efa manangasanga v ny directoire militaire...?

1. naughtyboy ( 11/03/2009 10:23)
Na dia efa samy henontsika rehetra aza @ fampielezambaovao hafa dia araka ny tatitra nataony ireo matoambaovao vahiny toa ny \"The Asian age, Al Jazeera\"avy ao kontinanta samihafa de efa akaiky ny fandraisany lehibeny tafika malagasy sy ny mpanelanelana aratafika vahiny ,ny fampandriantany manerana ny nosy ary hidirana @ fitondrana aramiaramila @ fampandehanandraharaha ankapobeny sy ny fiarovana ny tombotsoampirenena,taorinany fametrahampialàna nataony Mamy Ranaivoniarivo, ministry ny fiarovana ary nangatahany ireo manamboninahitra maromaro tao anatiny tafika malagasy(marihina fa ny CAPSAT aza moa @ zao fotoana dia nandà ny didy avy any @ mpitondra hampiasa herimpamoretana hampangina ireo mpaneho ny heviny raha ny anjaratoerany eo @ firahamonina aza nataony filohany tiko tsinontsinona hatr@ izay).Ny loharano akaiky nanao ny fanambarana moa dia tsy iza fa ny lehibe aratafika i A.toa Edmond Rasolofomahandry ny 10 marsa teo ka telo andro monja no fehim-potoana nomeny hifanomezana tanana ,sy tongotra miaramamindra ary soroka miaramilanja manoloana ity olana goavana lalovany firenena noho ny hetraketraky ny mpanao politika andaniny sy ankilany ka manimba ny aimpirenena ,filaminambahoaka sy ny fiandrianampirenena.
Etsy andaniny,Drame Tiebile, mpanelanelan\'ny firenena mikambana dia nanamafy ny fiarovany firenena mikambana ny mpanohitra Andry TGV(@ fialokalofany ao antranony frantsay/diplomatic immunity)ary nahazo fampanatenana fanafoanana ny fisamborana azy avy @ le8.Tongobakivaky sy vay ankandrina ka dia maharary fa tsy mahamenatra intsony ny tsy fahaiza-miray hina sy sy fanentanana ny fampandrosoana ny firenena ataon\'izy 2 lahy ireo,latsaka anaty hantsana mandifotr\'olona satria tsy tombotsoany tenany ts1/1 no ifoforany manokana fa tsy misy ho fanatsarana ny soa iombonany daholobe ka atao toy ny\" asa vadindrano tsy vita raha tsy ifanakomana \".
Latsaka ankaterena ny vahoaka malagasy ,noho ny hetraketrak\'ireto mpanao politika ireto ka toy ny fasan-kilevenana ihany ny vahiny any ivelany indray no mahakarakara ny tranony(sy ny raharaha rehetra)...indrisy
Misy ny lesona azontsika valala be mandry azo tsoahina nefa kosa kihondalana natao ho tonga izao hialàna @ ireo fahazarandratsiny mpanao poiltika teo aloha,ambava homana ampo mierotra...







2. ratavao ( 11/03/2009 10:38)
Dia iaraha-mahita eo fona re zany e, fa aza maika enao. N'inona n'inona toe-javamisy tsy maintsy ho fata-bahoka fona zany fa aza misahirana mitantara intsony enao e!!!!
3. naughtyboy ( 11/03/2009 10:52)
Ho porofon'ny tsy fahamatorana tanteraka sy saina marefo ny feno fitiavantena izay loza mitatao ho an'ny firenena iray manontolo,ao anatiny fotoana fitadiavana vahaolana dia re indray ity fitondrana ity fa nanolo ny lehibeny tafika nanao ilay fanambarana mahazatra fa ny lehibe aratafika vaovao notendrena dia ny Kln.le colonel Andre Andrianarijaona ora vitsy2 lasa izay.Ary mihatonga saina ny rehetra fa toy adin'ankoho lahy fantàka 2, lasa ady seza manokana ny mpifanandrina 2 tonta ny fianampirenena ka lasa kilalao eo antanan'izy ireo nefa tsy maintsy hitodika manoka @ iry mianaka ny fanotanian'ny daholobe sy ny feo ny fieritreretany momba ny andraikitra sy ny adidy horaisin'izy ireo...Ny tena olana dia famelàna indray ny olomeloka 1 lehibe indrindra sy ireo mpanaraka azy noho ny heriny maizina(vola)hiverina tsy ho voatsara na feheziny lalàna manjaka eto @ tanin'ny malagasy ka hamotika tanterakana ny ankehitrio sy ny ho avin'izy ireo indray
Ka anjarantsika olompirenena rehetra no misaina tsara fa raha tafiditra koa ny fitondrana aratafika dia manafaingana fotsiny ny fiverenany ilay mpampianatra an'i le8 nisantatra ny fampiasana didy jadona ao anaty fanjakana demokratika (25 taona sy+)dia tsy iza fa ilay fahavalombahoaka goavana indrindra i ratsy iraka ...koa dia mailoa ary samia ho ela velona isika rehetra ahita ny rariny sy ny hitsiny ry olompirenena malagasy rehetra...



