Politika sy Ekonomia

1. ndenn ( 11/03/2009 21:36)
Asa raha mba misy mahatsapa fa @ lafiny politika dia tena tokan-tena tsy misy mpanampy iM/car , ny @ lafiny ekonomika indray dia potika hifandrotehan ' ny eran- tany mihintsy , na asiatika , na afrikana , na eropeana ,na amerikana , dia samy manapatra izay azony atao hahazoana tombotsoa ao Dago. Dia manampy trotraka izany ireo diaspora malagasy rehetra any ivelany ,sy ireo mpanao politika malagasy tsy manana fahefana ny hanohitra izany @ fomba mendrika , fa jamban' ny tsy fahiràtana eto @ ity tany fandalovana ity ,ka manaonao foana .Mba rahoviana vao hisy masoandro hiposaka ??? :?: :idea:
novalian'i xxx ny 12/03/2009 08:52
2. fijo ( 11/03/2009 21:46)
hisy izany rehefa misaina ny mpanao politika rehetra
3. sitlo ( 11/03/2009 21:59)
Tsy hisy izany fa dia raiso ny basy.
4. fijo ( 11/03/2009 22:06)
aoka letsy
5. tafondro ( 11/03/2009 22:24)
Raha izany no vahaolana farany hitanareo ,dia ataovy ao an-tsaina fa tsy hisy fiafarany intsony io ady io raha tsy fongatra tanteraka na ny ankilany na ny andaniny .Izay no tsy maintsy hiseho , toy ny tany Cambodge , Rwanda , ary ny mbola hiseho koa any moyen orient sy extreme orient rehetra any .Anjaran' ny ts 11 no manapa- kevitra.
6. sitlo ( 11/03/2009 22:38)
Ka ny anay ny nampianarina anay dia hoe: aleo maty toy izay hanompo.
7. ndenn ( 11/03/2009 22:44)
Ny anareo irery ahoana ? f' angaha tsy mba nandova ny fandalam-pihavanana avy t@ ntaolo ianareo no dia manava-tena ohatry izany ? Aparitao kely aloha ny hevitry ra sitlo hoe handinihana izany ?
8. xxx ( 11/03/2009 23:01)
efa nanompo ny ray aman-dreninao ihany ianao koa nanina no mbola velona fa tsy namono tena :idea:
9. sitlo ( 11/03/2009 23:03)
Efa lava ny resaka novelabelariko fa avadibadio any.

Ny Ntaolo ve? ry zareo no tena rain'ny ady, fanamelohana ho faty, fanandevozana sy ny sisa

Ianao asaina tsy miady kanefa ny taninao dorana ihany.

Fihavanana? Mila ovaina, tsy mihavana amin'ny ratsy. Aleo hiady kely isika fa tsy fantatsika izany atao hoe ady ka miseho mampijaly ny madinika.

Ianareo aty ivelany ireo ve mieritreritra fa ho tonga soa rehefa milamina ny tany?a
10. xxx ( 11/03/2009 23:58)
ity fitaritanao hamono olona (gasy tsy mitovy hevitra @nao) ity mintsy no tsy mazava :!:
11. sitlo ( 12/03/2009 00:08)
Ny havanao rehefa vonoin'ny malagasy mitovy aminao dia asaina mihavana ianao, fa rehefa ianao no mamaly dia tsy mazava?
12. xxx ( 12/03/2009 00:12)
tsy mbola nandray lesoka ve nareo fa raha samy hifamono dia tsy hisy farany io,na ny mafia aza zandry mahalala mifandray tànana refa be ny namoy ny ainy
13. pikatti ( 12/03/2009 00:26)
mipetraha tsara ry zalah fa aza mifamono zany ,faites l'Amour pas la guerre ry be resaka reto a :-D :-D :-D :-D :-D
14. xxx ( 12/03/2009 08:52)
Ra zao fizotry ny film zao, tsy maintsy hiafara @ zay ihany io rhf samy tsy handefitra e! aleo tonga de CASQUE BLEU no ho avy eto e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1121