Aoka izay ry zalah fa aza miady intsony. Kony a !!!

1. essera ( 11/03/2009 13:13)
Aza ilay olona mihira sy ny fironany amin'ny politika no jerena ange ry zareo fa ilay hevitra nampitainy, dia hitako tena marina daholo ilay voalaza.

1-Oay reto isika e(2)
fa mifanenjika sy mifandramatra ohatra ny BIBY
oay reto isika e(2)
viravirain'ny demony ratsy mpanao pôlitika

tsy ny hevitra intsony fa tena ny olona izao no miady
mifamono lolo na ray aman-dreny na koa ny mpivady
mpiralahy izao mitsitokotoko tsy mifandray tànana
manafangaro ny resak'antoko ny resam-pihavanana


2-oay ty nareo e(2)
manao sôvaly ireo olo-mahantra sy leo
dia mampanantena ny mana sy Edena
vao tafakatra eo dia veloma teo ny teny nomena

nahoana leiretsy hifanaraka ihany ka d'efa nandrasana?
Mirava tanteraka kilao tonto misy maty any am-pasana
niaraka tao ianareo hatrizay toa tsy nisy napoaka
efa ny volo-tratra mihintsy no may dia mampiady vahoaka


3-oay ty zaho e (2)
tsy mba miara-mirevy @ ireo mpanao greve fa miàlaala pà e
oay ity zaho (2)
tsy hoe sanatria tsy te hahalàla fa efa teo no niàla a

izay vitako t@ 72 aza mbola anenenako
raha toa ka diso ny teniko ariana fa aza ny tenako
ny fônksiônera na mitanin'andro aza tsy misy ny olana
na mitokona aza izy mbà misy raisina faran'ny volana


4-ho sambatra isika e hiadana isika a
arahabaina fa tratry ny (???e) repoblika
vavaka tsotra no ndeha ho hiraina
hanatontosa ny zavatra rehetra nampanantenaina

ny savorovoron-kilantoana ry manam-panahy
vita ny kaonty mazàva ny kaonty dia basy @ izay
zareo ao ambony ihany dia efa tsy mihevitra ny hifandray tànana
isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavanana

isika eto ambany no mitsàbo ny fery mamitram-pihavanana

isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavànana....
2. tsinjo ( 11/03/2009 13:29)
i rawiwiwi lety rassera tsy matoky ana mitsy e, efa mba mifona za ha eh eh eh
3. TEGEVE ( 11/03/2009 13:49)
anaka essera marina tanteraka ,miombo-kevitra tanteraka ,
volavolain'ny devoly ratsy mpanao politika (l) (l)
4. naughtyboy ( 11/03/2009 13:56)
=)) =)) =)) tonga mahalaza ny be e,marina io fa izay no nahavery ny fiainampirenentsika efa ho 49 taona mahery izay ,nataony racaille politique toa any ratsy iraka sy le8 ary i Andry le putscher
5. andrywui ( 11/03/2009 14:15)
Tsy mahatoky anlh letsy ah ry tsinjo a !! na i fihomehy voraka ataonlah io aza tsy milamn io fa mbola tsiparifary elah aloh hatramzao !!!



^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^
6. Mirananirina ( 11/03/2009 14:33)
Ka ilay seza niadivana mbola eo ko.Ny vahoaka mitazana eo fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1145