4. Oay ( 11/03/2009 10:53)
Tena ambava homana ary am-po mieritreritra tokoa ka d ho an'i Oay d izao ny fahitany anazy:
_Sarotra ny hametrahana fitondrana miaramila raha toa ka mbola ireo olona napetrak'i Marc Ravalomanana no hitondra izany satria saotra ho azy ireo no hitsipaka an'i Marc Ravalomanana izay nametraka azy ireo teo @ toerana noho izany d sarotra ny hino fa tsy hiandany izy ireo.Faharoa manaraka izany d CAPSAT efa tsy mihaino an'ireo intsony porofo efa naka ny minisiteran'ny fiarovana ry zareo ary efa nanendry lehibe ny foloalindahy vao² noho izany raha mihizingizina @ hevin'ny ireo napetrak'i Marc Ravalomanana d raikitra ny ady satria samy efa manana-basy ny andaniny sy ny ankilany.
_Ho an'ny vahoaka d tsy hanaiky ny zavatra naroson'i Marc Ravalomanana ny vahoaka satria i Ingahy Andry Rajoelina d efa nametraka fa tsy hipetraka hiray latabatra @ i Marc Ravalomanana hanao ity lazaina fa fihaonam-be ampirenena ity noho izany ny mpomba an'i Ingahy Andry Rajoelina d efa mazava izao fa ny fialan'i Marc Ravalomanana no vahaolana.
Ny olana misy eto Madagasikara @ izao fotoana izao d ady tsaranga satria:
_Jereo fa ny miaramila nanao fikomiana ary maro an'isa d ireo manamboninahitra lefitra satria izy ireo d natao tsinotsinona nadritra izay fitondran'i Marc Ravalomanana izay fa ny lehibe ihany no nampihantaina sy nofahanana an-tenda ka ny mandinika d sakafo tapatsinay.
_Jereo ihany koa fa marina fa ny mpitarika ny fihetsiketsehana d olona mihinana sy voky an-tendaha fa jereo ireo vahoaka manao ny andrimasompokonolona fa d vahoaka mihinana antapatsinay....Mbola hitohy
5. naughtyboy ( 11/03/2009 10:59)
ratavao > misy ny fiteny hoe aleo mitsabo toy izay misoroka ,ary tsy efa ho pahon'ny papango akory ny zanak'akoho vao hikorapaka ...efa eo ny gazety hitantara fa hevitra terabary no aseho eto itsinjovana ny vokadratsy aterak'izao olana izao ary ny lesona sy vahaolana ho entimiady @ izany,izay no zvmisy izay tsy andrasana fahavoazana foana vokatry ny hadalàny sasany, tsy sahirana akory itantara ny tenako fa fanehoankevitra ny eto ka malalaka ary raha tsy mahasoa anao tsy voatery ho raisina fa mba dinidinihina aloha..ambava homana ampo mierotra...
6. naughtyboy ( 11/03/2009 11:10)
mazava tsara ny koziny Oay ;-) tohizo misy itovizako hevitra nefa ...tsetsatsetsa tsy aritra,aza adino fa asa vadi-drano ka tsy vita raha tsy ifanakomana ny fiainampirenena tsy ijerena tsangan'olona fa tsangan-kevitra mijoro sy azo anarenana ny tsy mety ka azo atao lasitra harahiny daholobe,fehiny tsy afa-miala @ ireo fahendreny ntaolo isika hoe: ny firaisa-nkina no hery,izay mitambatra vato izay misaraka fasika ...
Izay tsy mifanaraka @ ireo n'aiza2 misy azy dia anisany manana ny zotrany manokana tsy ankilany vahaolana,satria tsy éthic fotsiny ireo teny ireo na ara-politika na sosialy fa anisany tena maha toetsaina malagasy...Fanarenana aloha sy fampitsaharana ny fanimbana vao mikasa ny fanorenana,ao anaty fiovana arampilaminana tsy ilaina herisetra izany ary koa fiaraha manao soa ny tanindrazana iombonana ka izay tsy mety hitondra ny anjara-birikiny eo no ho tsarainy vahoaka satria samy diso no tompon'andraikitra...
7. Oay ( 11/03/2009 11:12)
naughtyboy:

tsy sahirana akory itantara ny tenako fa fanehoankevitra ny eto ka malalaka ary raha tsy mahasoa anao tsy voatery ho raisina fa mba dinidinihina aloha..ambava homana ampo mierotra...


