eo eee;;;I zafy Albert aa??hahaha ...Tsy mino aho !!
3. ratavao ( 12/03/2009 08:05)
Ka sitram-po ny azy ka inona intsony e! hatramin'ny natao hiaro anao ity no efa mivadika, de zao no vokan'ny fanambaniana sy tsy firaharahina ny hafa sy ny fizirizirina ary maro tsy voatanisa!!!
4. sitlo ( 12/03/2009 08:34)
zarao ny basy
5. xxx ( 12/03/2009 08:57)
Contre attaque: Mila Lemizoo bdb amin'izay izao.

Tairo ilay fika be ry Lemizoo sao tara fa efa akaiky hivadika ny pejy ka ho vita ity tantara TGV ity.
Mangataka an'i Lemizoo mba tsy ho be resaka eto intsony.
Fadio ny SMS amin'io fika be io
Kely sisa dia TGV t'es FOUTU
Lasa izao!
6. ratavao ( 12/03/2009 09:41)
Omena basy tokoa enao, ka de ho hitantsika eo e!
7. fijo ( 12/03/2009 21:19)
aza mifaly amin'ny ady ry zalahy fa ratsy an.mariky ny tsy fisian'ny saina ny ady.ka dinio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0626