Ny trafon-kena homen'ny mahery ka am-bava homana ary am-po mieritreritra d entin'ny mpikabary na mpananatra hilazana sy hanehoany ny fahaizany na ny heriny noho izany izay hihinana d mitelina aloha d avy eo mieritreritra na terena hitelina aza anefa ilay olona d ny tsy azo atao anzay d ny hoe sakanana ny fieritreretany noho izany d manamafy ilay mpiteny fa ao am-po mieritreritra fa ny trafo-kena tsy maintsy an-telina satria nomen'ny mahery.
Hitantsika @ izany fa demokraty ny malagasy satria na d tompon'ny hery fahefana aza d milaza fa afaka mieritreritra ny olona na inn na inn....mbola hitohy

8. andrywui ( 11/03/2009 11:15)
Aiza le tohiny Oay ho vakiana fa mahaliana !!! zah maika ho eny am 13mei !!


:-w :-w :-w :-w :@ :@ :@ :@ :-w :-w :-w :-w
9. yvonKEL ( 11/03/2009 11:22)
ho antsika rehetra dia zao : aza mba maniry izany fitondrana miaramila izany fa tena loza be izany. aleo vaha olana politika ihany no iadivan-tsika hevitra fa raha vaha olana ara miaramila de hitombo indray ikreo maty sy maratra ary ny fahapotehina no ho avy
10. xxx ( 11/03/2009 11:42)
Apetraho ilay olona tian'ny frantsay apetraka fa ELABE e . Matimaty foana ny olona fa VITAO :evil:
11. xxx ( 11/03/2009 11:54)
yvonKEL:

ho antsika rehetra dia zao : aza mba maniry izany fitondrana miaramila izany fa tena loza be izany. aleo vaha olana politika ihany no iadivan-tsika hevitra fa raha vaha olana ara miaramila de hitombo indray ikreo maty sy maratra ary ny fahapotehina no ho avy



Ka moana marenina anankiroa no antenainareo hiresaka , izany ve ho possible fa dia aleo ny miaramila hanao azy eo
12. Mirananirina ( 11/03/2009 12:12)
zah maika ho eny am 13mei

Mazotoa Andrywui an.
13. xxx ( 11/03/2009 12:52)
:arrow: aleo ny miaramila dia samy miala izy roa tsalo fa tsy lasa e :?:
14. naughtyboy ( 11/03/2009 13:25)
xxx > samy tsy mamely nefa tsy mitovy izy roalahy nefa raha fitondrana aratafika dia izay no varavarana migodàna hidirana @ jadona tanterka ,efa nahitana lesona @ izany ireo kontinanta sy firenena marobe ary porofo lehibe indrindra @ ireny i A.Hitler,Staline,Mussolini,Napoléon Bonapartes izay nitondra ny famonoana lehibe indrindra teo @ tantaran'ny politika eran-tany,raha tsy ho lazaina ry Suharto,Mugabe ary ratsy iraka taorinan'ny fahaleovantena malagasy
raha ny tantaran'ny M.kara no jerena
15. naughtyboy ( 11/03/2009 13:44)
Ny tena olana dia izy roalahy tsy mety hifandamina dia ny tanàna ny Iarivo no mandry tsy lavo loha ,nefa samy avy ao ary vola sy fahefana no atao olana , tsy ny vahaolana hialàna @ ity no miara jerena satria ho ao ambany vahohony ilay ratsy iraka mandrakizay...i andry aloha de mpibizna tanteraka matihanina @ fanonganampanjakana nataony,ary le8 de mpanampatra fahefana sy manomboka mihozohozo @ zany toerana izany ...anjarantsika olompirenena sisa no mijery ary manimpy teny ho azy reo hanao ny asany sy ny andraikiny eo @ firenena " Ny olona adala no hanarina,dia ny hatoriana no tsy hiainony no hataony,raha ny hendry kosa no anarina dia,tsy manala ny be efa ao antsainy akory ny mihaino ny hafa ,ary tsy mahavery ny kely nananany fa mampitombo ny be mby ao ankarona"
16. xxx ( 11/03/2009 14:21)
naughtyboy:

xxx > samy tsy mamely nefa tsy mitovy izy roalahy nefa raha fitondrana aratafika dia izay no varavarana migodàna hidirana @ jadona tanterka ,efa nahitana lesona @ izany ireo kontinanta sy firenena marobe ary porofo lehibe indrindra @ ireny i A.Hitler,Staline,Mussolini,Napoléon Bonapartes izay nitondra ny famonoana lehibe indrindra teo @ tantaran'ny politika eran-tany,raha tsy ho lazaina ry Suharto,Mugabe ary ratsy iraka taorinan'ny fahaleovantena malagasy
raha ny tantaran'ny M.kara no jerena



Izao varavarana migodàna @ fifamonoana sy ny fandrobàna, ka dia anao ny safidy ary koa

Efa taloha izany teneninao izany fa mba efa miova kosa ny tany e, efa mba misy institution mijery an'izany rehetra izany , sa?
17. Oay ( 11/03/2009 14:32)
naughtyboy:

Ny tena olana dia izy roalahy tsy mety hifandamina dia ny tanàna ny Iarivo no mandry tsy lavo loha ,nefa samy avy ao ary vola sy fahefana no atao olana ,


Mialatsiny aho raha diso fandray fa ny fahazahoako an'ilay resaka d hoe"Tokony hifanaraka izy roalahy satria samy taranak' Imerina".
Raha izay d ahitsiko fa tsy an'ny Merina irery i Madagasikara ary ny hetsika izao d efa manerana ny Nosy.Faharoa aseho eto foana fa rehefa misinda i Marc Ravalomanana d ao Morondava na Mahajanga tsy ao Antananarivo izany an!

naughtyboy:

tsy ny vahaolana hialàna @ ity no miara jerena satria ho ao ambany vahohony ilay ratsy iraka mandrakizay...



Amiko d io no tena olana mipetraka indrindra moa ho an'Antananarivo satria matahotra Antananarivo fa hamalifaty i Ingahy Ratsiraka ka amiko aloha d tsy tokony afaka hirotsaka intsony izy satria 25 taona izy teo efa vita izay tokony nataony fa avelao ny tanora no hitondra.
Izaho kosa anefa d miteny fa i Ratsiraka tsy manao ratsy an'Antananarivo satria nahoana :"samy mahalala ny tsirairay fa avy eo Ambohimalaza ohatra ny vinantony"
Samy mahalala isika rehetra fa nandritra ny fitondran'i Ratsiraka no nananganan'i Marc Ravalomanana ny Empire TIKO ary nanampy azy t@ izany ny minisitrin'ny toekarena t@ izany andro izany.




18. naughtyboy ( 12/03/2009 08:11)
voalaza
\"Raha izay d ahitsiko fa tsy an\'ny Merina irery i Madagasikara ary ny hetsika izao d efa manerana ny Nosy.\"

Tsy nisy fanambarana napetrako akory fa an\'ny Merina i M.kara,ary ekena fa manerana ny nosy ny hetsika sy fanoherana ny tsy rariny.Filazana tsotra fa tsy azo aetry @ hambom-po politika diso toerana olona 1 (ratsy iraka)te hanjaka @ alalan\'ny jadona, fanimbana ilay renivohitra taratra niavin\'ny ny fitambarany M.kara ho nosy 1,ireny rehetra ireny no jerena dia manohitra ireo fitsipi-dalàna ara-tsaina ny olompirenena ts1/1- intégrité morale de chaque citoyen ny zava-dratsy niseho tao amintsika ary isaky ny mitady toerana v ratsy iraka dia ny fananampirenena no atao kilalao potehina ary ny ratra antsaina sy am-po apetraka @ ireo mpiray tanindrazana noho ny tsy fanekena ny bodongerona ara-politika ? noho ny vola dia nekeny i Andry soa aman-tsara ny hitarika ireny asa-maloto nandoro RNM voalohany ity taona ity izay natomboky ratsiraka t@ fandorana Anatirova sy faritra sasany @ tao Manjakamiadana ny 06 nov 1995 ,famotehana ireo tontolon\'ny rakitra ara-tantara sy vakoka , ...taratra vavolombelon\'ny tantaran\'ny Nosy iray manontolo izany potika noho ny hetraketraky i ratsy iraka...Tsy mijanona eo ihany akory io,fa anitarana ny ady saritaka ara-piarahamonina fa handrobana ny fahefana araky ny fitondrana miaramila ka izay manana mpiandany betsaka no ahazo ankeriny izany,efa ela no nikotrehan\'ny ilay olo-meloka io izao rehetra izao fa ora ny fahatongava-tsainy vahoaka izao fa tsy fandrebireben\'ny mpanao politika intsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0402